Dans la męme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Rivo Rakotovao Mila ezaka be ny fitiliana sy fitsirihana

21/04/2020

Ny 23 martsa no nanomboka ny fihibohana teto Madagasikara, ary manomboka ny 22 aprily no hivaha tsikelikely.

 

 

 

 

 

Firenena marefo i Madagasikara ka tsy afaka hanao toy ireo firenena matanjaka sy manan-karena. Tsy maintsy maka fepetra ny fanjakana na tsy manana singa rehetra ahafahana maka izany fepetra izany aza. Tsy fantatra ny rahampitso ary samy miahiahy ny rahampitso daholo aloha, fa rehefa mba hoe io ary fa voafehintsika tao anatin’ny iray volana ilay valanaretina. Tsy niparitaka loatra araka ny niahiahiana azy loatra, izay irariana hitohy, dia zava-dehibe izay raha ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao. Nijery ny fanefitra isika izay misy adihevitra ihany koa iny fa tsy maninona, fa efa nahita an’iny aloha dia ho hita eo. Tsy tonga lafatra akory ny fepetra raisintsika ary mety mbola misy baraingo fa ny fanjakana naka ny fepetra mba hahafahantsika manala tsikelikely ny fahasahiranana. Mbola adihevitra ny tsy fahafantarana sy tsy fahafahantsika manao ny fitsirihana hoe sao dia sanatria olona iray no nahatonga olona telo, dimy, folo mety voa any ambadimbadika any… Izay no ilàna ezaka be avy amin’ny fanjakana. Tsy maintsy mijery ihany koa anefa ny lafiny sosialy izay iarahan’ny rehetra mahita fa tsy misy miodina intsony ny seha-pamokarana rehetra. Tsy maintsy jerena izany, ary izay no nahatonga antsika nandeha haingakaingana kokoa amin’ny fialana tsikelikely amin’ny fihibohana, hoy ity Filohana andrim-panjakana ity. Any Eoropa dia ahitana tahaka izany, toy ny any Suède, Autriche izay malefaka kokoa ny fahavoazana mitaha amin’ny firenen-kafa. Raha sanatria nisy voa 30, ohatra, ka maty daholo teto, dia mety tsy izaho ny fanapahan-kevitra noraisina. Tokony hanokatra valin-teny sy adihevitra hanala ny ahiahian’ny olona anefa ny fanjakana, fa tsy mety raha teny midina foana, hoy i Rivo Rakotovao.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana