Fil d'actualités du 26/04/2018

  • 26/04/2018 - 13:50 : RAJAONAH ANDRIANJAKA: Higadona an-tanindrazana ny alahady izao ny nofo mangatsiakany, ary halevina ny 02 mey.

  • 26/04/2018 - 13:35 : SABOTSY NAMEHANA:Natalo androany 26 Aprily 2018 ny fitsarana mitety vohitra; nanatanterahana ny fanaovana ny Kopia Faobe hoan'ireo tanora sy ankizy latsaky ny 18 taona ho an'ny Distrika Antananarivo Avaradrano my tao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.

  • 26/04/2018 - 13:15 : ANOSY: Tsara ambin'ny mpitandro filaminana ny tranom-panjakana, toy ny antenimieram-pirenena.

  • 26/04/2018 - 12:50 : ANOSY: Tapaka ny fifamoivoizana amin'izao fotoana izao noho ny fanateran'ny depiote sy ny vahoaka taratasy fotoana ny Filohan'ny.

  • 26/04/2018 - 12:20 : ANALAKELY: Miomana hihazo an'Anosy ny mpanao fihetsiketsehana ny depiote sy ny vahoaka.

  • 26/04/2018 - 12:00 : FANABEAZAN'AIZANA: Manodidina n'y 33% n'y tahan'ny fanovana fanabeazan'aizana eto Madagasikara, ka ho an'ny faritra Androy Dia 5%, araka ny tatitry ny UNFPA.

  • 26/04/2018 - 11:30 : ANALAKELY: Raikitra ny filaharam-be ataon'ny sendika isan-karazany.

  • 26/04/2018 - 11:00 : FMM ( Force Médiane Mixte): Ilaina ny fifandaminana samy Malagasy ary ny Fianakaviambe Iraisa-pirenena no nampanao amboletra teto ny taona 2013, hoy ny FFM.

  • 26/04/2018 - 10:30 : POLITIKA: Manao fanambarana eny amin'ny Hotely Colbert ny FMM ( Force Médiane Mixte) izay milaza fa afaka manantona ny mpitondra sy ny eny amin'ny 13 mey handaminana izao korontana ara-politika izao.

  • 26/04/2018 - 10:00 : BAOLINA KITRA-COSAFA CUP: Ireto avy my anaran'ireo mpilalao ho any Afrika Atsimo ny 27 mey-9 jona: Leda, Ando, Andry, Toby, Mario, Ronald, Théodin, Johnny, Ando, Bapasy, Dax, Baggio, Tsiry, Mika, Lôlôdy, Lalaina, Boura, Marco et Zotsara, Rojo, Lakrisy, Angelo, Carolus, Faneva Ima.

Voir plus d'infos...

25/04/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180124

Misongadina

Romotra ny fitondrana Ravalo henjehina, ny Magro hakatona…

24/01/2018

Mpitandro ny filaminana nirongo basy no natao fitaovana nanakanana ny fihaonan’i Marc Ravalomanana sy ny vahoakan’Ambovombe Androy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fitondrana Rajaonarimampianina Tsy te hahalala ny antson’ny FFKM ?

24/01/2018

Rehefa dinihina dia toy ny miteny hoe: “henoy izany ry hazon-damosiko” ny fanjakana HVM manoloana ny antso avo sy ny fanairana sesilany nataon’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara).

Hamaky ny tohiny...

Kandida « Favoris » Te hampihemotra fifidianana, hoy ny DFP

24/01/2018

Ireo Kandida goavana nitabataba maika hanao fifidianana tamin’ny taona 2016 sy 2017 avy amin’ny fitondrana sy ivelan’ny fitondrana mihitsy indray, hoy ny avy anivon’ny vovonana politika,

Hamaky ny tohiny...

Ampy izay ny tsy rariny Hihetsika ireo miaramila misotro ronono

24/01/2018

Leo ny fanaovan’ny fanjakana bemarenina sy tsy firaharahiana tsotr’izao ny fitakiany ny fikambanan’ny miaramila misotro ronono. Noho izany, dia hanao hetsi-pitakiana lehibe izy ireo manomboka anio alarobia 24 janoary, taorian’ny tsy nahatomombana ilay saika hatao ny sabotsy 20 janoary lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanamboarana kara-panondro Nankaiza ny volabe 3 miliara ?

