Fil d'actualités du 21/08/2018

  • 21/08/2018 - 17:05 : RAHARIVOHATRA CLAUDE: Tsy voaray ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena, fa tara ny fahatongavany teny amin'ny HCC.

  • 21/08/2018 - 17:00 : DIDIER RATSIRAKA: Izy no kandida farany nandrotsaka ny antontan-taratasy hahafaha-miatrika ny fifidianana amin'ny 7 novambra.

  • 21/08/2018 - 14:20 : HCC AMBOHIDAHY: Tonga manatitra ny doseany i Arlette Ramaroson, kandida ho filoha ihany koa.

  • 21/08/2018 - 13:00 : Orlando Robimanana, atolotry ny antoko Madagasikara Vina sy Fanantenana); Jean Max Rakotomamonjy, Leader Fanilo; Alain Mahavimbina, Gasikara Antsika Rehetra; Haingo Andriakajamalala Rasolofonjoa Avotra ho an'ny Firenena, Armandine Malala Savaron Rasoamalala; Falimampionona Rasolonjatovo Fitambolagnela/IAD no nanatitra dosieny ny tapany maraina teo.

  • 21/08/2018 - 12:00 : FIFIDIANANA : Kandida faha-34 nanatitra taratasy filantsaha-kofidiana ho filoha i Jean Louis Zafivao, atolotry ny antoko Gasy Mifankatia (GASYMI)

  • 21/08/2018 - 11:00 : ORLANDO ROBIMANANA: Nandefa iraka nanatitra ny antontan-tararatasiny filantsaha-kofidiana filoha teny amin'ny HCC Ambohidahy izy androany, ka nitarika ny delegasionina i Bruno Razafindrakoto.

  • 21/08/2018 - 10:15 : HCC AMBOHIDAHY: Tonga manatitra ny dosieny i Haingo Rasolofonjoa olon'ny Arema teo aloha, izay mirotsaka amin'ny anaran'ny antoko Avotra ho an'ny Firenena.

  • 21/08/2018 - 09:30 : POLITIKA: Hanao fanambarana eny amin'ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ny Praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay tsy HVM intsony fa mitarika ny antoko Orimbaton'i Maragasikara anio.

  • 21/08/2018 - 09:00 : FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Mifarana anio 21 aogositra amin'ny 5ora hariva ny fandraisana ny dosien'ireo kandida

  • 20/08/2018 - 15:00 : RANDRIAMAMPIONONONA JOSEPH MARTIN NA DADAFARA: Tafapetraka androany ny taratasy firotsahan-kofidiany ho filoham-pirenena.

Voir plus d'infos...

21/08/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180208

Misongadina

Fisavana ny ozinin’ny AAA Tiko Afa-baraka fanintelony ny Jirama

08/02/2018

Nisy indray omaly alarobia ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny Jirama sy ny vadintany mba ho fanamarinana hatrany ny filazana fisiana halatra jiro ao amin’ilay trano fivantanan’i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Tetikasan’ny filoham-pirenena Lasa famotehan’olona manokana

08/02/2018

Mbola vao tany amin’ny oktobra 2015, nalaina an-keriny ny abatoiran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary navadika ho toeram-piantsonana manara-penitr’ireo fiara mpitati-bahoaka. Raha tsiahivina anefa dia tanin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izay nomeny ho an’ny CUA ity toerana voalaza teo ity.

Hamaky ny tohiny...

Beriziky, Hajo.A sy ny tariny Tsy manaiky “fifanarahana politika”

08/02/2018

Tany tan-dalàna i Madagasikara, ka tsy maintsy hajaina, ampiharina sy iainan’ny rehetra ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana, hoy ny fanambaran’ny mpitarika antoko politika maromaro omaly, nahitana an’i Hajo Andrianainarivelo, Omer Beriziky,

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Solonandrasana Tratry ny vela-pandrika

08/02/2018

Nifandimby naneho hevitra omaly alarobia ny praiminisitra izay mizaha fahasalamana atsy amin’ny nosy La Réunion sy ny tale kabinetra sivily eo anivon’ny primatiora Atoa Constant Rakototafika fa tsy nisy praiminisitra nametra-pialana na noesorina an-kolaka izany.

Hamaky ny tohiny...

Sora-bola momba ny tsenam-panjakana An-jatony miliara mampisavorovoro

08/02/2018

Niteraka resabe sy nampisavorovo saim-bahoaka ny fivoahan’ny atontan’isa mirakitra ny fampiasam-bola amina tsenam-baro-panjakana ho an’ny taona 2016, hita tao amin’ny tranokalan’ny sampandraharaha mitantana sy manara-maso ny resaka Tsenan’asam-panjakana na ny ARMP (armp.mg).

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Ho zakanareo ve ?

08/02/2018

Raha mba ialahy ry Jean no misy mandrahona ? Hoe ho avy ry dahalo handroba ny fananana. Na hoe sanatria ianareo no tratry ny "kidnapping" Angamba hisavoritaka sy hikorapaka toa inona.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fisolokiana tany Olona 3600 no voafitaka

08/02/2018

Tompona orinasa mpisehatra eo amin’ny resaka fivarotan-tany na irony “agence immobilier” irony no tafatsoaka any am-pitandranomasina rehefa nisoloky olona miisa 3600.

Hamaky ny tohiny...

Polisim-pirenena Hanangana sendikà ary hanatsara ny fomba fiasa

08/02/2018

Voatonontonona ny mpitandro ny filaminana tato ho ato manoloana ny resaka kolikoly misy eo amin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho polisy, amin’ny kidnapping ary amin’ny raharaha maro samihafa toy ny asan-dahalo sy famatsiana fitaovam-piadiana.

Hamaky ny tohiny...

Karatry ny mpanao gazety Nisy nametra-pialana indray tao anatin’ny komisiona

08/02/2018

Naharitra adim-pamantaran’andro telo ny fihaonan’ny mpikamban’ny Holafitry ny mpanao gazety voafidy teto amin’ny faritanin’Antananarivo sy ny solontenan’ny tompon-gazety omaly.

Hamaky ny tohiny...

Tetibolan’ny CUA Nobangan’ny fitondrana 2 miliara ariary

08/02/2018

Araka ny efa nambaran’ny lefitry ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Andriamorasata Julien, ny alatsinainy teo dia notsoahana tamin’ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo na ny CUA ihany koa ilay antsoina hoe “droit de circuler”,

Hamaky ny tohiny...

Tanora Malagasy Miroso aloha loatra amin’ny firaisana ara-nofo

08/02/2018

Ny talata farany teo no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano ny drafitrasa nasionaly momba ny fahasalaman’ny fananahan’ny tanora sy adolantsento ho an’ny taona 2018 -2020.

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany I –Antananarivo Mahavita kopia 1000 isan’andro

08/02/2018

Tsy marina ny feo iniana haely amin’izao fotoana izao fa tsy maharaka ny taratasy hanamboarana kopia mari-pahaterahana eo anivon’ny Boriborintany I.

Hamaky ny tohiny...

Arfa Houcine Hotsaraina miaraka amina depiote sy mpisolovava

08/02/2018

Amin’ny zoma ho avy izao no hanomboka ny fitsarana ny dosie 1565/17/COV izay mahakasika an’i Arfa Houcine, ilay gadra tafatsoaka. Ao amin’ny efitrano fahadimy, fitsarana ady heloka tsotra no hatao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fiangonana METM Zoara Famonjena Antohomadinika Tsy manaiky ny fanalana ny mpitandrina ny fokonolona

08/02/2018

Tsy manaiky ny hanalana ny mpitandrina ao amin’ny fiangonana METM Zoara Famonjena etsy Antohomadinika ireo fokonolona ao an-toerana. Miantso ny hiverenan’ny lehiben’ny fiangonana METM amin’ny fanapahan-keviny izy ireo sady miantso ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ihany koa hijery akaiky ny raharaha.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Amboaran’i Afrika 2018 Hanainga anio hariva ho any Kenya ny Fosa Juniors

08/02/2018

Hanainga anio harivan’ny alakamisy 08 febroary 2018 ho atsy Kenya ny mpilalaon’ny Fosa Juniors tompon’ny amboaran’i Madagasikara 2017 hiatrika ny ekipan’ny Afc Léopards avy any Kenya eo amin’ny dingan’ny lalao savaranonandon’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF 2018 lalao mandroso ho tontosaina any Nairobi rahampitso zoma 09 febroary 2018.

Hamaky ny tohiny...

Ligin’ny rugby eto Analamanga Lany ho filoha vaovao i Norbert Arnès Razafimbelo

08/02/2018

Tontosa tetsy amin’ny biraon’ny COM tetsy Ivandry ny talata 6 febroary 2018 teo ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny rafitra ligin’ny taranja rugby eto Analamanga hisolo an’i Andry La Pie izay nahazo fitsipaham-pitokisana tamin’ny seksiona 3 (Avaradrano, Atsimondrano, Andrefan’Iarivo) tamin’ny volana novambra 2017.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Misavoritaka ambony ambany

08/02/2018

Ny olana eo tsy milamina ny eo misosoka ihany noho ny tsy fahafehezan’ny HVM ny fanjakana. Mamy anefa ny mitsetsitra ny harem-pirenena eo ka dia mifikitra mafy.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Gare routière MAKI -Andohatapenaka Rahampitso no hifandamina ireo mpitatitra

08/02/2018

Ho fantatra amin’ny zoma ho avy izao ny fotoana hifindran’ireo taksiborosy miazo ny lalam-pirenena fahefatra sy voalohany etsy amin’ny tobim-piantsonana vaovao etsy Andohatapenaka.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

UPRIM Hatao nomerika ny fitaovana, hisokatra ny Master II

08/02/2018

Hatao nomerika avokoa manomboka amin’ny volana martsa na aprily ho avy izao ireo karazam-pitaovana rehetra hampiasaina eo anivon’ny sekoly ambony UPRIM etsy Andavamamba.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Aretina fanintona Mahavoa ny 10% n’ireo zaza latsaky ny ­6 taona

08/02/2018

Ny 10%-n’ireo ankizy latsaky ny enin-taona manerana ny Nosy no fantatra fa efa niharan’ny fanintona na ilay karazan’aretina mihinjitra sy miakatra maso.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

ANTETEZANA AFOVOANY

08/02/2018

Notokanana omaly ny “Centre Ilaiko” etsy Antetezana Afovoany, Boriborintany I. Toerana fandraisana ireo olona manana fitarainana noho ny herisetra na ny tsy fananan’asa izy io hiarahan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Croix rouge Malagasy ary ny Croix rouge Danoise. Ny kaominina no nanome ny tany, raha ny fikambanana Croix rouge roa tonta kosa no nanome sy niantoka ny fananganana ny fotodrafitrasa.

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHAM-PIRENENA

08/02/2018

« Tokony hajanona amin’izay ity kilalao hafahafa mifandrangitrangitra sy mitaritarika olona ity fa potika ny tanàna ary efa hita izao ny vokany fa tsy nampiova inon’inona akory kay ilay zavatra fa olom-bitsy ihany no mahazo tombony amin’ilay resaka. Iza kay no nahazo tombony tamin’ilay fanankorontanana izao », hoy ny mpanakanto Bekoto ao amin’ny Tarika Mahaleo.

Hamaky ny tohiny...

Vaovao avy any ivelany

Etazonia Manambana hanasazy an’i Korea avaratra indray

08/02/2018

Nambaran’ny filoha lefitry ny Amerikanina Mike Pence omaly alarobia nandritra ny fihaonany tamin’ny praiminisitra Japoney Shinzo Abe tany Tokyo fa hamoaka sazy ara-toekarena faran’izay mafy izay tsy mbola nahazo an’i Korea avaratra i Washington, nandritra ny fifampiresahan’ny roa tonta mahakasika ny fandrahonana ataon’i Korea avaratra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana