Dans la mme rubrique

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

26/10/2020

Maty ilay dokotera nanolo-tena nanaovana andrana amin'ny vaksiny covid-19 tany Brésil.

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

Hamaky ny tohiny...

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

26/10/2020

Efa betsaka ireo olona tsy manao arotava intsony eto amintsika. Anisan’izany ireo mandehandeha eny amin’ny arabe. Ireo tsy maintsy mandeha fiara fitateram-bahoaka sisa no manao izany noho ny fiheveran’ny sasany fa efa foana tanteraka ny areti-mandoza Covid 19.

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

26/10/2020

Nambaran’ny tatitra ofisialy ny sabotsy lasa teo fa nisy tranga vaovao 158 tamin’ny fitiliana miisa 2252, notanterahana ny 17 ka hatramin’ny 23 oktobra.Nisy marary 06 namoy ny ainy, raha toa ka 86 ireo sitrana.

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

 

 Ny natao tany an-toerana kosa tranga 17 tamin’ny fitiliana 40 no hita. Ny CICM kosa nanao fitiliana vaovao 125 ka olona 6 no “pisitifs”, izay ny 5 teto an-dRenivohitra, ary 1 tany Tanambao V Toamasina. Ho an’ireo 5 teto Antananarivo, dia 4 teny Anjanahary, ary 1 teny Manjakaray. Nisy 4 vaovao sitrana teny amin’ny Hopitaly Befelatanana, ka 135 ny fitambarany hatreto. Miisa 2 hatrany ny trangana fahafatesana ofisialy ny nohamarinin’ny fanjakna, ary 311 kosa ireo mbola tsaboina. Misy marary 2 tena ahiana mafy ny ainy na “formes graves” any Toamasina, izay arahin’ny mpitsabo maso akaiky. Mihazakazaka hatrany ny isan’ny olona voan’ny covid-19 eto Madagasikara, izay misy tranga manodidina ny 40 isan’andro taterina. Tena tsy voafehy ny fipariahan’ity valanaretina ity eto Madagasikara. Tsy ho ela dia mety ho feno ilay fandriana 497 nambara fa efa vonona handraisana marary, ary ahiana tsy ho araka ny fitsaboana eo anatrehan’ny fiakaran’ny isa. Mitaintaina andro aman’alina ny mpiasan’ny fahasalamana, toy ny ao Toamasina. Na efa ambara fa manana ny fanafody mahasitrana aza isika, dia vitsy ny sitrana isan’andro mitaha amin’ny olona voa. Ny atsy amin’ny Nosy Maorisy, izao efa 25 andro tsy nisy tranga vavao. 332 ny narary, ka ny 10 no maty, sitrana avokoa ny 322 ambiny. Mahatratra 98 074 ny olona natao fitiliana, ka 2 409 ny tao anatin’ny 24ora. Aiza ho aiza amin’izany I Madagasikara? Marina fa manana fanafody CVO isika, saingy afaka maka traikefa amin’ireny hoe inona ny fitsaboana na fombafomba natao nahasitrana tao anatin’ny fotoana fohy ireo marary mitovitovy isa amin’ny antsika ankehitriny?

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana