Fil d'actualités du 18/09/2018

  • 18/09/2018 - 11:00 : FITSARAM-BAHOAKA: Miisa 26 ireo olona matin'ny fitsaram-bahoaka hatramin'ny fiandohan'ity taona 2018 ity.

  • 18/09/2018 - 10:30 : MAHAJANGA:Rasazy iray ao amin’ny CHU Androva no voarohirohy amin’ny fangalarana ilay zaza mena vava ary efa nosamborin’ny mpitandro ny filaminana.

  • 18/09/2018 - 10:00 : FIFIDIANANA : Andrasana anio ny fahatongavan'ny Mpanolontaaina manokana eo anivon'ny Firenena Mikambana, Dia ny Pr Abdoulaye Bathily hijery ny resaka zotram-pifidianana, ka hijanona eto hatramin'ny 18 septambra.

  • 18/09/2018 - 09:30 : BAOLINA KITRA - FIFANINTSANAN'NY CAN 2019: Ny 13 oktobra any Malabo ny lalao mandroso hifanandrinan'i Madagasikara sy Guinée Équatoriale ary ny 16 oktobra kosa ny lalao miverina aty amintsika.

  • 17/09/2018 - 12:30 : MARC RAVALOMANANA: Efa mitsangana ny "comité de soutien" any Washington vonona hanohana ara-bola azy.

  • 17/09/2018 - 12:00 : SANDAM-BOLA: Tsy maintsy hakarina ny sandam-bola Malagasy satria tena mitotongana, hoy i Marc Ravalomanana.

  • 17/09/2018 - 11:30 : PESTA: Olona roa no voalaza fa matin'ny aretina Pesta tany amin'ny tanàna iray antsoina hoe Anjoma, ao amin'ny ditrikan'ny Ambalavao. Ny iray fantatra fa matin'ny Pesta "bubonique" ary ny iray kosa "pulmonaire".

  • 17/09/2018 - 11:00 : TONTOLON'NY LAMAODY: Hatao ny 24-28 septambra 2018 eny amin’ny IKM Antsahavola ny andiany faha-efatra amin’ny “Madagascar fashion week Océan Indien”, ka mpamorona lamaody folo mahery hampiseho an’ireo akanjo, poketra, firavaka, taovolo sy ny maro hafa ampiasaina amin’ny vanim-potoana mafana taona 2018 – 2019.

  • 17/09/2018 - 10:30 : BAKALOREA: Afaka manohy ny laza adina ireo tsy tonga ny maraina teo noho ny tsy fisian'ny naoty farany mitarika tsy fahafahana.

  • 17/09/2018 - 10:00 : TSIPY KANETIBE: Tompondaka lefitra eran-tany i Taratra Rakotoninosy rehefa resin'ilay Frantsay Dylan Rocher, tamin'ny isa 47-57 teo amin'ny famaranana. Niteraka disadisa ny fomba fitsarana ny lalao.

Voir plus d'infos...

18/09/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180221

Misongadina

Rajao sy Rajoelina Samy mpamitaka

21/02/2018

Mitohy ny lonilony eo amin’ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Maro no mametra-panontaniana hatramin’izao, inona marina no tena nampiady, ka nanilihan’ny HVM an-dRajoelina sy ny ekipany ?

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifidianana sy raharaham-pirenena Mampiahiahy ny fihetsik’i Lafrantsa

21/02/2018

Akaiky ny fifidianana ary fahita eto amintsika ny fidirana an-tsehatry ny firenen-dehibe amin’izany sy amin’ny raharaham-pirenena ankapobeny na mivantana na an-kolaka, io ilay antsoina hoe : “géopolitique”.

Hamaky ny tohiny...

Vina politika akaiky fifidianana Santatry ny fitadiavan-tseza

21/02/2018

Saika namoaka boky niraketany izay noheverin’izy ireo ho vinany hatrany ireo filoham-pirenena nandalo teto Madagasikara, indrindra, rehefa akaiky fifidianana tahaka izao. Nanana ny « politikan’ny kibo » ny filoha Philibert Tsiranana raha nitondra tamin’ny taona 1958 ka hatramin’ny 1972.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Avy nilaza habobo dia nankaiza ?

21/02/2018

Miarahaba ry Jean a ! Inona indray izao no ataonao any ambadimbadika any taorian’iny fanambarana mifono fampiesonana sy fampanantenana poakaty nataonao iny ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Gaboraraka ao amin’ny kaominin’i Toamasina Nametra-pialana ny filohan’ny mpanolotsaina

21/02/2018

Sambany teo amin’ny tantaran’ny kaominin’i Toamasina no nisy filohan’ny mpanolotsain’ny tanàna nametra-pialana noho ny zava-misy tsy mandeha amin’ny laoniny sy tsy manaraka ny lalàna ao Toamasina.

Hamaky ny tohiny...

Fampidanganana vidin-jiro Hararaotina ny fahalemen’ny vahoaka

21/02/2018

Midangana ny vidin-jiro ankehitriny. Tafakatra hatrany amin’ny 80% ho an’ny mpanjifa mampiasa ny « tarif 16 ». Vidiny tokana 370Ar/kwh, fa tsy misy intsony ny “1ére tranche” sy ny “2éme tranche” nanomboka ny faktiora janoary 2018.

Hamaky ny tohiny...

Rotsak’orana Mbola tena hatevina amin’ity volana febroary ity

21/02/2018

Na dia efa mamaramparana ny volana febroary aza isika ankehitriny dia fantatra fa mbola tena hatevina tanteraka ny rotsak’orana eto an-drenivohitra sy any amin’ny Faritra, raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

JMJ andiany faha-9 any Mahajanga Nahemotra noho ny fifanitsahana amin’ny BEPC

21/02/2018

Hahemotra ny 8-14 oktobra ho avy izao ny Fihaonamben’ny tanora na ny JMJ Mada andiany faha-9 eo anivon’ny fiangonana katolika, any Mahajanga noho ny antony samihafa.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Raharaha Delors Any amin’ny fitsarana ny baolina

21/02/2018

Anisan’ny raharaha nitana ny sain’ny maro tato ho ato ny mikasika ny fampidirana am-ponja ny tale kabinetran’ny lehiben’ny faritra Vatovavy Fitovinany Atoa Delors.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy anareo irery i Gasikara !

21/02/2018

Manjaka eto amintsika amin’izao ny tsolotra sy risoriso amin’ny fanendrena olona ambony sy fampidirana olona amin’ireny fifaninanana hidirana amina sekoly ambony manofana ho mpiasam-panjakana ireny.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Andohatapenaka Ahiana hikorontana anio

21/02/2018

Na dia teo aza ny hetsika fanoherana ny fifindran’ny Taksibrosy nataon’ireo mpivarotra teny amin’ny fasan’ny Karana, dia nanamafy halina ny tale jeneralin’ny ATT ny kolonely Andry Rakotondrazaka fa tsy maintsy atomboka anio alarobia ny fifindran’ireo mpitatitra miasa amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1) izay ahitana koperativa 14.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

ZES Madagascar Tsy maharesy lahatra an`ireo mpamatsy vola

21/02/2018

Efa an-taonany no nanomanana sy nikotrehina ny volavolan-dalàna niaraka tamin’ireo “Consultant international” mahakasika ny fametrahana ny tetikasa Faritra ara-toekarena manokana na ZES eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

TSENAM-BARO-PANJAKANA MANJAKA NY RISORISO

21/02/2018

Tsy misy ny mangarahara amin’ny tsenam-baro-panjakana fa kitranoantrano no misy eto Madagasikara. Fomba mody atao fotsiny ny fampafahantarana ny tsena ho an’ny daholobe (appeld’offre) fa efa fantatry ny minisitera ny hahazo. Mandeha be ny afera, araka izany,

Hamaky ny tohiny...

OMDA Mampitombo ny toekarena amin’ny famoronan’asa

21/02/2018

Anio no hanatanterahana ny fifampiarabana nahatrarana ny taona 2018 amin’ireo mpikambana ato amin’ny OMDA izay atao ao amin’ny Kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana