Fil d'actualités du 24/02/2018

  • 24/02/2018 - 13:30 : ANTSIRABE: Tonga nanao hetsika fitakiana mba hanokafana ny Orinasa AA-Tiko ny tantsaha sy vahoaka marobe androany, ka nisy hatramin'ny fanariana ronono betsaka. Tifitra baomba mandatsa-dranomaso no setriny.

  • 24/02/2018 - 12:30 : JONO MAKAMBA: Hisokatra ny 2 martsa izao ny taom-panjonoana makamba. Ho an'ny trondro tilapia kosa dia efa nanomboka andro vitsy ho an'ny mihoatra ny 7sm ary voarara kosa ny latsak'izay.

  • 24/02/2018 - 11:30 : KOLONTSAINA SY TANTARA: Mifarana anio 24 febroary ny fampahafantarana ny tantaran’ ny mpanjaka Ranavalona III eny amin’ny IKM Antsahavola.

  • 24/02/2018 - 10:30 : GAZETY VALISOA VAOVAO: Mankalaza ny faha-9 taona nisiany ity gazety ity anio.

  • 24/02/2018 - 09:30 : AFT ANDAVAMAMBA: Hisy ny seho lehibe hiarahana amin'ny mpanakanto Jaojaoby anio 24 febroary izao manomboka amin'ny 6ora hariva hoenti-mamarana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny AFT.

  • 23/02/2018 - 16:30 : AMBANIN’AMPAMARINANA :Ho an’ireo olona tsy maintsy nafindra toerana haingana dia efa misy tany natokana hamindrana azy ireo eny Ambohidratrimo izay omena maimaimpoana ary hosoratana amin’izy ireo.

  • 23/02/2018 - 16:00 : ANDRON’NY SEKOLY : Mifarana androany ny fankalazana izany ka nisy tamin’ireo sekoly tsy miankina no namarana izany tamin’ny fanaovana diabe sy ny fanatanjahan-tena.

  • 23/02/2018 - 15:30 : AMBATONDRAZAKA : Hiasa manomboka ny volana martsa izao ilay orinasa mpamokatra zezika izay napetraka tany noho ity faritra ity sompotr’i Madagasikara amin’ny vary.

  • 23/02/2018 - 15:00 : FANAMBOARAN-DALANA : Ny minisitry ny asa vaventy no hisahana ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo sy ny manodidina ka hisy ny fandaminana amin’ny fifamoivozana eto.

  • 23/02/2018 - 14:45 : SAMBAVA : Nidina hifotony tany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana hijery akaiky ny zava-misy momban ’ny fiakarany vidim-piainana mihompapana izay mampitaraina ny mponina any.

Voir plus d'infos...

23/02/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170313

Misongadina

Marc Ravalomanana Sokafy ny MBS !

13/03/2017

Ela niandrasana izay didy havoakanny Filankevi-panjakana na Conseil dEtat izahay, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mba ela loatra, ka mampierireritra, raha fitoriana napetraka taminny 2015 hatraminizao tsy voatsara.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Tsy antenaina i Andry Rajoelina Miezaka mitsoka afo ny ekipany

13/03/2017

Miezaka mihetsiketsika fatratra ny ekipani Andry Rajoelina aminizao.

Hamaky ny tohiny...

TIM Arivonimamo Nanatanteraka fambolen-kazo

13/03/2017

Nanatanteraka fambolen-kazo niaraka taminny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tany aminny distrikanArivonimamo ny sabotsy teo ny filoha nasionalinny antoko, Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Fintana omena fa tsy trondro e !

13/03/2017

Any ianareo ry Jean ! Manao ahoana ianareo any fa izahay aty efa tena trotraka sy drodroky ny fiainana a ! Efa tena olon-dresy mihitsy e ! Aiza ve ka efa tsy hita izay harapaka kanefa dia mbola nolakoinny rivodoza indray !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Takaitranny rivodoza Enawo Tafakatra 50 ireo maty

13/03/2017

Nahatratra 50 ireo namoy ny ainy, 183 naratra, 20 tsy hita popoka, 176.084 ny traboina, 110 693 nafindra toerana nandritra ny fandalovanny rivodoza Enawo, raha ny tatitra farany navoakanny Birao nasionaly miandraikitra ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) farany.

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Inefatra nihetsika ny tany

13/03/2017

Miteraka savorovoro aminny sainny mponina Antsirabe ny fiverimberenanny horohorontany tato ho ato. Anisanny niteraka resabe mantsy mety hisianny fipoahana volkano taorianilay horohorontany mafy dia mafy farany iny, izay tsy maty am-ponny maro.

Hamaky ny tohiny...

Ampitatafika Tafakatra 1400 ireo traboina, mitarazoka ny fanampiana

13/03/2017

Anisanny kaominina misedra olana tanteraka vokatry ny fandalovanny rivodoza Enawo ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano.

Hamaky ny tohiny...

Mponini Madera Namontana Tra-boina tsy fidiny

13/03/2017

Vokatry ny fanotofana tany ataonireo mpifanolo-bodirindrina aminizy ireo dia lasa tra-boina tsy fidiny ry zareo ao aminny fokontany Madera namontana

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fivondronanny skotisma Hanatitra mivantana ny fanampianny traboina

13/03/2017

Tontosa soa aman-tsara ny fanangonana ireo fanampiana avy aminny malalatanana nataonny fivondronambenny skotisma tetsy Analakely

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Sisa tsy rava

13/03/2017

Ela nitolona isika hahazo ny fahafahana sy fahaleovantena. Hotsaroana ato ho ato ny faha-70 taonanny 29 martsa 1947

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Bus intelligent Tsy ekenay, hoy ny filohanny UCTU

13/03/2017

Nankalaza ny faha-30 taonany ny kaoperativa Analamahitsy Transport ahitana ny zotra 136 sy ny 183 ka teny Anosy Avaratra no nanamarihana azy.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fitiavan-tanindrazana sy fampandrosoana Tanora 46 no nahavita fiofanana

13/03/2017

Tanora miisa 46 mianadahy no nomenny masoivoho Amerikanina fiofanana marolafy nandritra ny fito herinandro ka navoaka tamim-pomba ofisialy ny faranny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana