Dans la m麥e rubrique

Mampidi-bingo !

05/12/2016

Arahabaina aloha fa nahomby ny dia naleha ry Jean a ! Mitohy indray ny fampiesonana.

Mampidi-bingo !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin段 Jean Miditra amin地y tsy tokony hidirana

03/12/2016

Manakory Jean a ! Elaela tsy hita ianao a ! Nahagaga fa dia nipoitra indray omaly. Dia tsy mba mahay miteny mihitsy ve ianareo raha tsy hanakorontana e ?

Taratasin段 Jean Miditra amin地y tsy tokony hidirana

Hamaky ny tohiny...

Trosa lovain-taranaka !

02/12/2016

Tena miakatra ry Jean ny zava-drehetra a ! Miakatra ny vidin-tsolika, miakatra ny vidin地y PPN, miakatra an-tan瀟a ny dahalo, dia miakatra ihany koa ny rano eto an-drenivohitra. Miakatra avokoa izay te hiakatra e !

Trosa lovain-taranaka !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin段 Jean Hifanatrika

01/12/2016

Manakory ianao ry Jean malala ! Tsy hilamina intsony aloha raha ny fahitako anareo izao e ! Hifanatrika moa izany ianareo sy ny fivondronana anio ?

Taratasin段 Jean Hifanatrika

Hamaky ny tohiny...

Hisaona mialoha ny fotoana !

30/11/2016

Malahelo aho ry Jean a ! Te hitomany ! Te hisaona mialoha ny fotoana mihitsy ka mba ho lasan段zay ny zava-doza mety hitranga aoriana

Hisaona mialoha ny fotoana !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin段 Jean Veloma ry vahiny !

29/11/2016

Manakory e ! Tsy andrinareo mihitsy ry Jean izay nandaozan段reny havantsika ireny ny tan瀟a an ! Vao vita ilay fety makotrokotroka nandraisana an-dry zareo dia naverinareo nararaka niaraka tamin段reo oram-be omaly daholo indray ny kitoatoa rehetra.

Taratasin段 Jean Veloma ry vahiny !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin段 Jean Arahabaina e !

28/11/2016

Miarahaba anao aloha ry Jean tamin段zao dingana lehibe vitanao izao a !

Taratasin段 Jean Arahabaina e !

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin段 Jean Aoka re marina e !

02/01/2013

Arahabaina fa nahatratra ny taona ry Jean. Dia miarahaba anao mamaky izao taratasiko izao koa. Gaga aho raha nandre izato resakareo.

 Poakaty no azoko hamehezana azy. Fa angaha ireny no nampanantenainareo anay efa-taona lasa ? Moa tsy hoe vary, menaka, fiainana, mora kokoa fa tsy hoe fotodrafitrasa ? Iza no nifanaraka taminao tamin’izany ry Jean ? Hanorina hoy ianao fa tsy handrava. Fa iza no nandrava voalohany teto ? Janoary isika izao ka miverina ato an-tsaiko ny Alatsinainy Mainty, ny 26 janoary 2009. Iza koa no nandrodana sy nahatonga izao fikorontanana tsy hita noanoa eto amin’ny firenena izao ? Sao mba hadinonareo aza ry Jean ny tantara sa hodianareo fanina fa ianareo anie no niavian’ny fanafintohinana e ! Izao dia mora ery ny miteny hoe hanorina sa handrava, hihavana sa hiady, hihemotra sa hiroso ? Aoka marina e !

Ny Banky Iraisam-pirenena sy ireo mpanao fanadihadiana anie ry Jean ka efa niteny fa nihemotra isika tato anatin’ny telo taona ary am-polony taona maro vao hiverina eo amin’ny toerana nisy tamin’ny 2008 e ! Ka iza izany ry Jean no tompon’andraikitra tamin’ny fihemorana ? Ireny monja ve no lesoka hitanareo ? Ary nahoana ny be baoty no isaorana manokana kanefa raha ny zavatra hita sy niainana dia tsy nahavita ny andraikiny izy ireo sa antony manokana no isaorana azy ireo ? Nahoana ny mpanao rugby koa no nomena tombony manokana ? Nahoana koa ireo mpihira no nomena tombony manokana ? Fa aiza ny an’ireo mpanabe izay ifotoran’ny maha firenena ny firenena, ny an’ireo mpitsabo raha tsy hiteny afa-tsy ireo aho ? Ny tantsaha izany moa dia toy ny tsy misy aminareo. Rehefa nihaino ilay kabary aho ry Jean dia tsy misy votoatiny fa averiko hoe poakaty ka nandiso fanantenana.

Marco 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana