Fil d'actualités du 21/08/2018

  • 21/08/2018 - 17:05 : RAHARIVOHATRA CLAUDE: Tsy voaray ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena, fa tara ny fahatongavany teny amin'ny HCC.

  • 21/08/2018 - 17:00 : DIDIER RATSIRAKA: Izy no kandida farany nandrotsaka ny antontan-taratasy hahafaha-miatrika ny fifidianana amin'ny 7 novambra.

  • 21/08/2018 - 14:20 : HCC AMBOHIDAHY: Tonga manatitra ny doseany i Arlette Ramaroson, kandida ho filoha ihany koa.

  • 21/08/2018 - 13:00 : Orlando Robimanana, atolotry ny antoko Madagasikara Vina sy Fanantenana); Jean Max Rakotomamonjy, Leader Fanilo; Alain Mahavimbina, Gasikara Antsika Rehetra; Haingo Andriakajamalala Rasolofonjoa Avotra ho an'ny Firenena, Armandine Malala Savaron Rasoamalala; Falimampionona Rasolonjatovo Fitambolagnela/IAD no nanatitra dosieny ny tapany maraina teo.

  • 21/08/2018 - 12:00 : FIFIDIANANA : Kandida faha-34 nanatitra taratasy filantsaha-kofidiana ho filoha i Jean Louis Zafivao, atolotry ny antoko Gasy Mifankatia (GASYMI)

  • 21/08/2018 - 11:00 : ORLANDO ROBIMANANA: Nandefa iraka nanatitra ny antontan-tararatasiny filantsaha-kofidiana filoha teny amin'ny HCC Ambohidahy izy androany, ka nitarika ny delegasionina i Bruno Razafindrakoto.

  • 21/08/2018 - 10:15 : HCC AMBOHIDAHY: Tonga manatitra ny dosieny i Haingo Rasolofonjoa olon'ny Arema teo aloha, izay mirotsaka amin'ny anaran'ny antoko Avotra ho an'ny Firenena.

  • 21/08/2018 - 09:30 : POLITIKA: Hanao fanambarana eny amin'ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ny Praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay tsy HVM intsony fa mitarika ny antoko Orimbaton'i Maragasikara anio.

  • 21/08/2018 - 09:00 : FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Mifarana anio 21 aogositra amin'ny 5ora hariva ny fandraisana ny dosien'ireo kandida

  • 20/08/2018 - 15:00 : RANDRIAMAMPIONONONA JOSEPH MARTIN NA DADAFARA: Tafapetraka androany ny taratasy firotsahan-kofidiany ho filoham-pirenena.

Voir plus d'infos...

21/08/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180207

Misongadina

Raharaha 7 febroary Fanapotehana firenena

07/02/2018

Feno 9 taona katroka anio alarobia 07 febroary 2018 ny raharaha 07 febroary 2009, nisian’ny fananihan-dapa sy fitifirana teny Ambohitsorohitra tamin’izany fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana Mila azy ny Malagasy

07/02/2018

Toerana sy tanàna manodidina ny 260 izao no efa notsidihin’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara hatramin’ny nahatafaverenany an-tanindrazana taorian’ny nanoganana azy tamin’ny taona 2009.

Hamaky ny tohiny...

Fivoahan’ny praiminisitra any ivelany Fanesorana amin’ny fomba hafa kely

07/02/2018

Io ilay nambara fa tompondaka amin’ny zavatra hafahafa sy manjavozavo ny fitondrana HVM. Nambaran’ny didim-panjakana laharana 2018-097 nivoaka ny zoma 2 febroary lasa teo mantsy fa Atoa Ramarcel Benjamina Ramanantsoa izay minisitra misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena,

Hamaky ny tohiny...

Faritra Analamanga, Prefektiora, CUA Natomboka omaly ny fampihavanana

07/02/2018

Nihaona manokana tao amin’ny Lapan’ny tanànan’Analakely omaly talata 6 febroary ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, ireo mpikambana avy ao amin’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy dia ny jeneraly Charles Rabemananjara sy Razaka Oliva,

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Hanao St Valentin any Mantasoa ?

07/02/2018

Miala any indray ny governemantan`ny fandaniana sy ny fihetsiketsehana. Hisy indray mantsy ny fanaovana tombana na Team Building hotanterahina any Mantasoa ny 13 sy 14 febroary ho avy izao ka hanao ny fandaniana mihoapampana indray ny mpitondra fanjakana ahafahana mikarakara ny hetsika.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Fanjakana sy ny CENI

07/02/2018

Nifarana vonjimaika tamin`ny 31 janoary 2017 lasa teo ny fisoratana anarana tao amin’ny lisi-pifidianana, fisoratana anarana izay hahazoana ny lisitr’ireo mpifidy hiatrika ny fifidianana vinavinaina amin’ity taona 2018 ity.

Hamaky ny tohiny...

Famotehana nataon-dRajoelina tamin’ny 2009 Taona maro vao ho tafarina ny firenena

07/02/2018

07 febroary 2009 – 07 febroary 2018 : Feno 9 taona anio ny nanaovan-dRajoelina sorona olona miisa 37 sy ny nandratrany olona 200 latsaka. Raha tsiahivina kely ny tantara, rehefa avy namotika sy nandoro ny fananam-pirenena sy ny orinasa Malagasy maro ny ekipan’ny TGV ny 26 janoary dia tonga nihani-dapa ny 07 febroary 2009.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mba menatra ry Jean 7 a !

07/02/2018

Tena variana aho ry Jean fa ialahy isany indray ve no nitory ? Sa ve tokony ho navela hovakian’ialahy isany ny lapa feno basy sy ny tahirina volam-panjakana ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Antananarivo Atsimondrano Tratry ny fitaka bevava ireo sefom-pokontany

07/02/2018

Ny alarobia 31 janoary hariva no nilazana ny sefom-pokontany rehetra teny amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia Itaosy, Andranonahoatra, Ambavahaditokana, Tsararay, Fiombonana…

Hamaky ny tohiny...

Sport

Fanatanjahantena Malagasy Ny rafi-pitantantanana no miteraka savorovoro

07/02/2018

Tena mampisavorovoro sy mampikorontan-tsaina ny maro, na mpitantana, na mpilalao, na mpitia fanatanjahantena tsotra fotsiny izao, ny fikorontanan-dava miseho lany eo anivon’ireo rafim-pitantanana fanatanjahantena eto amintsika ka tsy mety ahitam-bahaolana mandraka ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miha krizy indray

07/02/2018

Nihazakazaka ny fahasahiranam-bahoaka tato anatin’ny fitondrana HVM, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiakaran’ny vidim-bary avo 2 heny amin’ny teo aloha fotsiny sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika matetika ary ny sandam-bola ho 2000% be izao nanomboka tany amin’ny fiitondran’ny filoha Tsiranana no ho nankaty.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Zotram-pitaterana suburbaine E Maro no manary olona antenantenan-dalana

07/02/2018

Mampitaraina an’ireo mpandeha avy any amin’ny By Pass hihazo ny renivohitra fatratra ny afitsoky ny zotram-pitaterana suburbaine E fa manivana olona tsotra izao ny ankamaroan’izy ireo, tahaka an’ireo zotram-pitaterana maro any amin’ny toeran-kafa ihany koa,

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Kaoperativam-pambolena Sahirana mitady lalam-barotra

07/02/2018

Nisy ny atrikasa manokana ho an’ny sehatra miara-miasa amin’ny kaoperativa notontosaina nanomboka omaly ary hifarana anio etsy amin’ny Colbert Antaninarenina.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

CISCO Antananarivo Renivohitra Tohanana manokana ireo mpianatra hiatrika CEPE sy BEPC

07/02/2018

Hifarana ny 02 martsa ho avy izao, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra Rtoa Rakotozafy Ramasy Harisoa, ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2018 ity.

Hamaky ny tohiny...

Sekoly Nomerika CEG 8 no hahazo fitaovana avy amin’ny Orange Solidarité

07/02/2018

Mitohy hatrany ny asa sosialy tanterahin’ny “Orange Solidarité” entina hanatsarana ny sehatry ny Fanabeazana eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fakana an-keriny Karana Mikorapaka ny fanjakana

07/02/2018

Miezaka mampiseho fandraisan’andraikitra ny fanjakana eo anatrehan’ny fakana an-keriny mahazo ny karana. Nibahan-toerana izany nandritra ny filankevitry ny governemanta, notarihin’ny Minisitry misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana Benjamina Ramarcel Ramanantsoa, misolo tena ny praiminisitra omaly teny Mahazoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Posy sy sarety Azo atao manara-penitra tsara

07/02/2018

Olana iray mbola saro-bahana eto amintsika ny fandaminana ny posy sy ny sarety. Matetika miteraka fitohanana sy fanelingelenana amin`ny fifamoivozana izy ireny ka mahavelon-taraina ny maro.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TRAFIKANA SOKATRA SY RONGONY

07/02/2018

Nisy ny vaovao nivoaka omaly momba ny raharaha fahatrarana fiara “sprinter” nitondra sokatra 245 sy rongony 10 gony tsy ara-dalàna sarona tao Fianarantsoa ny alin’ny 4 febroary teo.

Hamaky ny tohiny...

Vaovao avy any ivelany

VAOVAO AVY ANY IVELANY

07/02/2018

MALDIVES Manao antso amin’ny governemanta inde sy Etazonia ny mpanohatra ny fitondrana sy ny filoha Maldivianina teo aloha Mohamed Nasheeda mba hanampy azy ireo hanala ny filoha amin’izao Abdulla Yameen eo amin’ny fitondrana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana