Fil d'actualités du 22/06/2018

  • 22/06/2018 - 17:05 : MONDIAL 2018: Nandresy an'i Costa Rica tamin'ny isa 2-0 i Brésil.

  • 22/06/2018 - 15:30 : FANONDRANANA SAFIRA ANTSOKOSOKO: 18 taonina isan-taona amin'ny safira Malagasy no haondrana antsokosoko tsy hanaovana fampahafantarana hampiasana taratasy miendrika ara-dalàna, raha ny tatitry ny Bianco.

  • 22/06/2018 - 15:00 : ASAN-DAHALO: Nahatratra 4000 teo ho eo no maty tao anatin'ny 5 taona farany, ka 3000 ny dahalo ary 100 ny fokonolona, ary 100 eo ho eo ny mpitandro filaminana, hoy ny zandarimariam-pirenena tamin'ny alalan'ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra.

  • 22/06/2018 - 14:30 : FANONDRANANA SAFIRA: 2 taonina isan-taona no voasoratra ofisialy eto amintsika, kanefa 20 taonina no tena mivoaka, araka ny loharanom-baovaonay mikasika ny fanondranana an-tsokosoko, hoy ny lehiben'ny Bianco Jean Louis Andriamifidy.

  • 22/06/2018 - 14:00 : JEAN RAVELONARIVO: Tsy mbola fotoana aloha izao hitondrana fanakianana na fitenenana mahakasika ny zava-misy eto amin`ny Firenena.Fandraisana andraikitra no atao ary izay no antony hirotsahan-kofidiana filoha, hoy izy.

  • 22/06/2018 - 13:45 : TOEKARENA: Tokony hampidirina amin`ny taranja fanofanana ireo tanora eny amin`ny oniveriste ny fanalboarana milina ampiasaina eny anivon`ny orinasa, hoy ny Filohan'ny Sendikan'ny Indostria na ny SIM Freddy Rajanera androany.

  • 22/06/2018 - 13:15 : KAOMININA TALATAMATY: Nisotraka tamin'ny fomba ofisialy androany ny santam-bokatra sy santam-bary, ka ny ben'ny tanana no nanokatra azy.

  • 22/06/2018 - 13:00 : MONDIAL 2018 - FANDAHARAN-DALAO ANIO: - Brésil # Costa Rica amin'ny 3 ora tolakandro - Nigéria # Islande amin'ny 6 ora hariva - Serbie # Suisse amin'ny 9 ora alina

  • 22/06/2018 - 12:45 : BEFANDRIANA AVARATRA: Nampidirina am-ponja noho ny resaka fivarotana lavanila maitso antsokosoko milanja 17kg tratra tao an-tranony ny Ben’ny tanàna.

  • 22/06/2018 - 12:15 : FAMPIANARANA: Tsy hisy fihemorana ny fanadinam-panjakana, hoy ny minisitra Horace Gatien.

Voir plus d'infos...

22/06/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180404

Misongadina

TIM- MAPAR-TSY MIANKINA “Ravao ny Antenimieram-pirenena”

04/04/2018

Raha mbola avy nandany an’ilay volavolan-dalàna mikasika ny ZES sy nanatrika ny lanonana famaranana ny fivoriana tsy ara-potoana faha-3 tao an’efitrano fivorian’ny Antenimieram-pirenena omaly takariva ireo depiote niisa 79 nandany ihany koa an’ireo volavolan-dalàna fehizoro 3

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lalàna mifehy ny fifidianana Lany tao anatin’ny kolikoly sy ny savorovoro

04/04/2018

Lany tao anatin’ny kolikoly sy ny savorovoro ny volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Antoko Miombon’Ezaka « Tsy izy io lalàm-pifidianana io ! »

04/04/2018

Raikitra tokoa, araka ny efa nanampoizana azy, ny savorovoro teny amin’ny antenimieram-pirenena manoloana ny fikasan’ny fitondram-panjakana handany amboletra ireo tolo-dalàna mikasika ny fifidianana notontosaina teny Tsimbazaza omaly.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Randrianasolo Nicolas Mpanakorontana ireo depiote nivoaka ny efitrano fivoriana

04/04/2018

Harofanina ho an’ireo mpanao politika Malagasy no nandanianay depiote 79 mpomba ny fitondrana an’ireo volavolan-dalàna fehizoro niisa 3 mikasika ny fifidianana hotanterahina eto amintsika amin’ity 2018 ity omaly talata 3 aprily, hoy ny depiote Randrianasolo Nicolas,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Latsao ihany izahay e !

04/04/2018

Eny ho aho ry Jean ! Ataonareo inona tokoa moa 50 tapitrisa ariary fa ianareo toa hoe efa miliardera daholo e ? Dia arahabaina indray aloha ianareo fa tonga amin’ny tanjona irina koa !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Kaominina Ambohimalaza Mitrandraka tsy miato ny Sinoa

04/04/2018

Efa an-taonany izao no mitrandraka vato tsy miato ao anatin’ny kaominina Ambohimalaza ireo teratany sinoa maromaro. Tany ana ha maro no efa potika tanteraka ankehitriny,

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Potehin’ny mpanao politika ny firenena Andrasana ny fandraisan’andraikitry ny FFKM

04/04/2018

Mikorontana ny firenena ankehitriny ary ahiana mihitsy ny ady saritaka atsy ho atsy raha izao no mitohy.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Taranja Judo Manomboka mahaliana ny ankizy sy ny tanora

04/04/2018

Manomboka mahaliana ireo ankizy sy tanora eto amintsika ny taranja Judo ankehitriny. Sady hahafahana mitaiza vatana mantsy izy no hahafahana mifehy ny fihetseham-po ihany koa saingy mila finiavana.

Hamaky ny tohiny...

Kick Boxing – Faha-10 taonan’i Me Francis Lalao 30 no natrehana tamin’ny sabotsy teo

04/04/2018

Mpikatroka nahatratra 70 avy amin’ny klioba eto Antananarivo sy Antsirabe ary avy any Moramanga no niatrika an’ireo lalao niisa 30 nalahatry ny mpikarakara tamin’ny fankalazana ny faha-10 taona niangalian’i Me Razafimahatratra Francis ny taranja Kick Boxing (lalaon’ny Cadet 6, junior 15 ary Sénior classe C 9), tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny sabotsy 31 martsa lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

« Tournoi de Pâques 2018 3FA » Nanjakan’i Sabotsy Namehana tanteraka

04/04/2018

Ny talata 26 martsa ka hatramin’ny alahady 1 aprily 2018 lasa teo no nanatanterahana ny « Tournoi de Pâques 2018 » nokarakarain’ny Club 3FA Avaradrano tarihan’ny filohany, Rakotonirina Harison Philibert, teny amin’ny kianjan’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny kianja Herisetra Rafanodiana teny Sabotsy Namehana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miantehitra amin’ny hazo boboka !

04/04/2018

Nandresy ny tolon’ny fanjakana HVM tamin’ny fampandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana, izay tsy ankasitrahan’ny maro. Mihevitra izany izao fa mahery sy matanjaka na ara-politika na ara-bola.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanabeazana Ilana fahaizana ny mitondra lasi-pibeazana

04/04/2018

Fiofanana roa no notontosaina teny amin’ny Cemeam Ilafy ny 24 martsa ka hatramin’ny 31 martsa lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Sehatra harena ankibon’ny tany Maro ny olana tokony hovahana

04/04/2018

Fototry ny tsy fandrosoan’ny firenena ny firafitra izay miankin-doha betsaka amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany mitodika amin’ny fanondranana any ivelany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

Be vaovao mirija Kolontsaina

04/04/2018

“Misy antony” ! Io no isaloran’ny fiarahana miaraka amin’ilay andriambavilanitry ny feo manga Malagasy, Lalatiana, etsy amin’ny Food court – La City Ivandry rahampitso alina.

Hamaky ny tohiny...

FANAJARIANA NY TANY

04/04/2018

Hisy ny fandefasana mpianatra any Sina momba ny fanajariana ny tany. Noho ny fahatsapàna fa tsy avotra intsony ny tanànan’Antananarivo rehefa amin’ny vaninandro avy orana no antony.

Hamaky ny tohiny...

LALANA MIFEHY NY FIFIDIANANA

04/04/2018

Fandresen’ny Demokrasia no nitranga teny amin’ny Antenimierampirenena androany, hoy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier omaly satria ny maro an’isa no nandany ireo ny lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Mpianatra 8 miandahy ao amin’ny INSCAE Nahatsangana "coin bibliothécaire"

04/04/2018

Mpianatra 8 mianadahy dia Rakotozafy Miray, Rajaofara Landy, Razafinirina Clara, Rakotovao Tsiky, Andriamanantsoa Manoritantely, Ranaivoson Arly, Ranaivoson Sandy, Randrianarisata Sylvio, taona faharoa ao amin’ny sekoly ambony INSCAE, mitondra ny anarana hoe "Innovation project" no nanatanteraka tetikasa ara-tsosialy, tamin’ny alalan’ny fananganana "coin bibliothécaire" tao amin'ny "Centre Olom-baovao Hospice et Orphelinat Ambohimahitsy", ny 29 martsa lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Famotehana an’i Madagasikara Azo toherina tsara

04/04/2018

Mandeha hatrany ny fanapotehana moramora an’i Madagasikara. Miainga amin’ny fanimbana ny sehatra fampianarana izany ary mipaka hatrany amin’ny toekarena iray manontolo mihitsy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana