Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Hopitalibe Toamasina Lehilahy iray matin'ny Coronavirus ?

20/05/2020

Lehilahy iray afohizina amin’ny anarana hoe RB nonina tao Mangarivotra no re fa hoe maty tao amin’ny Hopitalibe Toamasina ny alatsinainy 18 mey lasa teo. Voalaza fa voan’ny “fièvre typhoïde” Ratompokolahy.

 

 

 

 

Nakana singa nanaovana fitiliana coronavirus anefa izy, ka voalaza fa efa nivaly ny fitiliana ary “positif”, saingy teo am-piandrasana izany izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao, raha ny vaovao niely nanomboka omaly hariva. Miely ny resaka fa somary nafenimpenina io satria hoentin’ny havany halevina any Antsirabe io olona io. Andrasana kosa anefa etsy ankilany ny fanamarinana ofisialy na fandisoana avy amin’ny manam-pahefana mahefa manoloana ity toe-javatra mampiahiahy ity. Raha toa mantsy ka tena voan’ny coronavirus tokoa izy, dia mety hisy ny fanapahan-kevitra mitovitovy ilay natao tamin’ilay maty vao andro vitsivitsy izay, fa tsy azon’ny fianankaviana kitikitihina sy halevina razana. Ny CHU Morafeno no foibe fitazomana ny mararin’ny covid-19 ao Toamasina ankoatra ny toerana manokana mahazaka olona 50 ao amin’ny Foyer Social Canada. Ity Olona maty ity kosa dia tao aminy Hopitalibe, ka efa tafiditra na “infecté” ihany koa izany ny ao amin’ny Hopitalibe amin'izao fotoana izao. Raha ny vaovao ofisialy moa, dia 124 ny voa tao Toamasina, 26 sitrana, 2 maty. Nitombo 25 ireo tsaboina ao amin’ny Hopitaly Ambatovy, raha 10 ny zoma teo. Tena mandravavara ny Coronavirus ao Toamasina.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana