Fil d'actualités du 26/04/2018

  • 26/04/2018 - 13:50 : RAJAONAH ANDRIANJAKA: Higadona an-tanindrazana ny alahady izao ny nofo mangatsiakany, ary halevina ny 02 mey.

  • 26/04/2018 - 13:35 : SABOTSY NAMEHANA:Natalo androany 26 Aprily 2018 ny fitsarana mitety vohitra; nanatanterahana ny fanaovana ny Kopia Faobe hoan'ireo tanora sy ankizy latsaky ny 18 taona ho an'ny Distrika Antananarivo Avaradrano my tao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.

  • 26/04/2018 - 13:15 : ANOSY: Tsara ambin'ny mpitandro filaminana ny tranom-panjakana, toy ny antenimieram-pirenena.

  • 26/04/2018 - 12:50 : ANOSY: Tapaka ny fifamoivoizana amin'izao fotoana izao noho ny fanateran'ny depiote sy ny vahoaka taratasy fotoana ny Filohan'ny.

  • 26/04/2018 - 12:20 : ANALAKELY: Miomana hihazo an'Anosy ny mpanao fihetsiketsehana ny depiote sy ny vahoaka.

  • 26/04/2018 - 12:00 : FANABEAZAN'AIZANA: Manodidina n'y 33% n'y tahan'ny fanovana fanabeazan'aizana eto Madagasikara, ka ho an'ny faritra Androy Dia 5%, araka ny tatitry ny UNFPA.

  • 26/04/2018 - 11:30 : ANALAKELY: Raikitra ny filaharam-be ataon'ny sendika isan-karazany.

  • 26/04/2018 - 11:00 : FMM ( Force Médiane Mixte): Ilaina ny fifandaminana samy Malagasy ary ny Fianakaviambe Iraisa-pirenena no nampanao amboletra teto ny taona 2013, hoy ny FFM.

  • 26/04/2018 - 10:30 : POLITIKA: Manao fanambarana eny amin'ny Hotely Colbert ny FMM ( Force Médiane Mixte) izay milaza fa afaka manantona ny mpitondra sy ny eny amin'ny 13 mey handaminana izao korontana ara-politika izao.

  • 26/04/2018 - 10:00 : BAOLINA KITRA-COSAFA CUP: Ireto avy my anaran'ireo mpilalao ho any Afrika Atsimo ny 27 mey-9 jona: Leda, Ando, Andry, Toby, Mario, Ronald, Théodin, Johnny, Ando, Bapasy, Dax, Baggio, Tsiry, Mika, Lôlôdy, Lalaina, Boura, Marco et Zotsara, Rojo, Lakrisy, Angelo, Carolus, Faneva Ima.

Voir plus d'infos...

25/04/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171230

Misongadina

Marc Ravalomanana “Hitarika olana goavana ny fanakanana ahy”

30/12/2017

Namerina indray omaly Atoa Marc Ravalomanana fa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany ary hitarika olana goavana ny fanakanan’ny fitondrana azy tsy ho kandida amin’io taona ho avy io. Tsy hipetra-potsiny ary tsy hanaiky izany fanakanana ahy izany ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), hoy izy ka aoka tsy hanao sangy ratsy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mihorohoro ny fitondrana Manamboninahitra 144 nakarina galona

30/12/2017

Nirarakopana ny fanondrotana galona teo anivon’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny filankevitry ny minisitra farany ho an’ny taona 2017 ny alakamisy 28 desambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina mivady Maka ny fon’ny ambany tanàna

30/12/2017

Nanao bemidina nizara zavatra teny La Réunion kely ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady narahin’ny mpikamban’ny governemanta maromaro, toy ny minisitra Benjamina Ramanantsoa, Henry Rabary-Njaka, Jean Anicet Andriamosarisoa, Maharante Jean de Dieu, Zafilahy Ying Vah, Mamy Lalatiana Andriamanarivo, Herilanto Raveloharison, Lantoniaina Rasoloelison, Onitiana Realy … omaly.

Hamaky ny tohiny...

Asa fanatsarana an’Antananarivo Hitombo ny hafainganam-pandeha amin’ny 2018

30/12/2017

Anisan’ny teny filamatra apetraka eo anivon’ny fitantanana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ny “Antananarivo Renivohitra, soa iombonan’ny Malagasy”, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, raha nikabary nanoloana ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny CUA tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina izy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Polisy ao Antsiranana Misy terena hiambina karana

30/12/2017

Fampitam-baovao avy amina raim-pianakaviana iray manana zanaka polisy miana-draharaha any Antsiranana no naharaisana fitarainana mikasika ny zava-manjo sy fanararaotana ireo mpitandro ny filaminana ambany grady sasany any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Ankizy kamboty sy sahirana Notoloran’ny vondrona Star fitaovam-pianarana

30/12/2017

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra amin’izao no tsy ara-dalana ny fitaovam-pianarany noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana eo anivon’ny tokantrano. Manampy trotraka izany ny halafosan’ny fitaovana, indrindra fa ireo kipitsony madinika izay nahitana fiakarany hatrany amin’ny 5 % tamin’ity fidiran’ny mpianatra taom-pianarana 2017-2018 ity raha kely indrindra

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana