Dans la męme rubrique

Tofoka sy leo

19/09/2017

Miarahaba ry jean a.Manakory ny namana rehetra any e, ianareo aloha dia tsy taramihitsy raha vao hiondrana any ivelany.

Tofoka sy leo

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Milay iny e !

18/09/2017

Miarahaba anao aho ry Jean fa dingana lehibe no vitanao a ! Sambany kosa aloha mba nisy ohatran’iny teto amin’ny fanjakana sy ny tany e !

Taratasin’i Jean Milay iny e !

Hamaky ny tohiny...

Mandondom-baravarana

14/09/2017

Manao ahoana ianareo ry Jean fa izahay aty mandry tsy lavo loha andro aman’alina. Mifandimby te handripaka anay na ny jiolahy sy ny dahalo na ny aretin-doza sy fahafatesana efa mandom-baravarana.

Mandondom-baravarana

Hamaky ny tohiny...

Mailo ihany

13/09/2017

Miarahaba Jean a ! Tena tsara aloha ilay finiavana hanarina ny fandriampahalemana eto an-tanĂ na ary tena maha te hidera e !

Mailo ihany

Hamaky ny tohiny...

Mbola mahita mangirana ve ?

11/09/2017

Manao ahoana ny fahasalamanao ry Jean a ? Raha ny tena ara-dalàna izao dia tokony hangoron’entana tsikelikely amin’izay ianareo fa efa kely sisa dia ho tonga ilay fotoana nandrasan’ny maro.

Mbola mahita mangirana ve ?

Hamaky ny tohiny...

Avela hankalaza ve ?

08/09/2017

Miarahaba Jean a ! Elaela tsy hita sy re mihitsy ianao an ! Ohatry ny nipiripirina daholo koa moa tato ho ato ireo lazaina ho mpitrifana.

Avela hankalaza ve ?

Hamaky ny tohiny...

Hamerim-bola ?

07/09/2017

Haingam-piasa mihitsy anie ianareo izany ry Jean namono afo taorian’ilay serabenareo nivoaka ho fanta-bahoaka iny e !

Hamerim-bola ?

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Sosoa voatapo-drano !

20/03/2017

Salama ve ry Jean a ? Dia tena sosoa voatapo-drano indray r’ise ny mpitia kitra teto an-tanŕna tamin’ny sabotsy teo an !


Samy nihevitra mantsy ny rehetra fa ho maivana toy ny nandrodanana ilay antidahy raibeny efa nibodo seza tao anatin’ny 30 taona ny hanapaka ny lalan’ireto zafikeliny saingy toa namaly faty ireny izy, ka dia tsy afa-nanohitra akory ireto mba nantenaina. Ny tena loza anie ry Jean dia iny ny lalao voalohany natrehin’ny ngeza amin’ny maha filoha faratampon’ny kitra aty Afrika azy e ! Sao dia mba efa tandindon’ny ho avy ireny ka vao mainka hilentika any amin’ny lavaka mangitsokitsoka hatrany ity taranja tsy mba mety tafarina hatry naha lohany an’iny olona iny an ! Toa mbola ho ela ihany izany hahita an-dRamalagasy hiteronterona any an-tampon’i Afrika izany amin’ity taranja ity fa Radedaka tompon’ny saina sy ny kajikajy ihany aloha izao no tonga any an-tampony any e ! Toa tsy ho reharehan’ny firenena ihany koa fa ho reharehan-dry manga kravaty mianakavy satria fahafaham-baraka no mety hobabena raha izao fizotry ny tantara aty am-piandohana izao no jerena. Enga anie ry Jean ka mba ho tombana ihany ny ahy ka tsy ho rambony intsony isika fa hisy amin’izay ny fahagagana sady talentanareo manga kravaty mihitsy no manao izany !

Marco diso fanantenana

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana