Dans la mme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fiatrehana ny coronavirus Nanome 2,5 tapitrisa dolara ny Amerikanina

22/04/2020

Nanambara fa manohana an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny coronavirus i Etazonia, ka 2,5 tapitrisa dolara no haompana amin’izany,

 

 

 

 araka ny fanambarana nataon’ny Masoivohony Michael Pelletier ny alatsinainy 20 aprily teo. 1,5 miliara dolara ny tohana ho an’i Madagasikara nataon’i Etazonia tao anatin’ny 20 taona, ka ny 722 tapitrisa dolara tamin’izany dia tamin’ny lafiny ara-pahasalamana, raha ny fanazavana. Namatsy volabe hatrany amin’ny 1,7 miliara dolara ny Sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ireo mpitsoa-ponenana ny Amerikanina ho an’ny taona 2019. Fanampiana be indrindra avy amin’ireo firenena mikambana io, ary ampahefatra mahery amin’ny anjara biriky nentin’ny firenena faharoa nanao be indrindra dia I Allemagne. Ho an’ny programa momba ny fanjarian-tsakafo maneran-tany, dia 3,4 miliara dolara no avy amin’ny Amerikanina, izay manome ny 42% amin’ny tetibola faobe. Nanome 700 tapitrisa dolara ho an’ny UNICEF ihany koa tamin’ny taon-dasa. Ny firenena Amerikanina dia mipetraka hatrany ho mpanome fanampiana ara-pahasalamana lehibe indrindra eto ambonin’ny tany. Ny Amerikanina no namatsy ny 40% eo tamin’ny tohana ara-pahasalamana, izay mahatratra 140 miliara dolara eo tao anatin’ny 20 taona, izay mihoatra avo dimy heny amin’ny mpamatsy ara-bola laharana faharoa aoriany. Nanomboka ny 2009, dia nahatratra 100 miliara dolara ny tohana ara-pahasalamana nataony, ary 70 miliara dolara ny fanampiana mahakasika ny mahaolona. Amin’izao fisian’ny coronavirus izao, dia mahatratra 1,5 miliara dolara ihany koa ny tohana avy amina fikambanana sy ONG Amerikanina maro hiatrehana ny fisorohana ny fipariahan’ny valanaretina maneran-tany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana