Fil d'actualités du 21/08/2018

  • 21/08/2018 - 17:05 : RAHARIVOHATRA CLAUDE: Tsy voaray ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena, fa tara ny fahatongavany teny amin'ny HCC.

  • 21/08/2018 - 17:00 : DIDIER RATSIRAKA: Izy no kandida farany nandrotsaka ny antontan-taratasy hahafaha-miatrika ny fifidianana amin'ny 7 novambra.

  • 21/08/2018 - 14:20 : HCC AMBOHIDAHY: Tonga manatitra ny doseany i Arlette Ramaroson, kandida ho filoha ihany koa.

  • 21/08/2018 - 13:00 : Orlando Robimanana, atolotry ny antoko Madagasikara Vina sy Fanantenana); Jean Max Rakotomamonjy, Leader Fanilo; Alain Mahavimbina, Gasikara Antsika Rehetra; Haingo Andriakajamalala Rasolofonjoa Avotra ho an'ny Firenena, Armandine Malala Savaron Rasoamalala; Falimampionona Rasolonjatovo Fitambolagnela/IAD no nanatitra dosieny ny tapany maraina teo.

  • 21/08/2018 - 12:00 : FIFIDIANANA : Kandida faha-34 nanatitra taratasy filantsaha-kofidiana ho filoha i Jean Louis Zafivao, atolotry ny antoko Gasy Mifankatia (GASYMI)

  • 21/08/2018 - 11:00 : ORLANDO ROBIMANANA: Nandefa iraka nanatitra ny antontan-tararatasiny filantsaha-kofidiana filoha teny amin'ny HCC Ambohidahy izy androany, ka nitarika ny delegasionina i Bruno Razafindrakoto.

  • 21/08/2018 - 10:15 : HCC AMBOHIDAHY: Tonga manatitra ny dosieny i Haingo Rasolofonjoa olon'ny Arema teo aloha, izay mirotsaka amin'ny anaran'ny antoko Avotra ho an'ny Firenena.

  • 21/08/2018 - 09:30 : POLITIKA: Hanao fanambarana eny amin'ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ny Praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay tsy HVM intsony fa mitarika ny antoko Orimbaton'i Maragasikara anio.

  • 21/08/2018 - 09:00 : FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Mifarana anio 21 aogositra amin'ny 5ora hariva ny fandraisana ny dosien'ireo kandida

  • 20/08/2018 - 15:00 : RANDRIAMAMPIONONONA JOSEPH MARTIN NA DADAFARA: Tafapetraka androany ny taratasy firotsahan-kofidiany ho filoham-pirenena.

Voir plus d'infos...

21/08/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180303

Misongadina

Raharaha Houcine Arfa Mampiady ny samy mpitsara

03/03/2018

Miteraka savorovoro eo amin’ny tontolon’ny Fitsarana ny nisamborana ny mpitsara mpanao famotorana iray anisan’ny nandray an-tanana ny raharaha Houcine Arfa, tao an-tranony ny alakamisy hariva tokony ho tamin’ny 7 ora.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rajoelina sy ny IEM Ny mpandrava tsy mahay manangana

03/03/2018

Antso ho an'ny mpiray tanindrazana mba hampitsaharana ny krizy sy ny disadisa izay mandrotika ny toekarena sy fiarahamonina Malagasy i Andry Rajoelina nandritra ny famoahaboasany ny Initiative Emergence Madagascar.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Manjaka ny tsy fifampitokisana

03/03/2018

Hita ho kaodikaody be ihany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’izao ankatoky ny fifidianana izao raha ny fihetsiny tato ho ato no jerena.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Mitady hidongy seza

03/03/2018

Matahotra sy mihorohoro fatratra ny tsy ho lany intsony ny filoha Hery Rajaonarimampianina, ary azo antoka ny tsy hahatafaverenany amin’ny sezany intsony raha madio sy mangarahara ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra HVM Miantso ny Rosianina hitrandraka harena eto ?

03/03/2018

Tonga tany Moscou Renivohitr’i Rosia omaly ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny delegasionina maromaro miara-dia aminy.

Hamaky ny tohiny...

SeFaFi Tsy afa-po amin’ny fanomanana ny fifidianana

03/03/2018

Toy ny fanaony isan-taona dia nampahafantatra ny tombana mikasika ny fanarahany maso ny fiainam-pirenena tamin’ny taona 2017 tetsy amin’ny toerana iray etsy Ambodivona omaly ny avy eo anivon’ny sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena na ny Sefafi.

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Volavolan-dalàna telo no lany omaly

03/03/2018

Depiote nanodidina ny 50 no tonga namonjy ny fivoriana nitambarambe omaly zoma 2 martsa 2018.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Andraso eo Paoly....

03/03/2018

Volana martsa, volana vaovao Fiainana tsy miova, ny eo ihany no ao. Niakatra indray ary ity vidin-tsolika, Inona indray no ho vokany, sao re dia hamotika ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tsena Petite Vitesse Hiova endrika sady hanara-penitra

03/03/2018

Mitohy ny fanatsarana ireo tsena eto Antananarivo Renivohitra ny fiadidiana ny tanàna, tarihin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Hita izany etsy amin’ny Esplanade Analakely, Anosibe, Soarano, Andravoahangy.

Hamaky ny tohiny...

Fisondrotan’ny vidin-jiro Miantraika amin’ny fihariana rehetra

03/03/2018

Tsy misy izay tsy mikaikaika na orinasa na olon-tsotra ny amin’ny fiakaran’ny faktioran’ny Jirama. Saika voakasika daholo ny sarambabem-bahoaka na ny mpandraharaha na ny mpiasa tena ka mahatonga fimenomenona.

Hamaky ny tohiny...

Lapan’ny tanàna Analakely Tsy namboarin’i Andry Rajoelina izany

03/03/2018

Nivoaka ny vaovao marina momba ny lapan’ny tanànan’Antananarivo taorian’ny nanambaran’i Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita teo aloha fa vokatry ny ezaka nataony no angady nananana sy vy nahitana io fotodrafitrasa io.

Hamaky ny tohiny...

Arina fandrehitra Mila hitovy amin’ny vidina “gaz” ny iray gony

03/03/2018

Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny saribao amin’ny gony amin’izao eny an-tsena. Efa misy mahatratra hatrany amin’ny 25.000 Ar mantsy ny iray gony lehibe amin’ireo saribao kininina raha 16.000 Ar kosa no mora indrindra amin’ireo karazany antsoina hoe : tsorany.

Hamaky ny tohiny...

TOP GASY Hanomboka anio ao amin’ny Top Radio 102.8

03/03/2018

Hanomboka anio sabotsy 3 martsa amin’ny 2 ora tolakandro ny fandaharana vaovaon’ny Onjam-peo Top Radio 102.8 FM, nampisalorana ny anarana hoe “Top Gasy”.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana TAMBOHOBE Hiatrika ady amin’ny herisetran’ny fananan-tany

03/03/2018

Tao anatin’ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona 2018 notanterahin’ny fikambanana TAMBOHOBE (TAnora MBOla HO BEazina) tarihin’ny filohany, Rabenjamina Willy tetsy Ampahibe omaly,

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra Ligue 1 Analamanga Miditra amin’ny andro faha-3 sy faha-4 ny fifaninanana

03/03/2018

Miditra amin’ny andro faha-3 sy andro faha-4 ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondaka 2018 ho an’ny Ligue 1 eto amin’ny ligin’Analamanga amin’ny baolina kitra.

Hamaky ny tohiny...

Basikety Amboaran'ny Filoha andiany faha-4 Miatrika ny manasa-dalana avokoa anio ny Faritra 2 farany

03/03/2018

Ireo lalao manasa-dalana hotontosaina ao amin'ny kianja mitafon'Ambatomena Fianarantsoa ho an'ny faritra Afovoany Atsinanana anio sabotsy 3 martsa 2018 :

Hamaky ny tohiny...

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy José Rakotoharison Nampiova ny fitondran-tenako ny Rugby

03/03/2018

Ny mpilalao taranja rugby à XV malaza eto amin’ny tanàna sady reharehan’ity taranja ity hatrany ampitan-dranomasina any no vahinin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena eto amin’ny Tia Tanindrazana anio sabotsy 3 martsa 2018.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Iza no tsy hirotsaka ?

03/03/2018

Sahiran-tsaina ny olom-pirenena teo aloha teo nametra-panontaniana hoe « iza re no hofidiana ee ? » Ireo mpikirakira vaovao moa tetsy an-daniny dia mba velom-panontaniana koa hoe « Iza avy ireo kandida ? ».

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

HOMI SOAVINANDRIANA 1.000 isan-taona ny zaza teraka ao, 300 tsy ampy lanja

03/03/2018

Manodidina ny 1.000 isan-taona amin’izao ireo zaza teraka eo anivon’ny hopitalin’ny Miaramila etsy Soavinandriana (HOMI). Ny 300 amin’ireo dia teraka tsy tonga volana avokoa noho ny rarintsaina mahazo ireo renim-pianakaviana mitondra vohoka, ny havizanana diso tafahoatra…

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Angovo azo havaozina Hamoraina ny haba aloa

03/03/2018

Notanterahina omaly tetsy amin’ny hotely Carlton ny atrikasa ny amin’ny fanatsarana ny sehatra ara-ketra ho an’ny angovo azo havaozina. Efa manomboka miroborobo ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Distrikan’i Betroka Anjakan’ny tsy fandriampahalemana sy fifamonoana

03/03/2018

Mandry tsy lavo loha ny mponina any Betroka ankehitriny, raha ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Andrimaso, Ajad Ridji Razafindrazanaka, izay misehatra amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Bala 10 900 hita teny Analakely Nangina ny raharaha

03/03/2018

Tsy dia heno na tsy nisy tohiny hatreto ny momba ny raharaha fahitana bala miisa 10 900 tamina vata vy miisa 8 hita tamina trano iray teny Analakely ny 16 febroary lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Vaovao avy any ivelany

Ouagadougou Nisy nanafika ny masoivoho Frantsay

03/03/2018

Nandriaka ny ra tao Ouagadougou renivohitr’i Burkina Faso omaly. Olona 7 no maty voatifitra, nahitana mpitandro ny filaminana ary 50 naratra.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fanjifana “Whisky” Tena niroborobo fatratra

03/03/2018

Tato ato dia manahirana ny mitady Whisky, indrindra ireny vita avy any ivelany ireny. Efa vitsy ny toeram-pivarotana mivarotra ary somary niakatra ny vidiny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana