Actualit駸
Jeneraly misotro ronono Hanao fanambarana anio
23/05/2012
Taorian段reo manamboninahitra kolonely mivondrona ao amin地y ォCordination Nationale des Officiersサ dia fantatra izao fa hanao fanambarana ihany koa amin段ty anio ity ireo jeneraly misotro ronono, mitondra ny anarana hoe ォGroupe d但nkeranaサ.
Eny Ambohibao, ao amin’ny trano fonenan’ny jeneraly Désiré Rakotoarijaona no voatondro fa hanaovana izany fanambarana izany. Tsy mbola fantatra mazava ny votoatiny, saingy inoana fa tsy hivaona amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsy mbola fantatra mazava ihany koa ny anaran’ireto jeneraly misotro ronono ireto, ankoatry ny jeneraly Désiré Rakotoarijaona, izay efa tsikaritra hatramin’izay tamin’ny fanehoan-keviny fa tsy dia mankasitraka firy ny fomba nitantanan’i Andry Rajoelina ny tetezamita. Inona no mety ho tohin’izao fanambarana misesisesy ataon’ny manamboninahitra am-perinasa sy misotro ronono izao ? Mba misy mihaino ihany ve izy ireo sa dia manao antso an-tany efitra fotsiny ? Mahaliana ny maro koa ny hoe : mety ho samborina ve ireo miaramila manao fanambarana ireo, ary inona koa ny hetsika mety hataon’izy ireo raha toa ka tena manao be marenina ny fitondrana tetezamita ?
RTT
