Fil d'actualités du 24/02/2018

  • 24/02/2018 - 13:30 : ANTSIRABE: Tonga nanao hetsika fitakiana mba hanokafana ny Orinasa AA-Tiko ny tantsaha sy vahoaka marobe androany, ka nisy hatramin'ny fanariana ronono betsaka. Tifitra baomba mandatsa-dranomaso no setriny.

  • 24/02/2018 - 12:30 : JONO MAKAMBA: Hisokatra ny 2 martsa izao ny taom-panjonoana makamba. Ho an'ny trondro tilapia kosa dia efa nanomboka andro vitsy ho an'ny mihoatra ny 7sm ary voarara kosa ny latsak'izay.

  • 24/02/2018 - 11:30 : KOLONTSAINA SY TANTARA: Mifarana anio 24 febroary ny fampahafantarana ny tantaran’ ny mpanjaka Ranavalona III eny amin’ny IKM Antsahavola.

  • 24/02/2018 - 10:30 : GAZETY VALISOA VAOVAO: Mankalaza ny faha-9 taona nisiany ity gazety ity anio.

  • 24/02/2018 - 09:30 : AFT ANDAVAMAMBA: Hisy ny seho lehibe hiarahana amin'ny mpanakanto Jaojaoby anio 24 febroary izao manomboka amin'ny 6ora hariva hoenti-mamarana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny AFT.

  • 23/02/2018 - 16:30 : AMBANIN’AMPAMARINANA :Ho an’ireo olona tsy maintsy nafindra toerana haingana dia efa misy tany natokana hamindrana azy ireo eny Ambohidratrimo izay omena maimaimpoana ary hosoratana amin’izy ireo.

  • 23/02/2018 - 16:00 : ANDRON’NY SEKOLY : Mifarana androany ny fankalazana izany ka nisy tamin’ireo sekoly tsy miankina no namarana izany tamin’ny fanaovana diabe sy ny fanatanjahan-tena.

  • 23/02/2018 - 15:30 : AMBATONDRAZAKA : Hiasa manomboka ny volana martsa izao ilay orinasa mpamokatra zezika izay napetraka tany noho ity faritra ity sompotr’i Madagasikara amin’ny vary.

  • 23/02/2018 - 15:00 : FANAMBOARAN-DALANA : Ny minisitry ny asa vaventy no hisahana ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo sy ny manodidina ka hisy ny fandaminana amin’ny fifamoivozana eto.

  • 23/02/2018 - 14:45 : SAMBAVA : Nidina hifotony tany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana hijery akaiky ny zava-misy momban ’ny fiakarany vidim-piainana mihompapana izay mampitaraina ny mponina any.

Voir plus d'infos...

23/02/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170106

Misongadina

Fifidianana Filohampirenena Misoko miadana ny nini

06/01/2017

Manomboka manao serasera sy fanehoan-kevitra aminny endriny maro samihafa nanomboka taminny fiandohanity taona ity ilay firehana efa nambara teto fa :

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lanonana eny Iavoloha Ho avy indray ny fampanantenana poakaty

06/01/2017

Matoam-baovao indray anio ny lanonam-panjakana fifampiarahabana ny taona vaovao 2017 eo aminireo andrim-panjakana Malagasy miaraka aminireo solontena masoivohonireo firenena vahny sy fikambanana iraisampirenena miasa sy monina eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Jean Gabriel Harison Nesorina fa mahery fihetsika loatra ?

06/01/2017

Na dia tsy mbola nisy aza ny fampitam-baovao ofisialy dia fantatra fa efa tena nangoronentana ary tsy mpiasa ao aminny kaominina Antananarivo renivohitra intsony Atoa Jean Gabriel Harison lefitra voalohanny benny tanana.Fantatra ny mponin Antananarivo taminny resaka fandaminana ny tsena sy ny mpivarotra amoron-dalana izy

Hamaky ny tohiny...

Benny tanna 5 avy any Mampikony Nitaraina teny aminny filohanny Antenimierandoholona

06/01/2017

Ankoatry ny asa fanaovan-dalna dia andraikitry ny Antenimierandoholona koa ny fiahiana sy ny fisoloana tena ireo Vondrom-bahoakam-paritra manerana ny Nosy .

Hamaky ny tohiny...

Pety Rakotoniaina Lany andro ny Lalmpanorenana Malagasy

06/01/2017

Nohitrikitrihan'Atoa Pety Rakotoniaina filohan'ny antoko politika Tambatra, izay mandalo eto an-drenivohitra amin'izao fiandohan'ny taona 2017 izao fa tena lany andro ny lalmpanorenana Malagasy misy eto amintsika amin'izao fotoana izao ka tsy ahafahana mampandroso velively ny firenena Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Talatamaty Efa mazoto mandoa hetra ny mponina

06/01/2017

Tsy toy ny teo aloha intsony fa efa tena mazoto mandoa hetra ireo mponina ao aminny kaominina Talamaty raha araka ny fanazavanny Benny tanna Rado Razafindratsimba.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Ataovy lalao madio e !

06/01/2017

Salama tsara ve ry Jean a ! Tonga soa aloha ny andro malaza anio dia arahabaina e ! Tehaka miorefodrefotra aloha ry Jean taminny tsy nanavahana ireo rehetra tokony hasaina indrindra fa ireo zoky raimandreny efa nitantana ny firenena a! Fa ny loza anie ry Jean dia ity e!

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Kaominina Antananarivo renivohitra Raikitra ny asa fanadiovan-tanna faobe

06/01/2017

Raikitra ny asa fanadiovan-tanana faobe ho anny kaominina Antananarivo renivohitra. Hifanome tanana aminy mandritra izany ny Boriborintany I, asa hotontosaina ny Alatsinainy ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Isotry sy Ampefiloha Tratra i Dore mpanendaka ikoizana

06/01/2017

Tratra ihany i Dore, lehilahy 26 taona mpanendaka sy mpanao sinto-mahery efa za-draharaha eny amininy faritra Isotry sy Ampefiloha iny rehefa nikelezanireo polisy avy ao aminny poste de police Ampefiloha aina .

Hamaky ny tohiny...

Fitaterana eto an-drenivohitra Napetrapetraky ny fanjakana ny UCTU

06/01/2017

Vaky barara ny filohanny vondronny mpitatitra eto an-drenivohitra Andriambinintsolomora Bernardin omaly fa napetrapetraky ny fitondram-panjakana izy ireo taminilay fanampiana nampanantenaina azy mintentina 12 miliara ariary, antony tsy nampiakaranizy ireo ny saran-dalna ho 500 Ar nanomboka ny 04 Oktobra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ataovy lalao madio aminizay !

06/01/2017

Atomotra ny fotoana hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena na dia efa re aza fa misy ny kajikajy hanemorana izany. Samy manana ny fomba fiadiny sy ny hofiatrehany izany ny mpifaninana tsirairay avy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana