Fil d'actualités du 19/11/2018

  • 19/11/2018 - 12:30 : MARC RAVALOMANANA: Tonga nisaotra ny vahoaka tany Fenoarivobe ny tenany androany, ary nampanantena fa vonona tanteraka amin'ny fihodinana aharoa.

  • 19/11/2018 - 11:00 : HCC: Rahampitso 20 novambra ny fe-potoana farany hahafahana mametraka fitoriana momba ny fifidianana filoha fihodinana voalohany eny amin'ny HCC, hoy ny eo anivon'ity andrim-panjakana ity.

  • 19/11/2018 - 10:30 : TAOM-PIOTAZANA LODISIA: Misokatra anio 19 novambra ny taom-piotazana lodisia any amin'ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Tsara ny vokatra tamin'ny.

  • 19/11/2018 - 10:00 : LISI-PIFIDIANANA: Ny lisitra nampiasaina tamin'ny fihodinana voalohany ihany no hampiasaina amin'ny fihodinana faharoa fa tsy afaka manokatra izany CENI, hoy ny mpampaka-teny Fano Rakotondrazaka.

  • 18/11/2018 - 14:15 : MARC RAVALOMANANA: Tonga manohana ny Barean'i Madagasikara hifandona amin'i Soudan eny Vontovorona ny tenany izay nandeha angidim-by nakeny an-toerana.

  • 17/11/2018 - 20:00 : Voka-pifidianana filoham-pirenena vonjimaika navoakan'ny CENI: >Andry Rajoelina 39,19% >Marc Ravalomanana 35,29% >Hery Rajaonarimampianina 8,84% >Pasteur Mailhol 1,27%

  • 17/11/2018 - 15:30 : VOKA-PIFIDIANANA: Fanambaran'ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaikan'ny fifidianana Filoham-pirenena novambra 2018 , anio asabotsy 17 novambra amin'ny 6 ora hariva. Alefa mivantana ao amin'ny Televiziona Malagasy sy ny Radio Nasionaly Malagasy.

  • 17/11/2018 - 13:30 : MBOLA RAJAONAH: Namoahana didy fampisamborana ny tenany rehefa tsy namaly ny antson'ny Bianco omaly. Ahiana ho misy ambadika politika ny raharaha.

  • 16/11/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Efa nigadona eto Madagasikara omaly ny ekipam-pirenena Soudanais hiatrika lalao miverina amin'ny Barea de Madagascar, fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2019 any Cameroun.

  • 16/11/2018 - 11:00 : KABARY: Anio 16 Novambra 2018 no Fankalazana ny ivon'ny faha-55 taona ny FIMPIMA izay tanterahina eny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Nandritra ity fankalazana androany ity ihany koa no nanendrena ireo birao foibe FIMPIMA mandritra ny 4 taona ho avy.

Voir plus d'infos...

19/11/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180407

Misongadina

Marc Ravalomanana Miantso ny filoha handray andraikitra

07/04/2018

Namoaka fanambarana ofisialy omaly hariva ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana ka niantso ny filoham-pirenena am-perinasa Hery Rajaonarimampianina sy ireo mpikambana eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mba samy handray ny andraikitr’izy ireo avy ho fampitsaharana ny fanosihosena ny lalampanorenana sy ho fanakanana ny fijoroana fanjakana jiolahimboto eto.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fivondronan`ireo mpanao politika Manohitra izay tsy mety ataon`ny fitondrana

07/04/2018

Mafampana ny tontolo politika teo amintsika tato amin`ny andro vitsivitsy izay tamin`ny tranga teo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Fanambarana etsy, fitakiana aroa, fikonokononana hetsika any ambadimbadika rehetra any…

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ho very amin’ny kilalaom-bola

07/04/2018

Mahavaka ny sain’ny maro ihany ny fisesisesin’ny fanambarana politika tato ho ato, indrindra ny resaka filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Tsy mitsitsy ny mpitondra Voaroaka teny Amparibe i Christine Razanamahasoa

07/04/2018

Nanaovan’ny mpitandro ny filaminana marobe bemidina vao maraina teny amin’ny trano nitoerany teny Amparibe ny solombavambahoaka sady minisitry ny fitsarana teo aloha Christine Razanamahasoa omaly.

Hamaky ny tohiny...

R.F.M Tsy hitondra fitoniana io lalàm-pifidianana io

07/04/2018

Tsy hita mazava izay fandraisan'andraikitry ny mpitondra manoloana ny zava-misy iainan'ny vahoaka Malagasy ankehitriny ary mandalo fotoan-tsarotra ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

JAONA ELITE

07/04/2018

Nandeha ny feo omaly fa nisy namono teo Ampefiloha ny solombavambahoaka Jaona Elite.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Hentitra ny SECES “Tsy misy mpitondra avela mitsoaka any ivelany”

07/04/2018

Nanatanteraka fivoriambe tao amin’ny efitrano Amphi 24 ao amin’ny FLSH Ankatso ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra na ny SECES Sampana Antananarivo ny alakamisy 5 aprily lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Adina mpivady amin’ny alina Mety mampigadra raha misy mitory maromaro

07/04/2018

Anisan’ny olana mitranga eny anivon’ny fiaraha-monina, indrindra fa ny eny amin’ny faritra iva ny adina mpivady.

Hamaky ny tohiny...

Claudine Razaimamonjy Herintaona katroka anio ny nanagadrana azy

07/04/2018

Feno herintaona katroka anio zoma 7 aprily ny didy fampidirana am-ponja vonjimaika an’i Claudine Razaimamonjy noho ny resaka kolikoly. Ny 3 aprily 2017 no nisamborana azy teny anoloan’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, rehefa tsy namaly ny fampiantsoana nataon’ny Bianco hanaovana fanadihadiana.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Challenge National Basket 3 x 3 2018 Tanora 192 mianadahy no mifaninana eto Antananarivo

07/04/2018

Tanora miisa 192 mianadahy avy amin’ny klioba 32 zatovolahy sy 16 zatovovavy avy any amin’ny ligim-paritry ny basikety 11 eto amin’ny nosy no mifanandrina amin’ny lalao basikety lalaovin’olona 3 na “Challenge National Basket 3 x 3 2018 etsy amin’ny tokotanin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina Antananarivo mandritra ny roa andro nanomboka omaly zoma 6 aprily sy anio sabotsy 7 aprily 2018.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Demokrasia inona ity ?

07/04/2018

Demokrasia inona ity ? Lahatsoratra ana manampahaizana iray izay io mendrika fanontaniana voalaza io. Raha tsiahivina ny famakafakan’ny mpanoratra dia nahalasa saina azy io fanontaniana io,

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

MICTSL Toamasina Tsy mbola mivaha ny olana

07/04/2018

Mbola olana hatrany ny famoahana entana ao amin’ny MICTSL Toamasina. Milaza ny handray andraikitra sy hijery akaiky ny raharaha ny praiminisitra sy ny minisitry ny fitaterana kanefa tsy hita hatramin’izao.

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana maharitra eny ifotony Mila mandray andraikitra ny tanora

07/04/2018

Omaly no natao tetsy amin’ny Akademy Malagasy Tsimbazaza ny fankalazanan’ ny faha 25 taona niarahan’ny Global Environment Facility/Small Grants Programme (GEF/SGP) sy ny Programme de Nations Unies pour le Développement (PNUD) eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Tanora mpandraharaha Tokony hotohanan’ny fanjakana amin’ny fampisamboram-bola

07/04/2018

Tsy handroso mihitsy ny firenentsika, hoy Atoa Hasina, talen’ny orinasa FENEC anisan’ireo mpanamboatra fotodrafitrasa eto amintsika raha mbola hiasa aman’olona foana ireo tanora Malagasy marobe nahavita fianarana fa tsy hanana orinasa mahaleotena ho an’ny tenany.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Tarika Mage 4 Hanohy ny tantarany

07/04/2018

Hiavaka ny fampisehoana izay hatolotry ny tarika Mage 4 etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny 22 aprily ho avy izao raha ny fanazavana faramparany azo avy amin’ny tarika omaly tetsy amin’ny Kudeta Anosy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana