Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

 

alarobia teo. Miisa 390 ny fitiliana natao ny talata 19 mey ka 45 ny olona voa, 42 no tany Toamasina, ary 3 teto Antananarivo. Miisa 34 kosa ny olona voamarina fa voa tao anatin’ny fitiliana natao ny 20 mey, araka ny tatitry Pr Vololontiana Hanta omaly. Fitiliana 139 nahitana tranga vaovao 27 no hitan’ny IPM ka ny 17 teto Antananarivo, ary 10 tao Moramanga. Tamin’ny fitiliana 25 tany Toamasina, dia 7 no voa, ka miisa 34 izany ny fitambaran’ny voa hitan’ny fitiliana natao ny alarobia teo. Tao anatin’ny roa andro izany, dia nahitana tranga vaovao 20 teto Antananarivo, 10 Moramanga, 49 Toamasina. Hatreto, dia 131 ny sitrana, 2 ny maty, ary 272 ny mbola manaraka fitsaboana, raha ny tatitra ofisialy. Misy olona iray ahiana ny toe-pahasalamany na ao anatin’ilay hoe “forme grave” any Toamasina. Tsy nisy kosa ny fandisoana na fanamarinana mahakasika ilay trangan-javatra tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, nisiana lehilahy iray namoy ny ainy izay voalaza fa voan’ny “fièvre typhoide”, kanefa voalaza fa nahiana ho voan’ny covid-19, ka notiliana ary “positif” ny valiny. Teo ihany koa ilay fahafatesana raim-pianankaviana 70 taona tany Fianarantsoa, izay rain'ilay olona "cas positif" voalohany tany Fianarantsoa. Miakatra hatrany ny isa, ary hita ho tsy voafehy ity valanaretina ity. Mety mbola lavitra vao ho tonga amin’ilay tomban’ny isa ambony indrindra mety ho voa na ny “Pic épidemiologique” isika, ary ahiana tsy haharaka ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tànana ny marary. Tia mangatsiaka sy mandomando ny covid-19. Maharitra kokoa izy raha sanatria mivoaka amin’ny vatan’olombelona amin’ny alalan’ny kohaka ka mipetraka zavatra mety ho voakasiky ny olona, ka ilaina ny mitandrina mafy amin’izao vanim-potoana mangatsiaka izao, hoy ny Pr Vololontiana Hanta.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana