Fil d'actualités du 25/04/2018

  • 25/04/2018 - 08:45 : VATSIM-PIANARANA: Mpianatra n'y Oniversiten'i Mahajanga miisa 5 nahazo vatsim-pianarana mandritra ny 5 volana any Allemagne amin'izao fitoana izao.

  • 25/04/2018 - 08:30 : SENDIKAN'NY MPIASAN'NY ORINASA AFAK'HABA: Hanao fanambarana eny amin'ny tranompokonolona Isotry izy ireo amin'ity maraina ity izay hifantoka amin'ny fiaraha-mientana amin'ny Vondron-tsendika SSM amin'ny tolona eny Analakely.

  • 25/04/2018 - 08:15 : CHAMPION'S LEAGUE: Resin'i Liverpool tamin'ny isa 5-2 ny AS Roma alina teo amin'ny lalao mandroson'ny dingana manasa-dalana.

  • 25/04/2018 - 08:00 : SOLOMBAVAMBAHOAKA HO AN'NY FANOVANA: Hitanjozotra eny Anosy izy ireo sy ny vahoaka anio hanatitra taratasy fitoriana ny filoha eny noho ny fandatsahan-dra, ary mitaky ny fialan-dRajaonarimampianina.

  • 24/04/2018 - 23:30 : SONIERANA: Fiara kely iray marika Dacia Sandero no nidona tamin'ny andrin-jiro amin'izao fotoana izao, ka saika niongana hatramin'io andrin-jiro io mihitsy, ary tapaka ny jiro.

  • 24/04/2018 - 17:00 : IAVOLOHA: Nampiantso ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana sy ny masoivoho vahiny vitsivitsy vahiny ny filoham-pirenena, ary misy ny fivoriana mikaton-trano.

  • 24/04/2018 - 16:30 : SSM: Nisy ny fihaonana ara-tsratejika nataon'ireo mpitarika ity Randrambaon'ny sendika ity ny tolakandro teo handinhihana ny paikady hitondrana ny tolona eny Analakely.

  • 24/04/2018 - 16:00 : ANTANANARIVO: Manohitra ny fanambarana nataon 'ireo sefom-pokotany nanamavo ny hetsika tarihin'ny depiote ny fikambanan 'ny mpitantsoratra sy mpitambolan'ny fokontany 192 manerana ny kaominin'Antananarivo Renivohitra.

  • 24/04/2018 - 15:30 : ANALAKELY: Famangiana sisa no natao eny amin’ny Lapan’ny tanàna fa tsy misy fiandrasam-paty intsony satria efa naverina any amin’ny fianakaviany avy ireo razana izay avy eny Itaosy sy Ambohimanarina.

  • 24/04/2018 - 15:00 : RAHARAHA RALEVA: Niakatra fitsarana androany tany Fianarantsoa ny raharaha fangatahana fahafahana tanteraka ho an'ity mpiaro ny tontolo iainana nohelohin'ny fitsarana ity, saingy nahemotra ho amin'ny 22 Mey indray ny didy.

Voir plus d'infos...

24/04/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171130

Misongadina

Fifidianana 2018 Misalasala i Andry Rajoelina

30/11/2017

Iaraha-mahita ny kapa ranjo ara-politika mety hamotehana ireo kandida atahoran’ny fanjakana HVM amin’ny fifidianana 2018.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fangaraharan’ny fifidianana Miankina amin’ny HCC, hoy ny pasitera Mailhol

30/11/2017

Miankina amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ihany no mampangarahara ny fifidianana amin’ny taona 2018, raha ny fanehoan-kevitry ny filoha mpanorina ny vondrom-pivavahana Apokalipsy sy ny antoko politika Gideona fandresena ny fahantrana eto Madagasikara na GFFM,

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Ho sahy hampisambotra an’i Lylison ve ?

30/11/2017

Mangina tsy misy tohiny intsony ny raharaha momba ny loholona Lylison,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aza mba...

