Dans la m麥e rubrique

R騅. Satrobory Ho kandida Ben地y tan瀟an但ntananarivo

30/05/2013

 Lire la suite...

Andriamampianina ォNy FFKM sisa no mety ho vahaolanaサ

30/05/2013

Very hevitra ny Malagasy sy ny tantsaha amin段zao fivoaran地y toe-draharaham-pirenana izao noho ny afitsoky ny mpanao politika, hoy Andriamampianina raha tafaresaka tamin地y gazety ny tenany.

 Lire la suite...

Beriziky Jean Omer Tsy mahafeno ny fepetra maha praiminisitra iraisana intsony

30/05/2013

Nandrandraina hitondra fitoniana sy filaminana ny fananana praiminisitry ny marimaritra iraisana avy amin地y mpanohitra tamin地y alalan段 Beriziky Omer.

 Lire la suite...

CT Didier Radert ォFitondrana jiolahimboto no etoサ

30/05/2013

Nahaliana ny maro ny fivoaran地y raharaham-pirenena tato anatin地y 24 ora farany ka nahabe resaka tao an-kianjan地y Magro Antsirabe ny alarobia 29 mey teo.

 Lire la suite...

Fampihavanana sy fandaminana Inona no antoka omen地y FFM ?

30/05/2013

Hihemotra ihany ve sa tsy hihemotra ny fifidianana, ary raha mihemotra dia rahoviana ny daty manaraka ?

 Lire la suite...

Donak'afo : Savorovoro tsy mety vita

30/05/2013

Tsy misy zavatra milamina eto amintsika. Miha sarotra hatrany ny hahatanteraka ilay fifidianana amin地y 24 jolay. Manomboka indray ny fivoriana etsy sy eroa hikononkononana zavatra hafahafa.

 Lire la suite...

Gadra politika Mbola misy 24 tavela any am-ponja

30/05/2013

Fifidianana izao ny resaka nefa mbola maro ireo gadra politika any am-ponja. Misy 24 ireo sivily sy miaramila voatazona any am-pigadrana ankehitriny noho ny raharaha 7 febroary 2009, FIGN 2010, BANI 2010, araka ny tarehimarika nomen地y fianakaviana.

 Lire la suite...

Actualit駸

Famahana ny olan地y mpampianatra ォTsy azo atao tefy mantaサ, hoy Randriamanana Jean de Dieu

08/05/2012

Miihenjan-droa ny tady eo amin地y resaka olan地y mpampianatra ankehitriny.

 Eo am-pandinihana izany mihitsy izahay ao amin’ny vaomieran’ny fanabezam-pirenena ety amin’ny Kongresin’ny tetezamita amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’izany vaomiera izany, ny CT Randriamanana Jean de Dieu. Efa nihaona tamin-dry zareo SEMPAMA izahay, tapa-bolana lasa izay nilaza tamin-dry zareo fa mitombina ny fangatahanareo fa ilay fotoana hamahana ny olana dia tsy maintsy misy dinika an-databatra boribory fa tsy azo atao tefy manta. Androany alatsinainy 7 mey (omaly) izahay dia avy nandray ny sendikan’ny mpampianatra «certifié» ary samy niara-niaiky fa ilaina izay fihaonana an-databatra boribory izay.

Ny vahaolana aloha, hoy Randriamanana Jean de Dieu, dia azo antoka fa tsy maintsy misy foana saingy tsy azo atao tefy manta na kimaimaika fa mila mifandinika ny vondrona rehetra mandray anjara eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny eo amin’ny fitondram-panjakana. Aminay aloha dia tsy mety ny faneriterena na amin’ny inona na amin’ny inona ary tsy mety ny fanerena hitady vahaolana haingana dia haingana. Ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, efa nahaloa sy nahavita ny adidiny an-tsakany sy an-davany izay mihevitra fa tokony handeha amin’ny tokony ho izy ny fampianarana. Etsy ankilan’izany ny mpanabe izay mahatsapa koa fa efa nilaozan’ny toetrandro ny tambin-karamany ary tsy ry zareo irery no iharan’izay tsy fahampian-karama izay fa ny mpiasam-panjakana maro mihitsy ka vahaolana maharitra no ilaina. Tokony hivory haingana ireo mpandray anjara eo amin’ny sehatry fanabeazana mba hitady vahaolana aloha hiverenan’ny mpianatra an-dakilasy fa efa akaiky ny fanadinana.

Manohy

 <<Retour

 

Copyright 2009 Tia Tanindrazana