Dans la m麥e rubrique

Ady amin地y valala Tsy voatery handaniana volabe

23/05/2013

Tsy mahalany 4 tapitrisa dolara akory isika dia tokony hahafehy tanteraka ny valala fa tsy ilana 20 tapitrisa dolara izany.

 Lire la suite...

Fihaonan地y Carlton Sineman-dRajoelina

23/05/2013

Mbola hisy fihaonana hafa indray karakarain地y FFM sy ny CSC ary ny foloalindahy anio. I Andry Rajoelina irery mantsy no tonga teny amin地y hotely Carlton omaly tolakandro ka tsy nisy ny fanapahan-kevitra tapaka.

 Lire la suite...

Albain Rabemananjara Ny FFKM no fara-fanantenana

23/05/2013

Potika ny firenena. Miaiky izany ny rehetra. Kely ny finoana ny hahatafavoaka amin段zao krizy izao manoloana ny safotofoto sy ny fitiavan-tsezan地y mpanao politika sasany izao.

 Lire la suite...

Dolin Rasolosoa Namikitra seza koa

23/05/2013

Diso fanantenana ireo nitetika ny handray mora ny toeran段 Dolin Rasolosoa ao amin地y Filankevitra ambonin地y tetezamita na CST.

 Lire la suite...

Donak'afo : Mampihorohoro, manakorontana

23/05/2013

ォFilaminana sy fihavanana, antoky ny fahombiazanaサ, izay indray no teny filamatra hankalazana ny asaramanitry ny 26 jona, nolanian地y filankevitry ny governemanta omaly teny Mahazoarivo.

 Lire la suite...

FIM Be fanantenana ny mpandraharaha Renioney

23/05/2013

Mafy ho an地y sehatra tsy miankina eto amintsika ny miaina krizy lavareny nefa afaka mihoatra hatrany ny orinasa ary mety afaka mampitombo ny ambaindainy aza rehefa misy fikirizana.

 Lire la suite...

Famingavingana sy fihantsiana vahiny Iza no hosamborina ?

23/05/2013

Ny haino aman-jerin地y filohan地y tetezamita no tena nanao ny dokambarotra niantsoana ny olona ho avy teny amin段lay fihetsiketsehana teny Ankorondrano omaly.

 Lire la suite...

Actualit駸

Tsy Aritra Tena malalaka hono

24/05/2012

Mba nanaitra ihany ny fanambarana nataon地y filohan地y tetezamita ny amin地y hoe : tsy mbola nalalaka tahaka ny amin段zao fitondrana tetezamita izao mihitsy ny fanehoan-kevitra hatramin段zay.

 Asa hoe fanehoan-kevitra inona no tiany hambara amin’izany. Tsy fantatra koa na efa be fanadinoana ingahy Rajoelina na mody fanina tsotra izao, fa vao tamin’ny 2009 anie izy no nitarika olona hidina an-dalambe, teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey sy teny Ambohijatovo e, fa tsy nisy Emmo-Reg nanakana azy ireo tamin’izany fa dia tafiditra soamantsara tao izy ireo. Nitarika vahoaka ny tenany hizotra teny Anosy teny amin’ny RNM sy TVM, mbola nanatitra ny vahoaka teny Ampasika ka nitso-drano azy ireo raha ho any amin’ny MBS izy ireo. Fa tsy mpitandro ny filaminana nanenjika sy nisambotra azy sy ireo mpiara-dia taminy tamin’izany fotoana izany. Ny filoha am-perinasa tamin’izany fotoana Atoa Marc Ravalomanana, izay olona voafidim-bahoaka, mihitsy moa no niteny fa izy mihitsy no tsy nampihetsika ny miaramila sy ny mpitandro ny filaminana mba hisorohana ny fifandonana sy ny ra latsaka. Ka mba mahagaga ihany ny hahasahian-dRajoelina milaza fa izao vao misy fahafahana, dia asa izany hoe inona no iantsoana, na hamaritana ireny olona naneho hevitra an-dalambe tamin’ny 2009 ireny. Raha ny fitadidian’ireo rehetra vavolombelona tamin’ny raharaham-pirenena sy ireo fihetsiketsehana tato anatin’ny 20 taona aza dia mahatsikaritra, fa nandritra izao tetezamita izao no tena nahery fihetsika ny mpitandro ny filaminana ary tena nanao izay tiany mihitsy.

Niaraha-nahita ny fisamborana miaraka amin’ny herisetra nataon’ny CNME, izay nivadika ho FIS taty aoriana; ny fidirana an-keriny tao amina trano fandraisam-bahiny sy tamina onjampeo tsy miankina teny 67Ha, ny fisamborana miaraka amin’ny hery, olona tsy meloka akory teny Itaosy, sy ireo tranga hafahafa maro be tsy ho voatanisa eto. Moa va tsy tena mampiorohoro ny olom-pirenena tsotra sy nanelingelina ny fahalalahany, ireny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana tato anatin’ny tetezamita ireny ? Tsy averina hotantaraina eto intsony ny daroka mahazo ireo rehetra mikasa ny hiditra eny amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, ka fahalalahana inona ary ity tian’Atoa Andry Rajoelina ambara ity e ?

RTT

 <<Retour

 

Copyright 2009 Tia Tanindrazana