Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Soavimasoandro Olona 30 ahiana ho voan’ny Coronavirus

07/05/2020

Nilaza ny sefom-pokotany fa efa misy olon-kafa ahiana ho voan’ny coronavirus ankoatran'ireo olona 5 voatily andro vitsy lasa izay, saingy mbola tsy navoakan'ny CCO Covid-19 tamin’ny fomba ofisialy.

 

Mbola misy olona 30 hafa koa ahiana ho voan’ity aretina ity, hoy ihany izy. Efa misy, hoy izy, ny sekoly ivelan'i Soavimasoandro mampody ny mpianatra avy eny sy ny orinasa nampiato ireo mpiasa mipetraka eny an-toerana noho ny ahiahy hoe sao mamindra Coronavirus amin'ny hafa. Mafy loha tsy nanaraka fepetra ny mponina, hoy ny sefom-pokontany. Anisan'ireo fokontany be mponina indrindra eto Antananarivo i Soavimasoandro, ea mihoatra ny 28 000 olona ary tena betsaka ny fivezivezena hita eny isan'andro. Mampanahy araka izany ny toe-draharaha eto Antananarivo, tahaka ny any Toamasina ihany. Raha mijery ny zava-misy maneran-tany, dia mifindra tsikelikely hatrany ny ivon’ireo firenena tena voa. Raha mijery an’i Rosia izay tena mafy ny fepetra nampiharina, dia efa hatrany amin’ny 10 000 isan’andro ny olona tratra, ka sao sanatria ho loza ny hahazo ny firenena toa an’i Madagasikara izay goragora tanteraka. Ny any Brésil dia miha maro, ary anisan’ny firenena heverina ho lasa ivon’ny coronavirus atsy ho atsy ireo, raha toa ka manomboka mihena ny any amin’ireo tena lasibatra tahaka an’i Italie, Espagne, Frantsa,… Midika io fa tsy afaka ny hahatoky tena isika amin’io tranga azo heverina ho kely io mitaha amin’ny firenena Afrikanina sasany tahaka an’i Afrika Atsimo, Egypte, Algérie,… fa tena ahiana hidangana tampoka be ny isa ary efa sarintsariny io miseho eto io. Zara raha 4000 ny fitiliana vita, saingy mihazakazaka ny fitomboana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana