Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Firenena 15 ao anatin’ny CEDEAO Nomen’i Madagasikara CVO maimaimpoana

02/05/2020

Nivoitra omaly 1 mey 2020 mey maraina nandritra ny lanonana nanolorana ny anjara Tambavy CVO na Covid Organics 5 250 isa amin’ilay manasitrana sy 10 800 isa amin’ilay misoroka Coronavirus ho an’i Guinée-Bissau, iray amin’ireo firenena 15 mpikambana ao amin’ny CEDEAO

 

 

 

 

 (Communauté Economique Des Etats de l’Afrique de l’Ouest) teny amin’ny BANI Ivato, fa homena maimaimpoana ireo mpikambana ao anatin’io. Tonga teny an-toerana nanolotra ofisialy ny anjara Tambavy CVO tamin’ny irak’i Umaro Sissoco Embaló, filohan’i Guinée-Bissau ny filoha Andry Rajoelina. Nanasongadina ny ezaka nataon’ny siantifika Malagasy nahazoana izao vokatra izao i Andry Rajoelina. Avy amin’ny zava-maniry fanao fanafody, hoy izy, ka nilazany fa nisy ny fahombiazana azo tamin’ireo marary nisotro an’io Tambavy io, tao anatin’ny 7 ka hatramin’ny 10 andro. Nosinganiny tamin’ireo marary efa sitrana nambara fa noho ny fisotroana izany ny mpanakanto Tence Mena sy Eveka Katolika iray. Haparitaka any Afrika izany ny CVO ka ho hita any Bénin, Burkina, Côte d'Ivoire, Gambie, Ghana, Guinée, Guinée-Bissau, Liberia, Mali, Niger, Nigeria, Sénégal, Sierra Leone, Togo ary Cap-Vert, izay mpikambana ao anatin’ny CEDEAO avokoa.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana