Fil d'actualités du 22/06/2018

  • 22/06/2018 - 17:05 : MONDIAL 2018: Nandresy an'i Costa Rica tamin'ny isa 2-0 i Brésil.

  • 22/06/2018 - 15:30 : FANONDRANANA SAFIRA ANTSOKOSOKO: 18 taonina isan-taona amin'ny safira Malagasy no haondrana antsokosoko tsy hanaovana fampahafantarana hampiasana taratasy miendrika ara-dalàna, raha ny tatitry ny Bianco.

  • 22/06/2018 - 15:00 : ASAN-DAHALO: Nahatratra 4000 teo ho eo no maty tao anatin'ny 5 taona farany, ka 3000 ny dahalo ary 100 ny fokonolona, ary 100 eo ho eo ny mpitandro filaminana, hoy ny zandarimariam-pirenena tamin'ny alalan'ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra.

  • 22/06/2018 - 14:30 : FANONDRANANA SAFIRA: 2 taonina isan-taona no voasoratra ofisialy eto amintsika, kanefa 20 taonina no tena mivoaka, araka ny loharanom-baovaonay mikasika ny fanondranana an-tsokosoko, hoy ny lehiben'ny Bianco Jean Louis Andriamifidy.

  • 22/06/2018 - 14:00 : JEAN RAVELONARIVO: Tsy mbola fotoana aloha izao hitondrana fanakianana na fitenenana mahakasika ny zava-misy eto amin`ny Firenena.Fandraisana andraikitra no atao ary izay no antony hirotsahan-kofidiana filoha, hoy izy.

  • 22/06/2018 - 13:45 : TOEKARENA: Tokony hampidirina amin`ny taranja fanofanana ireo tanora eny amin`ny oniveriste ny fanalboarana milina ampiasaina eny anivon`ny orinasa, hoy ny Filohan'ny Sendikan'ny Indostria na ny SIM Freddy Rajanera androany.

  • 22/06/2018 - 13:15 : KAOMININA TALATAMATY: Nisotraka tamin'ny fomba ofisialy androany ny santam-bokatra sy santam-bary, ka ny ben'ny tanana no nanokatra azy.

  • 22/06/2018 - 13:00 : MONDIAL 2018 - FANDAHARAN-DALAO ANIO: - Brésil # Costa Rica amin'ny 3 ora tolakandro - Nigéria # Islande amin'ny 6 ora hariva - Serbie # Suisse amin'ny 9 ora alina

  • 22/06/2018 - 12:45 : BEFANDRIANA AVARATRA: Nampidirina am-ponja noho ny resaka fivarotana lavanila maitso antsokosoko milanja 17kg tratra tao an-tranony ny Ben’ny tanàna.

  • 22/06/2018 - 12:15 : FAMPIANARANA: Tsy hisy fihemorana ny fanadinam-panjakana, hoy ny minisitra Horace Gatien.

Voir plus d'infos...

22/06/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180421

Misongadina

Hetsika eny Analakely Hanao rodobe ny TIM sy ny MAPAR

21/04/2018

Efa rakotra mpitandro filaminana an-jatony maro ny teny Analakely sy manakaiky ny lapan’ny tanàna nanomboka omaly tolakandro. Mazava ny tenin’ny Prefen’Antananarivo, ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian andro vitsy lasa izay, fa tsy maintsy hosakanana ny famoriam-bahoaka eny Analakely anio.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Minisitry ny fiarovana Nametra-pialana saingy tsy nekena ?

21/04/2018

Andro vitsivitsy izao no nandrenesana fa nametra-pialana ny minisitry ny fiarovam-pirenena , ny jeneraly Xavier Béni Rasolofonirina, saingy toa hoe tsy neken’ny filoham-pirenena izany.Hatramin’ny talata 17 aprily lasa teo no noezahana nokarohana ny vaovao momba io resaka io, saingy tsy nisy nahafahana nanamarina na nandiso azy.

Hamaky ny tohiny...

Mafy ny herim-panoherana Miantso vonjy ny fanjakana

21/04/2018

Miantso vonjy sy mamono afo ny fanjakana HVM eo anatrehan’ny fahamafisan’ny herim-panoherana. Sesilany ny fanirahana mpikarama an’ady politika niteny tamin’ny haino aman-jery eo anoloan’ny famoriam-bahoaka hataon’ny solombavambahoaka eny anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely anio.

Hamaky ny tohiny...

Filoham-pirenena sy ny fianakaviany Lasa mangingina any Frantsa

21/04/2018

Nandao mangingina an’i Madagasikara ny alakamisy hariva teo filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny fianakaviany.

Hamaky ny tohiny...

Alain Mahavimbina Ho kandidà filoha ?

21/04/2018

Maro ireo fanehoan-kevitra sy atrik`asa natao tetsy sy teroa mahakasika an`ny fiainam-pirenena toy izany ny K3F na Komitin’ny Fahamarinana Fandriampahalemana Fiadanana tany Fianarantsoa. Namaly ny antso nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara sy ny FFKM tamin’ny taona 2017 mahakasika ny fiainam-pirenena ireo kandidà efa nanao fanambarana ofisialy ny firotsahany hofidiana ho filoham-pirenena sy ireo izay ho mpifaninana ho amin`izany ny K3F.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Mila mametra-pialana, hoy ny Seces

21/04/2018

Tsy mahefa intsony hanatanteraka ny zo sy hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny fitondram-panjakana ankehitriny, raha ny fanambarana an-gazety nataon’ny SECES, sampan Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Vondron’ny fikambanan’olon-tsotra Tsy ekena intsony ny korontana eto amin’ny firenena

21/04/2018

Hatahoran’ny vondrona mpomba ny fitondrana HVM hivadika korontana eto amin’ny firenena indray ny fikasan’ireo depiote 11 eto Iarivo hotronin’ireo namany avy any amin’ny Faritra hafa mivondrona ao amin’ny solombavambahoaka mpanohitra eny amin’ny Antenimieram-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Fanamparam-pahefana ao Andapa Mitaraina ny fokonolona

21/04/2018

Manao fanaparam-pahefana “avo loatra” ny tompon’andraiki-panabeazana iray ao Andapa, raha ny fanambaran’ny solontenam-pokonolona tonga nitatitra ny vaovao teto an-drenivohitra omaly.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Adalana tsy voatsabo intsony

21/04/2018

Miarahaba Jean a, nanakory aloha ny voyage nareo mianakavy ve, efa renay hoe tonga tsara aa..fa dia milamina kosa aloha ianareo e, tsy miasa saina, sy mitaintaina ..miresadresaka eo am-pisakafoanana eo ny fianakaviana dia manapa-kevitra tampoka hoe amboary ny valizy fa aleo isika mba maka rivotra kely.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sekreteram-pokontany namaky trano Mbola nahavita nandrahona ihany

21/04/2018

Nahatsikaiky no sady nampalahelo ny zava-nitranga tetsy amin’ny fokontanin’i Manjakaray 2C, raha ny fitantaran’ny lehilahy 1 lasibatry ny vakitrano teny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Basket All-Stars du Président Lavon’ny Malagasy tamin’ny moka fohy ny Rosiana

21/04/2018

Lavon’ny All-Stars Gasy tamin’ny moka fohy 74-73 omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny Csa Rosiana na dia efa nitarika an’isa hatrany amin’ny “1er quart temps 15-23 sy teo am-pialan-tsasatra 36-48 aza.

Hamaky ny tohiny...

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy

21/04/2018

Max Randriantefy “Hajaiko hatramin’ny farany ny maha-Malagasy ahy”

Hamaky ny tohiny...

Edito

Sambany avokoa

21/04/2018

Repoblika 4 izay no nandalo fa tsy mbola nisy toy izao. Hafa kely ity fitondrana indray mitoraka ity saingy tsy mba hafa kely amina zavatra nahafinaritra sy nitondra filaminana na fiadanana ho an’ireo vahoaka napetraka ho eo ambany fiahiny fa dia tompondaka tamin’ity karazan-java mahamenatra sy nampivarahontsana rehetra ity.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Taom-pianarana 2018-2019 Amin’ny 19 novambra no hiditra ny mpianatra

21/04/2018

Nivoaka sahady ny tetiandrom-pampianarana vaovao amin’ny taom-pianarana 2018-2019 ho avy io. Ny 19 novambra 2018 no hiditra ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy ary any amin’ny 30 aogositra 2019 vao hifarana ny taom-pianarana 2018-2019. Hizara dimy mazava tsara ny fotoam-pianarana mandritra izany.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Oniversiten’Ankatso Trano an’arivony manodidina azy no ahiana harodana

21/04/2018

Miaina anaty tebiteby tanteraka ireo mponina an’arivony monina manodidina ny Oniversiten’Antsako amin’izao fotoana izao. Raha araka ny fanazavan’Atoa Andrianjato John solontenan’ireo mponina eny an-toerana mantsy dia kasain’ny oniversite alaina indray ireo tany ivelan’ny efa nofaritany raha efa nisy ny délimitation nataon’ireto farany tamin’ny taona 2013.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

MAILO NY VAHINY

21/04/2018

Nanao fampandrenesana ny terataniny ny ambasady frantsay sy Amerikanina omaly. Izany dia ny tsy handehanana amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra manomboka omaly zoma amin’ny misasakalina, izany dia manoloana ny hetsika izay hitranga anio. Eny Soarano, Behoririka, Tsaralalana, Ambodifilao, Ambatomena, Andohan'Analakely ary Ambohijatovo no tena faritra mena raha araka ny voatoatin’ilay fampandrenesana.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fidangan’ny vidin-jiro Niaiky ny minisitra fa tena nisy tokoa ny tsy nety

21/04/2018

Niaiky tokoa mantsy Rasoloelison Lanto, ministry ny rano sy ny angovo ary ny akoran’afo omaly fa tena nisy tokoa ny tsy nety tamin’ny famaritana ny vidin-jiro nataon’izy ireo, indrindra fa ho an’ireo olona mampiasa ilay tarif 16 nefa mandany latsaky ny 130 Kwh ka tsy maintsy hanaovana vidin-jiro vaovao.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Toeram-panofanana momba ny vato sarobidy Misy saram-pianarana mety amin’ny rehetra

21/04/2018

Misy ny sehatra sy toeram-panofanana momba ny fikirakirana ny vato sarobidy (IGM) fa vitsy ny Malagasy mianatra noho ny tsy fahafantarana marina ny momba ny saram-pianarana ao. Raha vao miresaka an’io toeram-pianarana io fotsiny dia mihemotra ny ankamaroan’ny Malagasy ary mihevitra foana fa lafo be ny saram-piofanana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana