Fil d'actualités du 21/08/2018

  • 21/08/2018 - 17:05 : RAHARIVOHATRA CLAUDE: Tsy voaray ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena, fa tara ny fahatongavany teny amin'ny HCC.

  • 21/08/2018 - 17:00 : DIDIER RATSIRAKA: Izy no kandida farany nandrotsaka ny antontan-taratasy hahafaha-miatrika ny fifidianana amin'ny 7 novambra.

  • 21/08/2018 - 14:20 : HCC AMBOHIDAHY: Tonga manatitra ny doseany i Arlette Ramaroson, kandida ho filoha ihany koa.

  • 21/08/2018 - 13:00 : Orlando Robimanana, atolotry ny antoko Madagasikara Vina sy Fanantenana); Jean Max Rakotomamonjy, Leader Fanilo; Alain Mahavimbina, Gasikara Antsika Rehetra; Haingo Andriakajamalala Rasolofonjoa Avotra ho an'ny Firenena, Armandine Malala Savaron Rasoamalala; Falimampionona Rasolonjatovo Fitambolagnela/IAD no nanatitra dosieny ny tapany maraina teo.

  • 21/08/2018 - 12:00 : FIFIDIANANA : Kandida faha-34 nanatitra taratasy filantsaha-kofidiana ho filoha i Jean Louis Zafivao, atolotry ny antoko Gasy Mifankatia (GASYMI)

  • 21/08/2018 - 11:00 : ORLANDO ROBIMANANA: Nandefa iraka nanatitra ny antontan-tararatasiny filantsaha-kofidiana filoha teny amin'ny HCC Ambohidahy izy androany, ka nitarika ny delegasionina i Bruno Razafindrakoto.

  • 21/08/2018 - 10:15 : HCC AMBOHIDAHY: Tonga manatitra ny dosieny i Haingo Rasolofonjoa olon'ny Arema teo aloha, izay mirotsaka amin'ny anaran'ny antoko Avotra ho an'ny Firenena.

  • 21/08/2018 - 09:30 : POLITIKA: Hanao fanambarana eny amin'ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ny Praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay tsy HVM intsony fa mitarika ny antoko Orimbaton'i Maragasikara anio.

  • 21/08/2018 - 09:00 : FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Mifarana anio 21 aogositra amin'ny 5ora hariva ny fandraisana ny dosien'ireo kandida

  • 20/08/2018 - 15:00 : RANDRIAMAMPIONONONA JOSEPH MARTIN NA DADAFARA: Tafapetraka androany ny taratasy firotsahan-kofidiany ho filoham-pirenena.

Voir plus d'infos...

21/08/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180125

Misongadina

TIKO-AAA Andranomanelatra Hopotehina hatramin’ny farany

25/01/2018

Mazava ankehitriny fa ny hamotehana hatramin’ny farany ny Orinasa Tiko-AAA Andranomanelatra no ataon’ny fitondrana HVM amin’izao fotoana. Tsy nisy nidiran’ny fitakiana momba ireo antontan-taratasy notakiana taminy intsony ny baiko azon’ny mpitondra ao Vakinankaratra, eo ambany fitarihan’ny Prefen’Antsirabe fa dia ny fanakatonana tanteraka ity orinasa ity ary ny tsy hisian’ny vokatra Tiko eny amin’ny tsena intsony no antony.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fitondrana HVM Afabaraka tanteraka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

25/01/2018

Tsy maharototra ny mpanara-baovao loatra intsony ny fanazavana nomen’ny minisitry ny fitsarana, Rasolo Elise Alexandrine, mikasika ny valin-teniny ny alahady teo momba ny fiampangan’ilay teratany frantsay nandositra ho nanao kolikolina 70.000 Euros taminy.

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro ny filaminana Malagasy Terena hamotika an-dRavalomanana

25/01/2018

Ataon-dRajaonarimampianina sy ny HVM fitaovana hamotehana an’i Marc Ravalomanana ny mpitandro ny filaminana. Na aiza na aiza alehan’ity farany, misy hatrany ny gafy sy ny antsojay ary tena niha mafy mihitsy tamin’ity herinandro ity. Nopotehina hatramin’ny fitaovana fanamafisam-peo tao Tolagnaro ny alatsinainy teo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Kolikoly avo lenta ao amin’ny fitsarana Miantso ny CSM hanadihady ny SMM

25/01/2018

Tsy mbola milamina ny raharaha Houcine Arfa sy ny ampamoaka isan-karazany nataony. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra aloha hoe marina ny nambarany sa diso ? Torak’izany koa ny nolazain’ireo manampahefana Malagasy voatonontonona, ka ny fanadihadiana lalina ihany no hamaritra ny tena marina.

Hamaky ny tohiny...

Lanto Rabenatoandro Ara-dalàna tsara ny dosien’ny AAA

25/01/2018

Mihamafy ny antsojay atao amin’ny orinasa AAA, ka nisy ny fakam-baovao misimisy kokoa natao tamin’ny Tale Jeneraliny Lanto Rabenatoandro omaly maraina teny amin’ny Magro Behoririka. Na ny Magro ao Behoririka na eny Tanjombato, dia mahazo fandrahonana fa hakatona avokoa. Ny alin’ny talata teo mantsy dia nidiran’ny miaramila tao Andranomanelatra Antsirabe.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Herim-pamotehana an’i Gasikara

25/01/2018

Hery vaovao ho an’i Madagasikara ! Io no teny faneva nentin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nirotsaka hofidiana filoham-pirenena tany amin’ny taona 2013. Feno 4 taona katroka anio ny nitondrany an’i Madagasikara, ka ny rehetra no afaka hamaly hoe: hery vaovao tokoa sa herim-pamotehana an’i Madagasikara?

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Hery Vaovao ho an’i Madagasikara Nitondra krizy vaovao ho an’ny Toekarena

25/01/2018

Efa-taona sahady no nanaovan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny fianianany amin’ny maha mpitondra azy (25 janoary 2014- 25 janoary 2018). Raha atao ny jery todika ny amin’ny zava-bita teto amin’ny firenena, indrindra ny lafiny ara-toekarena dia hita soritra tamin’ny lafiny maro ny tsy fahombiazan’ny fitondrana tarihiny.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanesorana mpikamban’ny SECES “Tsy manan-kery ny latsa-bato miafina”

25/01/2018

Manoloana ny vaovao mikasika ny raharahan-tokantranon’ny sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra na SECES, nivoaka tamin’ny haino aman-jery ny 12 janoary 2018 sy mba tsy hisian’ny savorovoron-kevitra ao amin’ireo mpikambana ny SECES rehetra manerana ny Nosy, dia mitondra fanazavana ny birao nasionalin’ny SECES ahitana an’Atoa isany Ralambomanana Dimby, Randrianasolo Rivoarison ary Randrianomanana Bruno

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fanomezana ho an`ny traboina Mbola azo atokisana ve ny BNGRC ?

25/01/2018

Nirarakopana ny fanampiana ho an`i Madagasikara rehefa miditra amin`ny taom-pahavaratra dia matetika misy ny loza voajanahary hitranga amin`ny vahoaka. Ohatra tamin`ny fandalovan`ny AVA, maro ireo vondrona na fikambanana eto an-toerana na iraisam- pirenena nanome fanampiana natolotra ny BNGRC na biraom-pirenena misahana ny loza voajanahary izay rafitra hitantana ny fitsinjarana amin`ny traboina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana