Fil d'actualités du 24/02/2018

  • 24/02/2018 - 13:30 : ANTSIRABE: Tonga nanao hetsika fitakiana mba hanokafana ny Orinasa AA-Tiko ny tantsaha sy vahoaka marobe androany, ka nisy hatramin'ny fanariana ronono betsaka. Tifitra baomba mandatsa-dranomaso no setriny.

  • 24/02/2018 - 12:30 : JONO MAKAMBA: Hisokatra ny 2 martsa izao ny taom-panjonoana makamba. Ho an'ny trondro tilapia kosa dia efa nanomboka andro vitsy ho an'ny mihoatra ny 7sm ary voarara kosa ny latsak'izay.

  • 24/02/2018 - 11:30 : KOLONTSAINA SY TANTARA: Mifarana anio 24 febroary ny fampahafantarana ny tantaran’ ny mpanjaka Ranavalona III eny amin’ny IKM Antsahavola.

  • 24/02/2018 - 10:30 : GAZETY VALISOA VAOVAO: Mankalaza ny faha-9 taona nisiany ity gazety ity anio.

  • 24/02/2018 - 09:30 : AFT ANDAVAMAMBA: Hisy ny seho lehibe hiarahana amin'ny mpanakanto Jaojaoby anio 24 febroary izao manomboka amin'ny 6ora hariva hoenti-mamarana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny AFT.

  • 23/02/2018 - 16:30 : AMBANIN’AMPAMARINANA :Ho an’ireo olona tsy maintsy nafindra toerana haingana dia efa misy tany natokana hamindrana azy ireo eny Ambohidratrimo izay omena maimaimpoana ary hosoratana amin’izy ireo.

  • 23/02/2018 - 16:00 : ANDRON’NY SEKOLY : Mifarana androany ny fankalazana izany ka nisy tamin’ireo sekoly tsy miankina no namarana izany tamin’ny fanaovana diabe sy ny fanatanjahan-tena.

  • 23/02/2018 - 15:30 : AMBATONDRAZAKA : Hiasa manomboka ny volana martsa izao ilay orinasa mpamokatra zezika izay napetraka tany noho ity faritra ity sompotr’i Madagasikara amin’ny vary.

  • 23/02/2018 - 15:00 : FANAMBOARAN-DALANA : Ny minisitry ny asa vaventy no hisahana ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo sy ny manodidina ka hisy ny fandaminana amin’ny fifamoivozana eto.

  • 23/02/2018 - 14:45 : SAMBAVA : Nidina hifotony tany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana hijery akaiky ny zava-misy momban ’ny fiakarany vidim-piainana mihompapana izay mampitaraina ny mponina any.

Voir plus d'infos...

23/02/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170203

Misongadina

Vidim-bary miakatra Aferabenny mpitantana ?

03/02/2017

Ankoatra ny fanoloana tomponandraikitra ambony toy ny sekretera jeneralinny minisiteranny tontolo iainana,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Governemanta Mahafaly Hanohy ny hadalany

03/02/2017

Malaina hanova governemanta ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Madagasikara Efa lafo ambongadiny

03/02/2017

Mahantra fadiranovana ny vahoaka Malagasy kanefa tsy misy hiantsapazana intsony. Ny mpanao politika tsy azo hianteherana intsony satria tsy misaina afa-tsy seza ary efa mersenera ny 85%.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana