Dans la mme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Toamasina Lehilahy iray matin'ny Coronavirus

18/05/2020

Lehilahy iray antsoina hoe Kasaona Roger, 59 taona no namoy ny ainy noho ny coronavirus voalohany teto Madagasikara ny takarivan’ny 16 aprily teo, araka ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

 

 

 

 

Ny 9 mey izy no niditra hopitaly. Mpiasan’ny fahasalamana mpiambina ny “parking” ao amin’ny Hopitalin’i Toamasina izy io. Nisy tosidrà sy diabeta izy, izay iray tamin’ireo “forme grave” roa tao Toamasina. Tao amin’ny Hopitaly Morafeno no nitsaboana azy, ary izao tsy tana izao ny ainy. Ny mpiasan’ny fahasalamana no miantsoroka ny fikarakarana ny razana fa ny vata hasiana no hiantohan’ny fianankaviana. Efa voalevina omaly ihany itompokolahy araka ny vaovao voaray, afaka nanatrika ny fianakaviana saingy voafetra kosa ny isa. Taorian’ny fahafatesana iray, dia roa ny “forme grave” na tena « forme critique » atahorana. Efa mihatony ireo marary roa ireo izay any Toamasina sy eny Anosiala, ary tsy manavy intsony saingy mbola misy “oxygène”, hoy ny Pr Vololontiana.

45 VOA TAO ANATIN'NY IRAY ANDRO

Ho an’ny 15 mey kosa, dia ny 11 ambiny tamin’ireo 67 nanaovana “contre-test” nataon’ny CICM dia nahitana 5 mitondra ny tsimokaretina, miampy ireo 5 tamin’ireo 55 efa vita, izany hoe 10 tamin’ireo 67 no voa. Nanao fitiliana vaovao miisa 120 ny CICM ka 16 tamin’ireo no voamarina fa voa. Olona nifandray akaiky (cas contacts) tamina olona efa naiditra hopitaly tamin’ny 10 mey izay monina teny Manarintsoa Isotry ireo 16 ireo. Nahitana tranga 3 ihany koa tany Toamasina. Miisa 24 izany voa voatilin’ny CICM. Ny an’ny IPM indray misy ny fitiliana eto Antananarivo sy any amin’ilay Laboratoire mobile any Toamasina ka 5 tamin’ny fitiliana 34 teto an-dRenivohitra no “positif”. Ny 16 tamin’ny fitiliana 40 natao kosa no voamarina fa voa tany Toamasina. 21 izany tranga vaovao voamarin’ny IPM ho an’ny andron’ny zoma 16 mey, ka 45 ny fitambarany miampy ny an’ny CICM.

 

 

TAFIAKATRA 304 NY VOA

Tranga vaovao 21 ihany koa no notaterina omaly, ka tamina fitiliana 103 no nahitana an’ireo. 61 ny fitiliana teto Antananarivo ka 15 tamin’ireo no voa, saingy olona avy any Toamasina avokoa ireo. 42 ny fitiliana tany Toamasina nahitana olona 6 vaovao. Fitiliana natao ny 16 mey ireo. Miisa 304 ny tranga rehetra nanomboka ny 19 martsa, ka 114 no sitrana ary 190 no mbola tsaboina, ary iray no namoy ny ainy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana