Fil d'actualités du 15/12/2018

  • 15/12/2018 - 11:00 : MARC RAVALOMANANA : Mahitsy, Faratsiho, Antsirabe no hanaovany fampielezan-kevitra anio mialohan'ny eny Mahamasina.

  • 13/12/2018 - 10:00 : ONJAM-PEO MIARA-MIAMPITA: Hisy ny fandaharana Miara-miampita iarahan'ny MBS Radio 95.4 fm, Radio Mada 102.8 fm, ToP Radio 102.8 fm, miampy radio maro manerana ny Nosy amin'izao ora izao.

  • 13/12/2018 - 09:30 : POLITIKA MALOTO: Misy ny fizarana vola 5 tapitrisa ho lehiben'ny distrika mba hanodikondina safidim-bahoaka, raha ny nambaran'ny kandida Ravalomanana tany Farafangana.

  • 12/12/2018 - 10:00 : POLITIKA MALOTO: Misy trakta, afisy, t-shirt hosoka haparitaka ary entina hanaratsiana ny kandida laharana faha-25 amin'izao fotoana. Efa nametraka fitarainana teny amin'ny mpitandro ny filaminana ny avy amin'ny K25.

  • 12/12/2018 - 09:30 : MBOLA RAJAONAH : Hampanantsoin'ny Bianco ny tenany saingy tsy fantatra mazava ny taratasin'ady, momba izany raha ny nambaran'ny mpisolovava azy Éric Rafidison ny herinandro lasa teo

  • 12/12/2018 - 09:00 : MARC RAVALOMANANA : Feno 69 taona katroka anio 12 desambra ny tenany. Miarahaba sy mirary soa azy handresy amin'ny ady hatrehany amin'izao fotoana izao satria miandrandra izany ny ankamatoan'ny Malagasy.

  • 10/12/2018 - 14:00 : CAN BEACH SOCCER: Hifandona amin'i Egypte ny Barean'i Madagasikara anio 10 desambra taorian'ny nandreseny 4-3 an'i Côte d'Ivoire omaly.

  • 10/12/2018 - 13:30 : MARC RAVALOMANANA: Tonga nanolotra seau, zinga, koveta ary savony ho an'ireo mpanasa lamba tao amin'ny bassin Bekiraro Andranomanalina i Lalao Ravalomanana sy ny K25.

  • 10/12/2018 - 13:00 : FAMPIELEZAN-KEVITRA: Mitarika ny fampielezan-kevitry ny kandida 25 Marc Ravalomanana teny amin’ny faritra Andavamamba, Bekiraro, Anosibe ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana amin’izao ora izao.

  • 10/12/2018 - 12:30 : BAOLINA KITRA: Tafiditra ao anatin’ireo mpilalao Afrikana mendrika indrindra tamin’iny herinandro iny ily mpilalao ny Barean'i Madagasikara Marco_Ilaimaharitra, Marco Ilaimaharitra, araka ny fandaharana navoakan’ny TV5 izay efa fanaon’izy ireo. 24 taona Ilaimaharitra ary milalao ao amin’ny Royal Charleroi Sporting Club any Frantsa.

Voir plus d'infos...

14/12/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180126

Misongadina

Orinasa Tiko AAA Hosamborina ny mpitantana ?

26/01/2018

Inona loatra no tian’ny fanjakana HVM hahatongavana amin’ny fanakatonana ny orinasa AAA amin’izao fotoana izao ? Ezahina hafangaro amin’i Marc Ravalomanana amin’ny resaka politika kanefa orinasa mamelona olona mivantana an’arivony io ary misy asa tsy mivantana an’aliny. Ny vahoaka ihany koa tia sy misitraka ny vokatra Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Andry Rajoelina Manara-dia an-dRavalomanana

26/01/2018

Hamory ireo Malagasy mpanara-dia azy mila ravinahitra any Frantsa miaraka amina olona ambony mpiara-miombon’antoka aminy i Andry Rajoelina anio zoma 26 janoary 2018. Efa nilaza ny tenany fa nandalim-pahaizana sy nihaona tamina karazan’olona isan-karazany mba hitadiavam-bahaolana ho an’ny firenena, hono.

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Aoka tsy haverina eto ny 1972 »

26/01/2018

Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly alakamisy25 janoary 2018 ny filohan’ny KMMR (Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana) Atoa Raveloson Constant. Anisan’ny noresahany ny momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina « Mila mampiseho ohatra tsara ny mpitondra »

26/01/2018

Nilaza ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa te hiroso lalina kokoa amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara rehefa avy nanatsara ny fitantanana sy nametraka ny fahamarinan-toeran’ny rafi-panjakana misy eto.

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny fifidianana Manana adidy lehibe ny mpiara-belona, hoy ny HOPE

26/01/2018

Nanatanteraka loabary an-dasy tetsy amin’ny ivontoerana American Center Tanjombato indray, omaly ny fikambanana Hetsika Olom-Pirenena Entanina (HOPE). Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fampahafantarana ny olom-pirenena tsy ankanavaka ny adidy miandry azy ireny mialoha ny hiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena izay hotontosaina amin’ity taona 2018 ity, tsy nandoavam-bola fa maimaimpoana.

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Malagasy Tsy mba mijery lavitra

26/01/2018

Miady mafy ny hantsoina ho “solombavambahoakan’i Madagasikara” voafidy tatsy na taroa ny depiote eto amintsika. Rehefa mandeha anefa ny fihaonana amin’ny governemanta na ny mitovitovy amin’izany, dia mandeha ny hoe: “ny any aminay tahaka izao sy izao”, ka rehefa tsy izay “ny anay sy ny any aminay” izay, dia tsy misy mpiraharaha firy ny zavatra atao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fitrohana ny etona karbôna Vola be ho an’ny fanjakana, ahoana ny fanaraha-maso ?

26/01/2018

Nahazo famatsiam-bola mitentina 2,150 tapitrisa dolara ny minisiteran`ny Tontolo iainana sy ny haivoary ary ny ala, ho fanomezan-danja ny tontolo iainana tamin`ny alalan`ny FEM na Fonds de l`environnement mondial sy ny PNUD.

Hamaky ny tohiny...

Valanaretina pesta Nampihena ny mpizahatany tamin’ny 2017

26/01/2018

Omaly no natao tetsy amin`ny village VOARA Andohatapenaka ny fampahafantarana ny ITM (International Tourism Fair Madagascar) andiany fahafito izay hotanterahina ny 31 mey ka hatramin`ny 3 jona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Tontolon’ny fampianarana Miverina indray ny ambalavelona sy satanika

26/01/2018

Nahenoana vaovao hafahafa tao amin’ny CEG Andasibe omaly, araka ny vaovao nalefan’ny radio iray any an-toerana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tseraserany. Ankizivavy roa, taona fahafito sy fahasivy no nidiran-javatra toy ny voan’ny ambalavelona sady nanao fihetsika sy fiteny hafahafa.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana