Fil d'actualités du 19/11/2018

  • 19/11/2018 - 12:30 : MARC RAVALOMANANA: Tonga nisaotra ny vahoaka tany Fenoarivobe ny tenany androany, ary nampanantena fa vonona tanteraka amin'ny fihodinana aharoa.

  • 19/11/2018 - 11:00 : HCC: Rahampitso 20 novambra ny fe-potoana farany hahafahana mametraka fitoriana momba ny fifidianana filoha fihodinana voalohany eny amin'ny HCC, hoy ny eo anivon'ity andrim-panjakana ity.

  • 19/11/2018 - 10:30 : TAOM-PIOTAZANA LODISIA: Misokatra anio 19 novambra ny taom-piotazana lodisia any amin'ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Tsara ny vokatra tamin'ny.

  • 19/11/2018 - 10:00 : LISI-PIFIDIANANA: Ny lisitra nampiasaina tamin'ny fihodinana voalohany ihany no hampiasaina amin'ny fihodinana faharoa fa tsy afaka manokatra izany CENI, hoy ny mpampaka-teny Fano Rakotondrazaka.

  • 18/11/2018 - 14:15 : MARC RAVALOMANANA: Tonga manohana ny Barean'i Madagasikara hifandona amin'i Soudan eny Vontovorona ny tenany izay nandeha angidim-by nakeny an-toerana.

  • 17/11/2018 - 20:00 : Voka-pifidianana filoham-pirenena vonjimaika navoakan'ny CENI: >Andry Rajoelina 39,19% >Marc Ravalomanana 35,29% >Hery Rajaonarimampianina 8,84% >Pasteur Mailhol 1,27%

  • 17/11/2018 - 15:30 : VOKA-PIFIDIANANA: Fanambaran'ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaikan'ny fifidianana Filoham-pirenena novambra 2018 , anio asabotsy 17 novambra amin'ny 6 ora hariva. Alefa mivantana ao amin'ny Televiziona Malagasy sy ny Radio Nasionaly Malagasy.

  • 17/11/2018 - 13:30 : MBOLA RAJAONAH: Namoahana didy fampisamborana ny tenany rehefa tsy namaly ny antson'ny Bianco omaly. Ahiana ho misy ambadika politika ny raharaha.

  • 16/11/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Efa nigadona eto Madagasikara omaly ny ekipam-pirenena Soudanais hiatrika lalao miverina amin'ny Barea de Madagascar, fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2019 any Cameroun.

  • 16/11/2018 - 11:00 : KABARY: Anio 16 Novambra 2018 no Fankalazana ny ivon'ny faha-55 taona ny FIMPIMA izay tanterahina eny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Nandritra ity fankalazana androany ity ihany koa no nanendrena ireo birao foibe FIMPIMA mandritra ny 4 taona ho avy.

Voir plus d'infos...

19/11/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180331

Misongadina

Olan’ny MICTSL - Toamasina Hiteraka korontana raha tsy voavaha haingana

31/03/2018

Ny mpandraharaha no mamelona ny toekarena Malagasy ary ny 70%-n’ny entana miditra eto Madagasikara dia mandalo ao amin’ny seranan-tsambon’i Tomasina avokoa.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Vahoaka Malagasy Tratran’ny fampiesonana faobe

31/03/2018

Tsy mety manaiky ho resy na hilavo lefona mora foana Rajaonarimampianina sy ny ekipany na efa manangasanga izao aza ny firodanana. Mandeha ny fampiesonana manara-penitra amin’ny alalan’ny vina « Fisandratana 2030 ».

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Miandry fahagagana ny Malagasy

31/03/2018

Eo anelanelan’ny 24 novambra sy 24 desambra no hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika, raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana. 8 volana eo izany sisa hananantsika amin’ny fikarakarana sy fandaminana ny zava-drehetra satria ny 15 aprily izao no tokony hikatona tanteraka ny lisi-pifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Voan’ny NOTAM

31/03/2018

Ny olona tsy matanjaka sy milaza fa manana ny heriny kanefa tsy manana izany akory, dia miezaka mampiasa ny lalàna sy mpitandro ny filaminana, hoy i Andry Rajoelina,

Hamaky ny tohiny...

Fandinihana ny lalàna hifehy ny fifidianana Mandany volam-panjakana kanefa hampikorontana avy eo

31/03/2018

Nikaon-doha nandritra ny telo andro momba ny volavolan-dalana fehizoro hifehy ny fifidianana teny amin’ny hotely le Paon d’Or Maibahoaka Ivato ireo depiote mpomba ny fitondrana HVM.Fihetsika sy fomba fiasa nanaitra ihany hoe ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana mbola tsy tapitra ve no mifampitaona any amina hotely ny olom-boafidy, fa hoe mivory hono.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mba hono ho aho e..

31/03/2018

Fofon-kelika ve misy manitra? Ary ny petak'orona ve mba maranitra? Misy maso ve ny fakantsary? Ny marina ve azo aharihary?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sary sy horonantsary mamoafady Mbola hisy mpanao politika ho lasibatra …

31/03/2018

Miha mahazo vahana tanteraka amin’izao ny famoahana sary mamoafady hoenti-manala baraka olona ambony, mpanao politika, mpandraharaha, mpanakanto …

Hamaky ny tohiny...

Fandaniana amin’ny fetin’ny Paska Mihena hatrany ny tetibolan’ny isan-tokantrano

31/03/2018

Mihamihena hatrany ny tetibola hampiasain’ny isan-tokantrano hiatrehana ny fety eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Fahapotehan’ny tontolo iainana Marefo indrindra i Madagasikara

31/03/2018

Nisy ny atrikasam-pirenena momba ny tontolo iainana sy ny toetr’andro izay notontosain-dry zareo avy eo anivon’ny vondron’ireo tanora nanolo-tena hirotsaka ho amin’izany na ilay antsoina hoe Gasy youth up tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fetin’ny Paska ao Antsirabe Vao mainka miavaka ny amin’ity

31/03/2018

Anaty lanonan’ny paska tanteraka ny ao Antsirabe na dia nosantarina tamin’ny oram-baratra aza izany omaly. Isan-taona moa dia mivoatra sy miova hatrany ny endriky ny fankalazana satria hatramin'izay dia nanjaka tokana ny orinasa mpamokatra zava-pisotro iray ao an-toerana, amin'ny fanafanana ny fety.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Fitokanana ny biraon’ny CAF eto Madagasikara Antony tsy namelana ny filohan’ny tetezamita nankany Mahajanga ?

31/03/2018

Tsy navela nankany Mahajanga ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Ravelomanantsoa Mamy Andriantiana Mampandroso ny fanarahan-dalàna eo amin’ny fanatanjahantena

31/03/2018

Iray amin’ireo atleta namiratra indrindra teo amin’ny fiangaliana ny taranja basket-ball Malagasy, indrindra teo amin’ny tifi-davitra fony tsy mbola nisy « tirs à 3 points » ofisialy no vahinin’ny

Hamaky ny tohiny...

Kitra - Ligue 1 Analamanga Montsan’ny Cosfa 6-0 ny ekipan’ny Mi-20

31/03/2018

Tontosa ny alarobia teo ny andro faha-9 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligy 1 eto Analamanga amin’ny taranja baolina kitra.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ny tantara tsy fanadino !

31/03/2018

Fetin’ny paska isika izao, ka tokony hisy ny fitoniana eto amin’ny firenena, raha tena olonkendry sy mitsinjo ny vahoaka Malagasy sy hamela azy ireo hifety am-pitoniana ny mpitondra sy ny mpanao politika.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Lalana Anosivavaka Ambohimanarina Nanome tanana indray ny depiote Horace

31/03/2018

Tsy nionona tamin’ny fanentsenana ireo lavaka be teo amin’ilay lalana Anosivavaka midina any amin’ny Soam eny Ambohimanarina nanomezany tanana ny fokonolona ny depiote TIM, Rasoanoromalala Horace, fa mbola nanolotra fasika sy vatokely ary ciment 15 lasaka indray ny tenany ny talata 27 martsa lasa teo hanamafisana “béton” an’io ampahan-dalana io.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Prescolaire ao Andohatapenaka II Tsy manana trano hianarana fa nandray traboina ny biraom-pokontany

31/03/2018

Miisa 110, ireo ankizy eo anelanelan’ny telo ka hatramin’ny dimy taona, manovo fahalalana eo anivon’ny “prescolaire” ao amin’ny fokontany Andohatapenaka II.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Tatitry ny iraky ny FMI Mifanohitra amin’ny an’ny mpahay toekarena Malagasy

31/03/2018

Nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola Antaninarenina fa vita ny tomban’ezaky ny teknisianina avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) izay notarihin’i Marshall Mills,

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’i Madagasikara Mbola misy ny manao ory hava-manana

31/03/2018

Matroka ny tarehimarika ara-toekaren’i Madagasikara navoakan’ny Banky iraisam-pirenena ary voasokajy ho anisan’ny firenena tena marefo isika amin’ny lafiny maro.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana eny Besarety Nohamoraina ny fahafahan’ny olona mifandray an-telefaonina

31/03/2018

Anisan’ny mbola voasokajy ho ao anatin’ny faritra mena amin’izao ny Faritr’i Besarety ao anatin’ny Boriborintany fahatelo. Ankoatra ny rano miakatra rehefa fotoam-pahavaratra izay mamono olona hatrany amin’ny ankapobeny dia mahazo vahana ihany koa ny tsy fandriampahalemana.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

JIOLAHY RAINDAHINY

31/03/2018

Nivoaka ny fonja sahady i Nônô vola sandoka rehefa nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika. Io farany anefa, raha tsiahivina fohy, dia nitsoaka hatrany ary voatery namoahana didy fampisamborana sy fikarohana manerana ny nosy vao voasambotra.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Mpibodo tany resy teo amin’ny fitsarana Tsy niraharaha ny didy, hoy ireo mponina

31/03/2018

Tany maherin’ny 3 ha no lasan’ny orinasan-tserasera iray any Salazamay Atsimo ao Toamasina na dia efa nahazo rariny tamin’ny Fitsarana aza ireo mponina nanajary ny tany efa an-taonany maro, araka ny fitarainan’ny solontenan’izy ireo, niakatra aty Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Gaboraraka eto Madagasikara Marefo ny fanaraha-maso ireo vahiny

31/03/2018

Tafakatra 20 000 ny olona niova fo ka lasa jihadista any Frantsa, araka ny tatitra navoakan`ny sampandraharaha misahana ny fampihorohoroana na FSPRT ny volana aogositra lasa teo, raha am-polony monja izany tamin`ny 2014.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana