Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin` ny Covid-19 “Mifanimpy baolina izy mianakavy”

20/05/2020

“Diso paikady hatramin` ny voalohany ny fanjakana teo amin`ny fametrahana rafitra.

 

 

 

 

Ny ministry ny atitany no filohan` ny CCO ka ny eo anivon` ny BNGRC kosa no mpandrindra nasionaly. Raha ny lojika anefa ny ministry ny fahasalamam-bahoaka no tokony ho mpandrindra nasionaly. Na ihany koa natao filoha-mpitantana ihany koa ny CCO COVID-19. Adino tanteraka ny teknika”, ny depiote Ramboasalama Emilien lany teo anivon` ny boriborintany fahaefatra. Fahadisoana manaraka dia ny tsy tafidiran` ny solombavambahoaka ao amin` ity ady amin`ny coronavirus ity. “Ahoana no hahafahanay manara-maso ny asan` ny mpanatanteraka raha tsy ao anatiny izahay? Tsy tiana ho hita ve ny vilany? Na amin` ireo fanampiana ireo aza dia mila mangarahara kanefa izahay depiote mijanona ho mpanentana fotsiny.” Notsipihany ihany koa fa mifangaro voraka ny fanapahan-kevitra raisin` ny fitondrana satria tsy voafaritra intsony ny mahamaika sy ny ahamehana. Tsisy resaka ny fitiliana faobe, tsisy paikady mazava fa ny fitaovana no mahamaika. Ny olona tsy natao hihiboka mandritra ny fotoana maharitra kanefa voatery hiandry kabary isaky ny 15 andro izany ny vahoaka, hoy hatrany izy. Namafisiny fa tokony hifantoka any amin'ny famaritana ny laharam-pahamehana amin'ny fanarenana ny toekarena sy ny fiainan'ny mponina ny mpitondra. Mitaky mangarahara ihany koa amin` ny fitsinjarana ny fanampiana eny anivon` ireo boriborin-tany, i Ramboasalama Emilien, ka tsy tokony asiana zanak`Ikala hafa. Mahakasika ny zava-misy any Toamasina, mifanipy baolina izy mianakavy izao (ATT, mpitandro filaminana, ministeran` ny fahasalamana, ministeran` ny atitany ary ny BNGRC) noho ny tsy fisian` ny rafitra mazava sy ny andraikitra mifanandrify ka mahatonga ny avy any Toamasina tonga any Antsirabe, Antananarivo, Vangaindrano… Ny governemanta moa dia manao kajy am-pitoerana fotsiny, hoy hatrany ny fanazavany.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana