Dans la mme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

10/07/2020

Tsy tokony horaisina an-jambany fotsiny ny zavatra miseho iraisam-pirenena fa mila tetikady ary tsy ampiharina ara-bakiteny,

 

hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Hary Naivo Rasamoelina Filohan’ny Antoko DHD Madagasikara eo anatrehan’ny fomba fiasa vaovao hoenti-milaza ny olona iray voan’ny covid-19 fa sitrana. Gaga ny olona hoe tampoka teo dia an-jatony marobe ny sitrana, kanefa rehefa tena nodinihina dia tsy nisy fitiliana natao dia sitrana, hoy izy. Taloha anefa nisy fitiliana natao tsy nety sitrana mihitsy. Hatraiza no hanaporofoana fa sitrana marina ireny? Ny Profesora ao amin’ny CCO dia miteny foana nialohan’izao, fa ireo voalaza fa sitrana dia mila mitandrina satria mety hamindra raha ohatra ka miverina tampoka io, ka hatraiza no hatokisana fa ny olona natao fitiliana dia voalaza fa sitrana ary tsy hiverina intsony ny aretina? Hoy ity mpanao politika ity. Be dia be ny olona natao fitiliana sy fanamarinana fitiliana (contre-test) no miiba sy miabo mifamadibadika eo, kanefa izao lazaina ambongadiny fa sitrana. Navela nandeha teto ny hoe tsy lasa io OMS io, mpangorin-karena io, tsy ekena,… tamin’ny resaka CVO. Mila manana foto-kevitra mazava, fa tsy hoe rehefa metimety sy ahitana tombotsoa ny ambaran’ny OMS dia iarahana, fa rehefa tsy mety, dia henjehina, raha ny fanehoan-kevitr’Atoa Hary Naivo Rasamoelina tamina fampahalalam-baovao iray.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana