Dans la même rubrique

Fifidianana filoham-pirenena Hihemotra amin’ny 23 aogositra ?

30/05/2013

Mitodika eny Alarobia misy ny foiben’ny Vaomieram-pirenena manokana misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na ny CENI-T ny mason’ny mpanara-baovao manomboka anio.

 Lire la suite...

Lalao Ravalomanana Nanao fanambarana fa …

29/05/2013

Tsy afaka ny hangina manoloana ny zava-misy Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy, koa dia namoaka fanambarana ofisialy omaly.

 Lire la suite...

Lalao Ravalomanana Hailika «par silence» ?

28/05/2013

Miandry izay didy havoakan’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES) ny rehetra taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana omaly, nofaritany mba hametrahan’ireo kandida voatondron’ny lalàna hametra-pialana amin’ny asany.

 Lire la suite...

CES Ambohidahy Mamofompofona zavatra hafahafa

27/05/2013

Mitodika eny Ambohidahy ny mason’ny mpanara-baovao maro amin’ity anio ity. Hifarana anio amin’ny 4 ora hariva mantsy ny fara-fandraisana eo anivon’ny firaketan-tsoratry ny CES ny fametraham-pialan’ireo kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay 2013, izay didin’ny lalàna ny hametrahany fialana amin’ny asany.

 Lire la suite...

Ankolafy Ravalomanana “Ara-dalàna i Neny”

24/05/2013

Niantso ny Vondrona Afrikana sy ny SADC mba hanitsy ny zavatra nambarany ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny alalan’ny taratasy ofisialy nalefa any amin’ny filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana ao amin’ny Vondrona Afrikana sy ny filohan’ny Troika-n’ny SADC. Ny 21 mey teo no nandefasan’Atoa Mamy Rakotoarivelo filohan’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana izany taratasy izany.

 Lire la suite...

Maevatanana - Mahajanga Mafana ny fandraisana an’i Neny

23/05/2013

Mitsidika ny any amin'ny faritra Boeny indray Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy nanomboka omaly alarobia.

 Lire la suite...

Dr Péri–Jly Rabotoarison-Jly Rakotoarimasy Voairaka !

22/05/2013

Mampiantso ireo kandida telo iangavian’ny sehatra iraisam-pirenena hisintaka, dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka miampy an-dry zareo CENIT mba hiaraka hidinika ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (FFM) sy ny Komity manara-maso ny fampiharana ny tondrozotra (CSC) ary ny foloalindahy.

 Lire la suite...

Politique

Mpisoloky gaigilahy Tra-tehaka teny Ankatso i Prince

26/04/2012

Ela nitoratorahana i Prince ka nahavoa mason’angatra. Tra-tehaka teny Ankatso I ity tovolahy tokony ho 30 tao teo ity omaly antoandro.

 Malaza amin’ny fisolokiana ranamana. Maro mihitsy ny efa nitondra faisana taminy, indrindra ny tovovavy mpianatra. Tsy mifidy asiana anefa izy. Lasibatra hatramin’ny mpivarotra sy ny mpanasa lamba ihany koa. Herinandro vitsivitsy izay no efa nahitana azy mivezivezy tsy tapaka teny an-toerana. Tsara vintana anefa ny tovolahy. Tsy niharan’ny fanao mahazatran’ny mpianatra rehefa mahatratra olon-dratsy toy ireny izy. Tsy afa-bela tamin’ny tefa-tsofina sy ny totohondry madinidinika anefa izy mandra-pahatongan’ny zandary sy ny polisy. Manginy fotsiny ny teny mandratra sofina isan-karazany. Itsofotsofohan’ity tovolahy ity ny trano rehetra izay hitany. Tsara resaka izy ary tsy misy mihitsy fomba hamantarana ny tena toetrany.

Tsy misalasala izy fa ampiasainy avy hatrany ny ranomanitra hitany mipetraka eny ambony latabatra. Milaza izy fa mpianatra taona faha-5 amin’ny lalàna. Milaza ihany koa anefa izy fa taona faha-5 amin’ny fitantanana. Ary dia tsy menatra izy miteny fa steward no asany… Tovolahy bikana sy manana ny maha izy azy izy raha ny fahitana azy ety ivelany. Madio sy mihaja tsara ny lamba eny an-kodiny. Maro ny tovovavy mpianatra no revo amin’ny fahitana azy, koa dia voafandrika mora foana. Ny hafa ahazoany vola Ar 20.000, ny sasany lasany ny fitaovana. Misy aza no voaroakan’ny olon-tiany mihitsy satria voafitaka ka lasa niara-nandry tamin’ity tovolahy ity.

Nandrebireby :

Nandeha be ny resaka omaly fa mety manao ody gasy ranamana matoa izy nahavita nandrebireby olona maro. Izy rahateo naneho fahatoniana hatramin’ny farany nandritra ny fotoana nitazonan’ny mpianatra azy. Nilaza izy fa ho avy ny nenitoany hifampiraharaha amin’ireto mpianatra, izay efa nanomboka niaka-pofona. Mety ho mbola karazana fandrebirebena ihany angamba izany. Metisy Karana aho, hoy i Prince. Avy any Antsiranana ny rainy ary avy any Tolagnaro ny reniny, araka ny filazany ihany. Misy indray anefa manizingizina fa avy any Ampanihy Andrefana ny tovolahy.

Tsy nahitana kara-panondro kosa teny aminy tamin’ny fotoana nakan’ny mpitandro ny filaminana azy teny Ankatso I. Zandary 3 lahy avy etsy Betongolo no tonga mialoha. Nitsipaka marindrano ny hitondrana ity tovolahy ity avy hatrany ireo olona efa voasolokiny. «Teneno aloha izy hamerina ny volanay… vao entinareo any izy». Nihemotra ireto zandary rehefa izany. «Raisonareo àry ny andraikitra fa tsy afaka ny hitondra azy izahay”. Nigadona teny an-toerana fotoana fohy taorian’izay ny polisy avy amin’ny hery vonjy taitra. Nentin’izy ireo avy hatrany ranamana. «Tsy maintsy entina izy. Manaraha ahy ianareo izay hametraka fitoriana na 100 na 1.000 ny isanareo”, hoy ny polisy nandray azy. Tsy nisalasala fa niakatra ny fiaran’ny polisy ny mpianatra izay omby ny toerana. Ny ahiahin’izy ireo dia matetika no votsotra hatrany ny olona tra-tehaka toy ireny. Ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa no fantatra fa nitondrana ilay tovolahy.

Mitetiky ny ho fantsy noho ny mpianatry ny anjerimanontolo angamba i Prince ka adinony ilay oha-pitenenana mahazatra iray milaza hoe : «Aza mifamitaka samy malama toa boka manjono».

Nangonin’i Jean D.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Tia Tanindrazana