Fil d'actualités du 25/04/2018

  • 25/04/2018 - 08:45 : VATSIM-PIANARANA: Mpianatra n'y Oniversiten'i Mahajanga miisa 5 nahazo vatsim-pianarana mandritra ny 5 volana any Allemagne amin'izao fitoana izao.

  • 25/04/2018 - 08:30 : SENDIKAN'NY MPIASAN'NY ORINASA AFAK'HABA: Hanao fanambarana eny amin'ny tranompokonolona Isotry izy ireo amin'ity maraina ity izay hifantoka amin'ny fiaraha-mientana amin'ny Vondron-tsendika SSM amin'ny tolona eny Analakely.

  • 25/04/2018 - 08:15 : CHAMPION'S LEAGUE: Resin'i Liverpool tamin'ny isa 5-2 ny AS Roma alina teo amin'ny lalao mandroson'ny dingana manasa-dalana.

  • 25/04/2018 - 08:00 : SOLOMBAVAMBAHOAKA HO AN'NY FANOVANA: Hitanjozotra eny Anosy izy ireo sy ny vahoaka anio hanatitra taratasy fitoriana ny filoha eny noho ny fandatsahan-dra, ary mitaky ny fialan-dRajaonarimampianina.

  • 24/04/2018 - 23:30 : SONIERANA: Fiara kely iray marika Dacia Sandero no nidona tamin'ny andrin-jiro amin'izao fotoana izao, ka saika niongana hatramin'io andrin-jiro io mihitsy, ary tapaka ny jiro.

  • 24/04/2018 - 17:00 : IAVOLOHA: Nampiantso ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana sy ny masoivoho vahiny vitsivitsy vahiny ny filoham-pirenena, ary misy ny fivoriana mikaton-trano.

  • 24/04/2018 - 16:30 : SSM: Nisy ny fihaonana ara-tsratejika nataon'ireo mpitarika ity Randrambaon'ny sendika ity ny tolakandro teo handinhihana ny paikady hitondrana ny tolona eny Analakely.

  • 24/04/2018 - 16:00 : ANTANANARIVO: Manohitra ny fanambarana nataon 'ireo sefom-pokotany nanamavo ny hetsika tarihin'ny depiote ny fikambanan 'ny mpitantsoratra sy mpitambolan'ny fokontany 192 manerana ny kaominin'Antananarivo Renivohitra.

  • 24/04/2018 - 15:30 : ANALAKELY: Famangiana sisa no natao eny amin’ny Lapan’ny tanàna fa tsy misy fiandrasam-paty intsony satria efa naverina any amin’ny fianakaviany avy ireo razana izay avy eny Itaosy sy Ambohimanarina.

  • 24/04/2018 - 15:00 : RAHARAHA RALEVA: Niakatra fitsarana androany tany Fianarantsoa ny raharaha fangatahana fahafahana tanteraka ho an'ity mpiaro ny tontolo iainana nohelohin'ny fitsarana ity, saingy nahemotra ho amin'ny 22 Mey indray ny didy.

Voir plus d'infos...

24/04/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171211

Misongadina

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana miezinezina

11/12/2017

Ambohipihaonan’ny mpikatroka ao anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara na TIM sy ny olom-pirenena tsy ankanavaka ny eny amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy anio 11 desambra, ka nasaina manokana ireo ben’ny tanàna rehetra manerana ny Nosy lany tamin’ny anaran’ny Antoko TIM.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Vehivavy Malagasy manao politika Zara raha misy 0,03%

11/12/2017

Vehivavy ny 59,49 %-n’ny Malagasy, raha ny fanazavana nandritry ny atrikasa manokana miompana amin’ny vehivavy sy ny politika notontosain’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampananan’asa niaraka tamina mpiara-miombon’antoka vitsivitsy tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy tamin’ny faran’ity herinandro ity.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Paikady hifehezana ny asa fanaovan-gazety Mitombo isa ireo manakiana ny fitondram-panjakana

11/12/2017

Herintaona mahery izay no naha lalàna manan-kery ny fehezan-dalàna momba ny serasera. Tsapa ankehitriny fa manampy trotraka ary tsy mamaha olana velively araka ny nampanantenaina ny « fampiharana » azy kanefa dia natao amboletra ny fandaniana ny lalàna,

Hamaky ny tohiny...

Fanalam-baraka ny filoha tamin’ny facebook Nidoboka eny Antanimora ilay tovolahy

11/12/2017

Niaiky ny helony rehefa nohadihadian’ny polisin’ny BC ilay tovolahy mpamoaka sary sy mpaneho anaty tambajotra facebook, ary dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora nanomboka ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Vary simba tratra tany Toamasina Hiakatra fitsarana ireo Pakistanais 3

11/12/2017

Nanome baiko ny fisamborana sy ny fanaovana fakana am-bavany ireto mpandraharaha mpanafatra vary “Pakistanais” telo lahy, izay tompon’ny orinasa “Moto Commodities” sy ny “White Rice” ary ilay mpiara-miasa amin’izy ireo eto Toamasina,

Hamaky ny tohiny...

Madagascar Airways Tsy mety mandoa hofan-trano ?

11/12/2017

Misy feo mivoaka ankehitriny nandrenesana fa tsy mbola nandoa ny hofan’ny Hangar itoerany eny Ivato tao anatin’ny roa taona nisiany ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka tsy miankina Madagascar Airways.Any amin’ny ADEMA moa no tokony handoavana io vola hofan-trano io, ary manao izany ny rehetra manana fiaramanidina sy birao eny, ireo orinasa tsy miankna no resahana eto.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny kolikoly Mitarazoka ny fampiharana ny lalàna

11/12/2017

Nankalazaina ny sabotsy 09 desambra lasa teo ny andro maneran-tany iadiana amin’ny kolikoly.

Hamaky ny tohiny...

Infocentre de la salle Mankalaza ny faha-25 taona niorenany

11/12/2017

Feno 25 taona tamin’ity taona 2017 ity ny sekoly ambony Infocentre de la salle eny Soavimbahoaka. Fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, narahin’ny fanokafana ny taom-pianarana vaovao 2017-2018 sy namoahana ireo mpianatra 62 mianadahy,

Hamaky ny tohiny...

Fambolen-kazo 2017 – 2018 2.000 Ha isam-paritra no tanjona

11/12/2017

Nosokafana tao amin’ny kaominina Ambohibary misy ny tanin’ny orinasa Fanalamanga ao Moramanga ny sabotsy misandratr’andro teo ny taom-pambolen-kazo taona 2017 – 2018 ho an’ny governemanta.

Hamaky ny tohiny...

Ady tany eny Ankadindravola Tsy vola fa fanafoanana ny “Titre” no takianay, hoy ireo mpitory

11/12/2017

Tanina fianakaviana iray eny Ankadindravola Ivato no azon’olona mahitahita sy nahavitany taratasy ara-dalàna raha ny fanazavan’ireo fianakaviana lasibatra. Efa azony ny tany hafa teo amin’ny manodidina, izay tsy misy hidiran’ireto fianakaviana ireto, ka tafiditra afovoany ny azy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tompondaka nasionaly Basikety N1 A 2017 Nody any Boeny avokoa ny amboara lahy sy vavy

11/12/2017

Noporofoin’ny mpilalaon’i Boeny ny maha sangany azy ireo eo amin’ny taranja basikety baolina.

Hamaky ny tohiny...

Boxe Française Savate Nahomby ny fiarahana tamin’ny Kempo

11/12/2017

Nangotrakaara-bakiteny tokoa ny hetsika« Grand Combat Boxe Française Savate 2017 » notontosain’ny ligin’Analamanga amin’ity taranja ity tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina omaly alahady 10 desambra. Ankoatra ireo fifaninana Boxe Savate nahitana fifanandrinana 10 dia nisongadina ihany koa ny ady Kempo samihafa niisa 6.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Aoka hazava kosa e !

11/12/2017

Malaza sy fitaovana hivoizana hevitra sy fampitam-baovao ara-politika na zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina ny tambajotran-tserasera « facebook » amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fidangan’ny vidim-piainana Ny sandam-bola Malagasy no mila fanamboarana

11/12/2017

Tsy ny vidim-bary loatra no tena olana eto amintsika hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy na ny fiakaran’ny vidin-tsolika matetika fa ny sandam-bolantsika Malagasy mihitsy no tokony amboarina. Samy manam-bola avokoa ny tsirairay hoy izy saingy ny lanjany no tsy misy.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Hetsika Sambaraha andiany faha-6 Hiavaka amin’ny Hazakaza-gana sy Surf

11/12/2017

Hiditra amin’ny andiany faha-6 amin’ity taona ity ny 20 ka hatramin’ny 23 desambra izao ny hetsika goavana fanao isan-taona ao Taolagnaro ao na ny Sambaraha.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Distrikan’Ikongo Hanjakan’ny fitsaram-bahoaka

11/12/2017

Trangana fitsaram-bahoaka miisa 5 tao anatin’ny 3 volana no niseho tao amin’ny distrikan’Ikongo, hoy ny depiote voafidy tany an-toerana, Brunel Razafitsiandraofa.

Hamaky ny tohiny...

Tojo fisavan’ny zandary Navelan’ireo jiolahy ny sakaosy feno basy

11/12/2017

Lehilahy telo no nandositra avy hatrany rehefa nifanena tamin’ny zandary avy ao amin’ny borigady Kianjandrakefona nanao fisafoana tao amin’ny tsenan’ny Fokontany Manaritsoa, Kaominina Mahasoa, distrikan’ Ambositra.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FATIN-JAZAKELY – TOAMASINA

11/12/2017

Fatin-jazakely iray nisy nanipy teo amin’ny tokotanin’ny lapan’ny Faritra ao Atsinanana – Toamasina renivohitra. Asa izay tena heviny satria izany faritra izany, any amin’ny faritany, dia toa ny prezidansa eto an-drenivohitra ary sady harovana fatratra no hajaina. Voalohany no nisy tranga toa izao tao amin’ity toerana ity ary nisy fanadihadiana nosokafana vokatr’izany.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Savorovoro momba an’i Jerosalema Nihaona ny filoha Frantsay sy ny praiminisitra Israelianina

11/12/2017

Mitombo ny savorovoro any Proche Orient taorian’ny fanambaran’ny filoha Amerikanina Donald Trump fa ekena ho renivohitr’i Israely i Jerosalema.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana