Fil d'actualités du 24/02/2018

  • 24/02/2018 - 13:30 : ANTSIRABE: Tonga nanao hetsika fitakiana mba hanokafana ny Orinasa AA-Tiko ny tantsaha sy vahoaka marobe androany, ka nisy hatramin'ny fanariana ronono betsaka. Tifitra baomba mandatsa-dranomaso no setriny.

  • 24/02/2018 - 12:30 : JONO MAKAMBA: Hisokatra ny 2 martsa izao ny taom-panjonoana makamba. Ho an'ny trondro tilapia kosa dia efa nanomboka andro vitsy ho an'ny mihoatra ny 7sm ary voarara kosa ny latsak'izay.

  • 24/02/2018 - 11:30 : KOLONTSAINA SY TANTARA: Mifarana anio 24 febroary ny fampahafantarana ny tantaran’ ny mpanjaka Ranavalona III eny amin’ny IKM Antsahavola.

  • 24/02/2018 - 10:30 : GAZETY VALISOA VAOVAO: Mankalaza ny faha-9 taona nisiany ity gazety ity anio.

  • 24/02/2018 - 09:30 : AFT ANDAVAMAMBA: Hisy ny seho lehibe hiarahana amin'ny mpanakanto Jaojaoby anio 24 febroary izao manomboka amin'ny 6ora hariva hoenti-mamarana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny AFT.

  • 23/02/2018 - 16:30 : AMBANIN’AMPAMARINANA :Ho an’ireo olona tsy maintsy nafindra toerana haingana dia efa misy tany natokana hamindrana azy ireo eny Ambohidratrimo izay omena maimaimpoana ary hosoratana amin’izy ireo.

  • 23/02/2018 - 16:00 : ANDRON’NY SEKOLY : Mifarana androany ny fankalazana izany ka nisy tamin’ireo sekoly tsy miankina no namarana izany tamin’ny fanaovana diabe sy ny fanatanjahan-tena.

  • 23/02/2018 - 15:30 : AMBATONDRAZAKA : Hiasa manomboka ny volana martsa izao ilay orinasa mpamokatra zezika izay napetraka tany noho ity faritra ity sompotr’i Madagasikara amin’ny vary.

  • 23/02/2018 - 15:00 : FANAMBOARAN-DALANA : Ny minisitry ny asa vaventy no hisahana ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo sy ny manodidina ka hisy ny fandaminana amin’ny fifamoivozana eto.

  • 23/02/2018 - 14:45 : SAMBAVA : Nidina hifotony tany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana hijery akaiky ny zava-misy momban ’ny fiakarany vidim-piainana mihompapana izay mampitaraina ny mponina any.

Voir plus d'infos...

23/02/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170130

Misongadina

Loza mahatsiravina tany Anjozorobe 47 no maty, 24 naratra mafy

30/01/2017

Loza aminantambo no nitranga tany Anjozorobe ny marainanny sabotsy 28 janoary teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifidianana 2018 Manomana ny paikadiny ny ARMADA

30/01/2017

Raha tsy heno nandritra ny fotoana ela dia manomboka mipoitra indray ankehitriny ilay vovonana politika teraka teny Ambodivona, fantatra aminny anarana hoe ARMADA ,

Hamaky ny tohiny...

Faha-70 taonanny raharaha 29 martsa Hiavaka ny fankalazana

30/01/2017

Ny fiandohanny volana febroary dia hanomboka sahady ny fankalazana ny fahatsiarovana ny faha-70 taona nisianny raharaha 29 martsa 1947 na ny tolona nivaivay nanoherana ny fanjanahantany frantsay taminny fotoanandrony.

Hamaky ny tohiny...

Misisika eto ny vahiny Hitavana ny harem-pirenena, hoy ny AKFM

30/01/2017

Tsy ny filoha Tiorka ihany no mankaty Madagasikara fa maro ireo firenena mifandrombaka sy miady sisika ho aty amintsika, hoy i Eric Rakotomanga, mpitarika ny antoko AKFM.

Hamaky ny tohiny...

Tany eny Antaninarenina Mandainga ny fanjakana

30/01/2017

Nahabe resaka indray tato ho ato ny resaka tany mampifanolana ny minisitera eo anivonny prezidansa misahana ny tetikasanny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE) an-daniny sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ( CUA) an-kilany.

Hamaky ny tohiny...

Fetison Rakoto Andrianirina Mahafinaritra anizao fitondrana izao ny mampitebiteby ny Malagasy

30/01/2017

Miditra aminny taona fahatelonny fitondrana Rajaonarimpampianina isika izao, tsy mbola hita foana ny lalana hivoahana aminizao fahantrana izao.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Paiso an-kady

30/01/2017

Any Jean sy Ramala ! Arahaba madinidinika sy akory fantimpantenana no atolotra anao ry Jean tsy maty fo amanaina vokatrizao loza efa mihatra amintsika izao a !

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Kardinaly Pietro Parolin Nampitraka sy nampahery ny Malagasy

30/01/2017

Tontosa omaly alahady teny aminny kianjambe monisipalini Mahamasina ny lamesa lehibenny Eglizy Katolika Romana notarihanny sekreteram-panjakani Vatican ny kardinaly Pietro Parolin ho fankalazana ny faha-50 taonanny fifandraisana ara-diplomatika eo aminny firenena Malagasy sy ny Fiketrahana Masina.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mahafantatra ny hetaheta

30/01/2017

Tehaka nirefodrefotra no nasetrinny mpiara-miasa amina minisitra iray nandritry ny fifampiarahabanizy ireo nahatratra ny taona ny faranny herinandro teo rehefa avy nilaza ho mahafantatra ny hetahetanireo mpiara-miasa aminy ingahy minisitra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana