Dans la męme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Hampiesona any Imerintsiatosika indray ?

22/06/2017

Manaitra ny mponina ny fiomankomanana any Imerintsiatosika efa ho andro vitsivitsy izao.

Hery Rajaonarimampianina Hampiesona any Imerintsiatosika indray ?

Hamaky ny tohiny...

Faneva Raholdina Fieken-keloka sy Famelan-keloka vao fampihavanana

22/06/2017

Nandamoka ny fampihavanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina nokasaina hotanterahina,

Faneva Raholdina Fieken-keloka sy Famelan-keloka vao fampihavanana

Hamaky ny tohiny...

Antoko MFM Ny fokontany no mila ampiasana ny FDL

21/06/2017

Taorian’ny fanoloran’ny antoko MFM (Mitolona ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara) soso-kevitra ny amin’ny

Antoko MFM Ny fokontany no mila ampiasana ny FDL

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana mivady Miatrika fivoriana any Canada

21/06/2017

Niatrika ny fanokafana ny fivoriamben’ny Metropolis na ireo tanàn-dehibe manerana izao tontolo izao sy ny AIMF (Association Internationale de Maires Francophone)

Marc Ravalomanana mivady Miatrika fivoriana any Canada

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Mikaondoha any Toliara

21/06/2017

Ny tolakandron’ny alatsinainy 19 jona 2017 no efa tany Toliara ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta hanatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra andiany fahatelo tarihin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hatao anio alarobia 21 jona.

Governemanta Mikaondoha any Toliara

Hamaky ny tohiny...

Afera maizina sy kolikoly Potehan’ny HVM ny firenena

21/06/2017

Efa-bolana lasa izay, izany hoe ny 21 febroary 2017 no namoahana teto ny lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe :”Fitondran’ny HVM, fanjakan-jiolahy”.

Afera maizina sy kolikoly Potehan’ny HVM ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antenieram-pirenena Tsimbazaza Volavolan-dalĂ na 2 hahazoana misambo-bola no lany

21/06/2017

Solombavambahoakan’i Madagasikara niisa 37, omaly talata 20 jona, no nandany tsy nisy nitsipaka ireo volavolan-dalàna manome alalana ny

Antenieram-pirenena Tsimbazaza Volavolan-dalĂ na 2 hahazoana misambo-bola no lany

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Manetsika ny “Diaspora Malagasy” any Eoropa

20/03/2017

Naseho voalohany tany Copenhague-Danemark ny sabotsy 18 martsa teo ilay horonantsary « Return of a president.. »,

mitantara ny zava-nitranga rehetra, fivoriana maro samihafa sy ny fiainana iray manontolon’i Marc Ravalomanana ny taona 2009 ka hatramin'ny 2013. Ilay mpanatontosa sarimihetsika Lotte Mik-Meyer no namokatra ity horonantsarimihetsika manana endrika fanadihadiana ity izay hivoaka any amin’ireo trano fijerena horonantsary any Eoropa tahaka ny ao Danemark, Alemaina, Frantsa … Ary andrasana fatratra eto Madagasikara ihany koa. Tena nahaliana ireo rehetra nanatrika ny famoahana azy voalohany tany Copenhague izy ity ary azo antoka ihany koa fa tena mahaliana ny Malagasy satria, araka ny efa notaterina teto dia maro ny zava-mitranga mety tsy fantatry ny olom-pirenena kanefa hita ao anatin’io « Return of a President » io. Misimisy ihany mantsy ny serasera diso ary miendrika fanosoram-potaka sy fanaratsiana fotsiny ny filoha Ravalomanana teto nanomboka ny taona 2009 sy nandritra ny fitondrana tetezamita, misy noho izany ny fihevitra mety diso any an-dohan’ny tsirairay any. Izany indrindra no maha zava-dehibe ny rakitsary tahaka itony izay vavolombelon’ny tantara ary mirakitra ao anatin’ny tantaram-pirenena. Mbola hihaona amin’ireo Malagasy monina any Eoropa moa amin’ny sabotsy 25 martsa ho avy izao, ao Paris renivohitra Frantsay, i Marc Ravalomanana sy ramatoa vadiny mba hahafahana mifanakalo vaovao sy efa mifampizara hevitra avy hatrany ny amin’ny tokony hatao hanarenana ny firenena, Tohin’ilay famoahana horonantsary any Eoropa izao fihaonana izao ary ho fanairana sy fanetsehana ny Malagasy mila ravinahitra any ivelany mba hitondra ny anjara birikin’izy ireo amin’ny fanarenana ny Firenena. Kandida filoha amin’ny 2018 i Marc Ravalomanana ary efa miomana fatratra ny amin’izany.


RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana