Dans la mme rubrique

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Voafonja 6 voan’ny Covid-19

16/07/2020

Natao fitsirihana ara-pahasalamana avokoa ireo voafonja miisa 356 tazonina ao amin'ireo efitrano 7 ao amin'ny fonjan'Arivonimamo ny herinandro lasa teo.

Arivonimamo Voafonja 6 voan’ny Covid-19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Miha miparitaka ny valanaretina Tafiditry ny Coronavirus i Mahajanga

19/05/2020

Miisa 18 ny trangana coronavirus notaterina omaly, izay vokatry ny fitiliana natao ny 17 mey tamin’ny 8 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva.

 

 

134 notiliana, ka nahitana tranga iray tany Mahajanga, ary 17 kosa ny tany Toamasina. Mpiasa iray ao amin’ny ministeran’ny Fitsarana Antananarivo, namita iraka tao Mahajanga nanomboka tamin’ny 11 mey 2020 ilay iray voamarina tamin’ny fitiliana natao fa mitondra tsimokaretina, ary tsy nahitana soritr’aretina izy, hoy ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta. Nitondra fanintsiana kosa ny minisiteran’ny Fitsarana, fa “nformaticien” nametraka rindram-baiko na “logiciel” tany amin’ny Fitsarana Mahajanga izy io. Natao fitiliana ireo mpiasan’ny fitsarana saingy tsy nisy voa, raha ny fampitam-baovao. Norarahana fanafody ny fitsarana tany an-toerana. Nandraisana fepetra avy hatrany ka nakarina aty Antananarivo ny alin’ny alahady 17 mey kosa io olona io, vao fantatra ny valin’ny fitiliana azy ary tsaboina ao amin'ny CHU Anosiala. Narahina mpitandro ny filaminana ny diany miazo ny renivohitra ; ireo namany kosa dia mbola arahi-maso akaiky ao Mahajanga. 322 ny olona voan’ny coronavirus hatreto. Misy sitrana 5 tany Toamasina, ka 119 izany ny fitambarany, ary 203 kosa no manaraka fitsaboana. Ny anankiray amin’ireo marary sisa no misy fahasarotana (forme grave) eny amin’ny Hopitaly Anosiala, izay efa mihatsara, saingy mbola ampiasana “oxygène”. Ankoatra an’i Mahajanga, dia misy tranga ahiana ho izy atahorana ary miandry valin’ny fitiliana any Ambatondrazaka.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana