Dans la mme rubrique

Rajao sy Mahafaly Rava ny tsena

19/01/2018

Sanganehana ny mpanara-baovao omaly, noho ny tsy fahitana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier nandritra ny fitokanana ny tranon’ny minisiteran’ny Indostria teny Anosy omaly.

Rajao sy Mahafaly Rava ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Lalàna iatrehana ny fifidianana Mbola maloto daholo, hoy ny Teza

19/01/2018

Mbola manana herintaona ny fitondrana ankehitriny, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa, hidirana ao anatin’ny antsoina hoe “Cadre legal” amin’ny lafiny rehetra.

Lalàna iatrehana ny fifidianana Mbola maloto daholo, hoy ny Teza

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Tsy atokisan’ny filoha intsony…

19/01/2018

Misalasala tanteraka ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ny fandaminana ny politikany sy ny fiomanany amin’ny fifidianana.

Rivo Rakotovao Tsy atokisan’ny filoha intsony…

Hamaky ny tohiny...

Fanodinkodinana ny saim-bahoaka

19/01/2018

``Miala any e, miala any ry be ... Sinema``. Niteraka resabe teny anivon ny fiarahamonina ka anisan`ny tena nanamarika ny mpanara-baovao ilay resaka ``Kolikoly avo lenta`` nahavoarohirohy tompon`andraikitra ambony maro eo anivon`ny fitondrana mahakasika an`i Houcine Arfa,

Fanodinkodinana ny saim-bahoaka

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana sy Rajoelina Nihaona tany Frantsa ?

18/01/2018

Asa na fifanandrifian-javatra fa samy tany Fratsa ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ny herinandro lasa teo.

Ravalomanana sy Rajoelina Nihaona tany Frantsa ?

Hamaky ny tohiny...

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…

18/01/2018

Sanganehana ny rehetra nandre ny vaovao amin’ny hanemorana ny fanadinam-panjakana eto amintsika amin’ity taom-pianarana ity. Raha ny tetiandro napetraka tany am-boalohany dia toy izao :

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…

Hamaky ny tohiny...

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

18/01/2018

Mivoaka ny resaka kimaizimaizina momba ny dian’ny delegasionina Malagasy notarihin’ny filoham-pirenena tany Italie ny volana oktobra 2017.

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

Hamaky ny tohiny...


Politique

Razafitrimo Arisoa Lala Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara any amin’ny ONU

12/01/2018

Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny firenena mikambana (ONU) any New York – Etazonia araka ny didy navoakan’ny filankevitry ny minisitra omaly Ramatoa Razafitrimo Arisoa Lala.

Izy no minisitry ny raharaham-bahiny voalohany ho an’ny fitondrana Rajaonarimampianina (2014-2015) fantatry ny maro tamin’ilay fehezanteny hoe “ na hitomany eo aza ianareo dia tsy hiteny aho”. Izay no valin-teniny ny volana aogositra 2014 raha nanontanian’ny mpanao gazety ny heviny momba ilay fehin-kevitry ny SADC mahakasika ny fodian’ireo sesitany politika ny tenany. Nisaorana izy avy eo ary nosoloina an’i Atallah Béatrice. Tsikaritra anefa fa hita teo akaikin’ny filoham-pirenena izy nanomboka ny septambra 2017 ka anisan’ireo delegasionina niatrika ny fivoriambe faha-72 an’ny firenena mikambana tany New York ny septambra 2017. Fantatra fa anisan’ireo olona tena atokisan’i Hery Rajaonarimampianina Ramatoa  Razafitrimo Arisoa Lala. Fa voatendry ho talen’ny kabinetra sivilin’ny filoham-pirenena ihany koa Atoa Randrasana Eric Jean Noel hisolo toerana an-dRamatoa Razafindrakoto Herisoa. Mpikambana teo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Jirama Randrasana Eric, mpahay toekarena, olona novolavolain’ny oniversiten’Antananarivo ary anisan’ireo nanovo fianarana teo anivon’ny INSCAE tahaka ny ankamaroan’ireo teknisianina sy manampahefana ao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, mialoha izao nidirany ny lapa izao.


RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana