Dans la même rubrique

TVM Mizaka ny tsy fitiavan’ny olona ny FAT

28/05/2013

Isaky ny mitatra ny tetezamita sy miovaova hevitra i Andry Rajoelina dia miha mihena hatrany koa ny fitiavan’ny olom-pirenena azy.

 Lire la suite...

Antsirabe Renivohitra Rakotry ny valala indray

27/05/2013

Raha ny reny no nankalaza ny fetiny ny andron’ny alahady 26 mey dia ny ankizy madinika indray no nifalihavanja tamin’ny andiam-balala omaly tontolo andro. Rakotry ny andiam-balala indray mantsy ny tanànan’Antsirabe nanomboka tamin’ny 11 ora antoandro ary tsy niala mihitsy raha tsy tamin’ny tamin’ny 05 ora hariva.

 Lire la suite...

Nono “Toy ny vao omaly ny fahiny”

27/05/2013

Vaky vava teny an-tsehatra omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina, i Nono raha nahita sy naheno ny fanarahan’ny mpijery tonga maro nanaraka ny hirany fa toy ny vao omaly ny fahiny.

 Lire la suite...

Monima Haka ny ministeran’ny fanatanjahatena indray anio

24/05/2013

Tsy manaiky hatramin’ny farany ny Monima. Raha nandamoka ny fikasany hanatanteraka ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny angovo noho ny tsy maha eto an-toerana ny minisitra Manoriky Sylvain ny alarobia 22 mey teo dia hiverina hanandrana haka ny ministeran’ny fanatanjahatena indray ry zareo anio araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpikambana iray amin’ity antoko tarihan’i Monja Roindefo ity.

 Lire la suite...

Ady amin’ny valala Tsy voatery handaniana volabe

23/05/2013

Tsy mahalany 4 tapitrisa dolara akory isika dia tokony hahafehy tanteraka ny valala fa tsy ilana 20 tapitrisa dolara izany.

 Lire la suite...

FIM Be fanantenana ny mpandraharaha Renioney

23/05/2013

Mafy ho an’ny sehatra tsy miankina eto amintsika ny miaina krizy lavareny nefa afaka mihoatra hatrany ny orinasa ary mety afaka mampitombo ny ambaindainy aza rehefa misy fikirizana.

 Lire la suite...

Famingavingana sy fihantsiana vahiny Iza no hosamborina ?

23/05/2013

Ny haino aman-jerin’ny filohan’ny tetezamita no tena nanao ny dokambarotra niantsoana ny olona ho avy teny amin’ilay fihetsiketsehana teny Ankorondrano omaly.

 Lire la suite...

Actualités

Fanabeazana fototra Tsy mandia fianarana ny ampahefatry ny zaza Malagasy

16/03/2012

Misy fiantraikany goavana amin’ny sehatry ny fanabeazana ny krizy politika nanomboka tamin’ny taona 2009.

 Mena avokoa mantsy ny tarehimarika rehetra araka ny fanadihadiana notontosain’ny Unicef. Raha nahatratra 83,3% ny taham-pidirana an-tsekoly eny anivon’ny fanabeazana fototra tamin’ny taona 2005 dia tafidina 73,4% izany tamin’ny 2010, izany hoe nisy fihenany 10% be izao tao anatin’ny 5 taona monja. Tsy vitan’izany fa ny 44,5%-n’ny ankizy ihany no mahavita hatramin’ny farany ny fianarana ambaratonga voalohany. Mahatratra fito hetsy mahery koa ireo zaza Malagasy mitsoaka andaharana hatreo amin’ny kilasy faha-8 (classe de 8ème) no ho midina raha vinain’ny Unicef ho iray tapitrisa eo ho eo kosa ny ankizy tsy mandia fianarana, izany hoe manodidina ny ampahefatry ny zaza Malagasy izany. Ny vokatry ny fanadihadiana momba ny tokantrano teo anelanelan’ny taona 2005 ka hatramin’ny 2010 no fototra niaingana tamin’ny fanatontosana ity fanadihadian’ny Unicef ity. Ireo zaza kamboty, ireo miasa sahady, ireo monina lavitry ny sekoly ary ireo zaza manana fahasembanana no maro amin’ny tsy mahita fianarana. Ny fahasahiranana ara-bolan’ny ray aman-dreny, ny tsy fanomezan’ny sasany lanja ny fanabeazana mihoatra ny asa no anisan’ny antony mahatonga azy. Misy koa anefa ny antony hafa toy ny tsy fahampian’ny sekoly sy ny mpampianatra, ny fahavitsian’ny tolotra ara-panabeazana indrindra any ambanivohitra ary ny halaviran-tany. Tsy mahagaga koa raha eny anivon’ny sekolim-panjakana lavitra ny tanàn-dehibe na amin’ireo tanàna anjakan’ny dahalo no tena ahitana ny taha ambony amin’ny fitsoahana an-daharana.
Yves

 <<Retour

 

Copyright 2009 Tia Tanindrazana