30/11/2017

Aza mba marary ihany, fa ahita ny tsy fahita Aza mba hoe tsy Salama, ka tsy afaka hoany ampita Fa dia hanambe tokoa, hanaraka hatramin'ny aina Fahasahiranana avo roa heny, hitombo be ny manaintaina

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Paolo Raholinarivo “Tsy maintsy migadra ny depiote Nicolas”

30/11/2017

Raikitra ny gidragidra eo amin’ny depiote Nicolas Randrianasolo sy i Paolo Raholinarivo, mpanolotsain’ny praiminisitra. Noho ny resaka asan-dahalo any Betroka no antony.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona Miantso ny minisitry ny serasera hanaja lalàna

30/11/2017

Manoloana ny fanapahan-kevitra samirery noraisain’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana (MCRI) hanangana vaomiera miandraikitra ny fanomezana karatra ho an’ny mpanao gazety,

Hamaky ny tohiny...

Eoropa sy Afrika Nikaon-doha momba ny tanora sy ny fampandrosoana

30/11/2017

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tany Abidjan –Cote d’Ivoire ny fihaonana an-tampony faha-5 eo amin’ny vondrona eoropeanina sy ny vondrona afrikanina izay haharitra roa andro.

Hamaky ny tohiny...

Fambolena an-tanàn-dehibe Resy lahatra amin’ny tetikasan’ny Ben’ny tanàna ny VOT

30/11/2017

Resy lahatra tanteraka amin’ilay tetikasan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana momba ny fambolena an-tanàn-dehibe ny VOT ( vondron’olon-tsotra) tarihin’ny filohany Rtoa Sarah Zoe.

Hamaky ny tohiny...

Asa sosialy - HAFARI “Tsy maintsy vitako ny fanambiko”, hoy i Jean Nirina R

30/11/2017

Na dia maro aza ny olana nosedrain’ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina tamin’ny fanatanterahany ireo asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona dia nomarihiny manokana omaly fa tsy maintsy vitany ny fanamby napetrany.

Hamaky ny tohiny...

Zaza tsy ampy lanja Mihoatra ny 14 % ireo vao teraka manerana ny Nosy

30/11/2017

Mbola mihoatra ny 14 % amin’izao ireo zaza vao teraka tsy ampy lanja manerana ny Nosy, hoy ny dokotera Ranjanoro Elodie, angady nananana ilay tetikasa « bebe kangourou ».

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy mba manan-kambo !

30/11/2017

Vitavita ho azy indray ity resaka fidiran’ny mpitsoa-ponenana sy vahiny tsy fanta-pototra tonga eto Madagasikara ity. Efa mandeha ihany ny famonoana afo ataon’ny mpitondra fanjakana na iraky ny fanjakana vitsivitsy milaza fa olona manao fivahinianana masina sy mitsidika moske eto amintsika ireny.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Mpitatitra amin’ny RN2 Hiverina hiasa sahady anio

30/11/2017

Nisy fitokonana nataon’ireo mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faharoa na ny RN2 omaly maraina ary nisy ny fanakanana ireo fiara mbola niasa natao teny Ambohimalaza.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Baby shopping andiany faha-5 Mpiara-miasa akaiky ny Top Radio sy Jejoo

30/11/2017

Hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny tanàna manomboka rahampitso zoma fiandohan’ny volana desambra, haharitra roa andro, ilay hetsika Baby Shopping andiany fahadimy karakarain’ny Prima Baby. Hiavaka tsy ho toy ny mahazatra ny hetsika, hoy Rajaonah Haingo,

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Rabodo mpilalao sarimihetsika “Safelika” Nindaosin’ny fahafatesana

30/11/2017

Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-58 taonany afak’omaly talata 28 novambra Raholialisoa Mamy Hortense, fantatra tamin’ny anarana Rabodo tao amin’ilay horonantsarimihetsika Safelika izay novokarin’ny SCOOP digital.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Paikady vaovaon’ny zandarimariam-pirenena Tratra ny tanjona tany Vatovavy Fitovivany

30/11/2017

Nidina ifotony tany amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, izay notarihan’ny jeneraly Tsirivelo Nicolas,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana