Politique
Datim-pifidianana Tsy feno ny fepetra
30/05/2012
Tsy maintsy miandry indray izany aloha fa ...Gasy e ! Diso fanantenana ireo izay niandry ny hamoahan’ny CENIT, omaly, ny datim-pifidianana sy izay karazana fifidianana hakana ny hevitry ny olom-pirenena feno taona amin’ity taona ity.
Raha ny fizotry ny lanonana teny amin’ny foiben-toeran’ny CENIT teny Alarobia anefa dia nanomana ny saina fa hisy ny fanambarana goavana momba ny fifidianana satria vory lanona teny an-toerana ny lehiben’ny andrimpanjakana sasany toy ny praiminisitra, minisitra ary koa ny masoivoho vahiny maro (Afrika Atsimo, Japana, biraon’ny SADC…).
Raha ny nambaran’i Béatrice Atallah, filohany, dia tsy miankina amin’ny CENIT no antony tsy ahafahana mamoaka ny datim-pifidianana. Eo amin’ny lafiny ara-teknika dia tsy mbola mivoaka ny làlana momba ny fifidianana hatao satria mandalo fanindroany eny anivon’ny Parlemanta ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana filoham-pirenena sy ilay iray faharoa momba ny solombavambahoaka amin’izao fotoana. Ankoatra izay dia “tokony ho marimaritra iraisana iarahana amin’ireo mpandray anjara amin’ny tondrozotra no manapaka momba ny resa-pifidianana sy ny manodidina azy”, hoy hatrany i Béatrice Atallah.
Etsy andaniny dia olana koa ny lafiny enti-manana. Tsy ampy hamitana an-tsakany sy an-davany ireo karazana asa tafiditra amin’ny fanomanana ny fifidianana ny tetibolan’ity andrim-panjakana mikarakara ny fifidianana ity araka ny fanazavan-dramatoa filoha ihany. Anisan’ny asa goavana amin’izany ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ampiasana karne misy takelaka telo fa tsy takelaka iray toy ny mahazatra. Karne miisa 47.000 moa no hatonta. Eo koa ny fisafidianana ireo “agents éléctoraux” na mpiadidy fifidianana miisa 20.000. Amin’ny herinandro voalohan’ny volana novambra no tontosa ireo asa rehetra tafiditra ao anatin’ny dingana voalohany amin’ny fanomanana ny fifidianana raha ny vinan’ny CENIT. “Raha feno ireo fepetra ireo dia vonona isika eo amin’ny lafiny ara-teknika amin’ny 11 novambra ka afaka manambara ny daty amin’izay. Raha misy anefa fahatarana na fanemorana ny fahazoana ny vola na fitaovana dia misy fiantraikany amin’ny tetiandro efa novinaina izay”, araka ny nambaran’i Béatrice Atallah ihany. Milaza ny hanao tatitra isa-tapabolana momba ny fizotry ny asa na koa ny mety tsy fandehanany moa ity Vaomiera ity ka hiaraha-mahita eo ny tohiny. Ny praiminisitra Beriziky Jean Omer kosa dia nampanantena ny hanome toromarika amin’ireo minisitra tomponandraikitra hanafaingana ny fanomezana ireo enti-manana ilain’ny CENIT sy hifampiresaka ihany koa amin’ireo mpamatsy vola. Mandrapaha dia mitatra eo ihany izany aloha ny tetezamita.
Yves