24/01/2018

Efa tamin’ny herinandro ambony no nanao antso avo momba ny tsy fisian’ny taratasy fanaovana kara-panondro any amin’ny distrikan’Arivonimano ny depiote Rakotomanjato Rodin, saingy tsy nisy namaly.

Hamaky ny tohiny...

Mponina etsy La Réunion kely Nampiesonin’ny fitondram-panjakana

24/01/2018

Velon-taraina mafy ireo mponina etsy La Réunion kely amin’izao. Tsy mbola misy tonga eny am-pelatanan’izy ireo ihany mantsy ireo fanampiana nampanantenain’ny filoham-pirenena, taorian’ny nandalovany teny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambavahaditokana Betsaka ny asa vita na dia tsy ampy tetibola aza

24/01/2018

Betsaka ny asa vitan’ny kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano nandritra iny taona nivalona 2017 iny.

Hamaky ny tohiny...

CEOI Hifidy administera delege vaovao

24/01/2018

17 taona ny nijoroana ankehitriny ny biraon’ny CEOI (Carrefour des Entrepreneurs de l’Océan Indien). Hifidy mpandraharaha mpanampy na administera delege izy ireo ato ho ato hatrehin’Atoa Michel Domenichini-Ramiaramanana.

Hamaky ny tohiny...

Sport

« Journée Internationale du sport féminin » Hadinon’ny minisiteran’ny fanatanjahantena Malagasy tanteraka

24/01/2018

Ankalazaina isaky ny andron’ny 24 janoary isan-taona nanomboka ny taona 2014 ny « « Journée Internationale du sport féminin », niainga tamin’ny fahatsapan’ny CSA na ny Conseil Suprême de l’Audiovisuel any Frantsa fa tsy dia voaresaky ny olona firy loatra ny vehivavy manao fanatanjahantena.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Raha sanatria …

24/01/2018

Raha sanatria ka marina sy mitombina izay nolazaina sy navoakan’ilay vahiny tafavoaka sy tafatsoaka ny fonja lasa any Frantsa iny dia inona intsony no azo raisina amin’ity gasikara ity ?

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fanamboaran-dalana eto Antananarivo Kitoatoa tanteraka

24/01/2018

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny faharatsian’ny lalana eto Antananarivo Renivohitra. Tapitra potika sy simba avokoa ny lalana rehetra aleha.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampidiran-ketra Maro ny fitomboana ho an’ny 2018

24/01/2018

Notanterahana tetsy amin’ny tanoben’ny Varotra sy Indostria ny fampahafantarana ireo lalàna niova momba ny hetra. Nitondra fanazavana momba izany ny tale jeneralin’ny hetra,

Hamaky ny tohiny...

Fandraharahana amin’ny fambolena Omen-danja ny fanofanana ny tanora

24/01/2018

Nanomboka ny alatsinainy 22 janoary 2018 teo ilay atrikasa fanofanana momba ny fandraharahana ny amin’ny fambolena notanterahana tetsy amin’ny hotely le Pavé Antaninarenina. Noho ny hamaroan’ny tanora tsy an’asa manerana an’i Afrika no nanaovana ny fampiofanana, hoy ny Dr Samuel Mathey, manampahaizana manokana amin’io sehatra io.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

ANOSIZATO

24/01/2018

Tovolahy iray vao erotrerony no tratra nisintona poketra tao anaty fiara anaty fitohanana teny Anosizato Atsinanana omaly. Saika matin’ny sabatra ilay ramatoa tompon’io poketra io,

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

AIRTEL Mpiasa nahavita be miisa 20 notolorana medaly

24/01/2018

Fotoan-dehibe ho an’ny orinasam-pifandraisana Airtel ny faran’ny herinandro teo. Mpiasa miisa 20 eo anivon’ity orinasa iray ity voasokajy ho nahavita be no notolorana medaly, niasa 10 ka hatramin’ny 17 taona teo anivon’ny orinasa.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana