Dans la męme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Jean Jacques Ratsietison Atsaharo ny fihibohana raha tena mahomby ny CVO

13/05/2020

Rehefa maraina eto Madagasikara dia miaina ohatran’ny andavanandro, mifanitsa-kitro, mifampitakosona, ka miparitaka io izany rehefa maraina ka tsy misy dikany ny fihibohana, hoy ny mpahay toekarena Jean Jacques Ratsietison.

 

 

Tsy manao fitiliana be dia be ny fanjakana no mahatonga an’io hoe tsy betsaka no voa, fa raha manao fitiliana tahaka ny any ivelany izy. Izany dia tsy tokony hatao an’arivony fa an’aliny. Aza ampitahorina ihany koa ny Malagasy fa rehefa voan’io tsy hoe maty. Ny any ivelany 3 isaky ny 1000 ny maty, ny eto ny tena mahafaty olona dia ny tazomoka any Atsimo, hoy izy. Miaina isan’andro aza tsy mahita ny hohaniny isan’andro, mainka fa tapak’andro. Ny Filoha mihitsy no milaza fa efa misy fanefitra io dia ny CVO, ary raha marary mbola misy fitsaboana ihany koa ka maninona no asiana ny fihibohana fa tsy ravana any? CVO aparitaka fa atao milamina tsara satria efa manome antoka izany izy fa manasitrana io, fa tsy ohatran’ny tamin’ny voalohany hoe rehefa avy misotro vao mitantara ny nahazo. Ny fanafody rehefa mivoaka dia tokony ho fantatra mialoha ny fiantraikany fa tsy ny Malagasy no atao “cobaye”, hoy i Jean Jacques Ratsietison. Raha tena manana antoka izy fa sady fanefitra io no manasitrana, dia tsy tokony nisy intsony fihibohana fa tapitra niaraka tamin’ny vava ny fihibohana, fa matoa mbola mihiboka, dia tsy mahatoky ilay CVO izany ianao, hoy ity mpahay toakerana ity.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana