Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

 

 

 

Tao Toamasina tsy 2 izany ny matin’ny coronavirus, lainga izany, , hoy ny depioten’i Toamasina I Atoa Roland Ratsiraka omaly nandritra ny fihaonan’ny governemanta sy ny solombambahoaka. Niantefa manokana tamin’ny Minisitry ny serasera naneho: ny tsimokaretina avy aty Antananarivo no tonga tany aminay fa tsy ny avy any aminay no nankaty, ka ahitsio ny seraseranao, hoy i Roland Ratsiraka. Ny fahavalo dia ny coronavirus, ka teneno ihany koa ny marina. Rehefa misy valanaretina dia tsy mahazo mamory vahoaka saingy ianareo mpitondra fanjakana indray no mamporisika ny vahoaka hivory, ka lojika raha miparitaka ny aretina. Mizara zavatra isan’andro, mamory olona an’arivony isan’andro,… Tsy mety io fa ataovy amin’ny fomba hafa, hoy izy. Olana nisy ny fitiliana halefa Antananarivo tsy misy fiara, tsy misy solika,... 72 ora ihany anefa no manan-kery ny singa hatao fitiliana. Nilaza tamin’ny Minisitry ny Atitany mba handefasana fiara satria maro be no nigangongo teto, saingy tsy nahazo, ary ny Filoha tonga tany omaly vao nanome 20, hoy izy. Ara-toekarena, dia tsy hita mihitsy ny vahaolana. Tsy fantatra hoe ho aiza isika, rahoaviana no hitsahatra ny fihibohana. Manomboka amin’ny alatsinainy havereno miasa ny olona, fa raha tsy izay no dia hotsarain’ny tantara eto, hoy ity depiote ity.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana