Fil d'actualités du 22/06/2018

  • 22/06/2018 - 17:05 : MONDIAL 2018: Nandresy an'i Costa Rica tamin'ny isa 2-0 i Brésil.

  • 22/06/2018 - 15:30 : FANONDRANANA SAFIRA ANTSOKOSOKO: 18 taonina isan-taona amin'ny safira Malagasy no haondrana antsokosoko tsy hanaovana fampahafantarana hampiasana taratasy miendrika ara-dalàna, raha ny tatitry ny Bianco.

  • 22/06/2018 - 15:00 : ASAN-DAHALO: Nahatratra 4000 teo ho eo no maty tao anatin'ny 5 taona farany, ka 3000 ny dahalo ary 100 ny fokonolona, ary 100 eo ho eo ny mpitandro filaminana, hoy ny zandarimariam-pirenena tamin'ny alalan'ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra.

  • 22/06/2018 - 14:30 : FANONDRANANA SAFIRA: 2 taonina isan-taona no voasoratra ofisialy eto amintsika, kanefa 20 taonina no tena mivoaka, araka ny loharanom-baovaonay mikasika ny fanondranana an-tsokosoko, hoy ny lehiben'ny Bianco Jean Louis Andriamifidy.

  • 22/06/2018 - 14:00 : JEAN RAVELONARIVO: Tsy mbola fotoana aloha izao hitondrana fanakianana na fitenenana mahakasika ny zava-misy eto amin`ny Firenena.Fandraisana andraikitra no atao ary izay no antony hirotsahan-kofidiana filoha, hoy izy.

  • 22/06/2018 - 13:45 : TOEKARENA: Tokony hampidirina amin`ny taranja fanofanana ireo tanora eny amin`ny oniveriste ny fanalboarana milina ampiasaina eny anivon`ny orinasa, hoy ny Filohan'ny Sendikan'ny Indostria na ny SIM Freddy Rajanera androany.

  • 22/06/2018 - 13:15 : KAOMININA TALATAMATY: Nisotraka tamin'ny fomba ofisialy androany ny santam-bokatra sy santam-bary, ka ny ben'ny tanana no nanokatra azy.

  • 22/06/2018 - 13:00 : MONDIAL 2018 - FANDAHARAN-DALAO ANIO: - Brésil # Costa Rica amin'ny 3 ora tolakandro - Nigéria # Islande amin'ny 6 ora hariva - Serbie # Suisse amin'ny 9 ora alina

  • 22/06/2018 - 12:45 : BEFANDRIANA AVARATRA: Nampidirina am-ponja noho ny resaka fivarotana lavanila maitso antsokosoko milanja 17kg tratra tao an-tranony ny Ben’ny tanàna.

  • 22/06/2018 - 12:15 : FAMPIANARANA: Tsy hisy fihemorana ny fanadinam-panjakana, hoy ny minisitra Horace Gatien.

Voir plus d'infos...

22/06/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180423

Misongadina

Fitondrana HVM mihosin-drà Hirodana raha tsy milefitra

23/04/2018

Efa nampoizina ihany ny hisian’ny fifandonana sy ny sakoroka teny Analakely ny andron’ny sabotsy lasa teo. 17 ireo naratra, 2 no maty, ny 2 efa nody, ary ny 13 mbola arahi-maso, raha ny tatitra nataon’ny hopitaly HJRA tamin’ny alalan’ny Pr Rantomalala. Nalaza fa nisy ny zaza roa maty tao amin’ny hopitalin’ny zaza ao Tsaralalana, saingy nilaza io profesora nanao ny fanambarana io, fa tsy nisy ny namoy ny ainy tao. Nafana ny fifandonana ary miitatra amin’ny fialan’ny filoha ny fitakian’ny depiote noho ny rà mandriaka sy faty olona.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hery Rajanarimampianina Mbola mandrahona ihany

23/04/2018

Nosokajian’ny filoha Hery Rajaonarimampianna ho fanonganam-panjakana ny hetsika notarihan’ireo solombavambahoaa TIM sy MAPAR ny sabotsy 21 aprily lasa teo teny Analakely.

Hamaky ny tohiny...

Solonandrasana Mahafaly sy Rivo Rakotovao May volon-tratra ka mody mandamin-dresaka

23/04/2018

Amin’ny anaran’ny filoham-pirenena, amin’ny anaran’ny governemanta, ary amin’ny anaran’ny tenako manokana no hitondrako eto ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviana mana-manjo, ary mirary fahasitranana ho an’ireo maratra, hoy ny Praiminisitra somary hafahafa endrika tsy toy ny fahitana azy mahazatra ny sabotsy alina teo.

Hamaky ny tohiny...

Vondrona Eoropeanina Manan-jo haneho hevitra ny olona

23/04/2018

Manara-maso akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikarra ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka, tsy efa fa omaly ihany dia efa namoaka fanambarana momba ny zava-nitranga teny Analakely ka nahafatesana sy naharatrana mpanao fihetsiketsehana ny Masoivoho Amerikanina sy ny vondrona eoropeanina.

Hamaky ny tohiny...

Olon’ny HVM Manomboka mitsoaka any ivelany ?

23/04/2018

Nifanesisesy ny fivoriana isan-tsokajina nandritra ny faran’ny herinandro iny , izany hoe ny sabotsy sy ny alahady, ka ireo tompon’andraikitra sy olom-boafidy ao anatin’ny fitondrana no tena nivory.Anisan’izany ireo solombavambahoaka HVM, ary re fa nisy ny tsy fitovian-kevitra niteraka fifamaliana mihitsy nandritra izany.

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena Soa fianatra ny an’ny TIM sy MAPAR

23/04/2018

Firehana tsy mitovy, fomba fijery samihafa kanefa mahay manavaka ny hambom-pony sy ny fomba fijeriny ireo depiote TIM sy MAPAR.

Hamaky ny tohiny...

Tolom-bahoaka teny Analakely Tokony nisy fifampiresahana, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina

23/04/2018

Naneho ny heviny mikasika iny zava-nitranga teny amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny sabotsy teo iny ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mila anao ny aty ee

23/04/2018

Manao ahoana ianao izay ry Jean ? Ny aty an-tanàna rangahy ity mamay be aa!! Fa ianao io aiza ee!? Jean kosa ee!! Mila anao anie ny aty ee!

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fampiasana zaza tsy ampy taona Tena mbola maro eto Madagasikara

23/04/2018

Voararan’ny lalàna tanteraka ny mampiasa zaza tsy ampy taona eto Madagasikara. Mbola maro anefa ny tranga misy momba izany eto Madagasikara na dia misy aza ny lalàna mandrara izany.

Hamaky ny tohiny...

Hetsika teny Analakely Nikatona ny ankamaroan’ny mpivarotra, tsy niasa ny taksibe

23/04/2018

Nisedra olana tanteraka ireo mpiantsena teny Analakely sy ny manodidina ny sabotsy teo. Tafiditra tao anatin’izany ireo mpaka entana avy any amin’ny faritra.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Maereza Ambohidratrimo Hahazo lapan’ny tanàna vaovao

23/04/2018

Afa-pahasahiranana tanteraka ny kaominina Maereza, distrikan’Ambohidratrimo. Tonga nanolotra fanampiana ho azy ireo toy ny paompin-drano fisotro madio, trano fivoahana ho an’ny hôpitaly sy ny CEG ao an-toerana, toerana fanasan-damba ho an’ny mponina mantsy ny fikambanana Rotary Club Antananarivo Ambohitsirohitra sy ny fikambanana Youth Linc ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Mananara avaratra Olona 4 maty notifirin’ny zandary

23/04/2018

Mifamahohafo be ny vaovao voaray mikasika ilay sakoroka nitranga tao Mananara avaratra izay mbola tsy milamina hatramin’izao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Tsy voafehy intsony ny firenena Miantso ny tafika sy ny FFKM, ny K3F

23/04/2018

Nanao fanambarana lehibe tao amin’ny Sekoly Saint Michel Amparibe ny K3F (Komitin’ny Fahamarimanana Fandriampahalemana Fiadanana) omaly manoloana ny zava-niseho teny Analakely ny sabotsy 21 aprily teo.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kianja sentetika Vontovorona Montsan’ny CNaPS Sport 9-1 ny A.E Ramassa

23/04/2018

Montsan’ny CNaPS Sport Madagasikara 9-1 ny A.E Ramassa ekipa diviziona faha-3 avy any Espagne omaly alahady 22 aprily teny amin’ny kianja sentetika teny Vontovorona, tamin’ny lalao baolina kitra ara-pirahahiana hoan’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovain-jafy faha-16.

Hamaky ny tohiny...

Jeux Corporatifs "Lalaon'Iarivo" Samy nibata amboara 3 avy ny CNaPS sy ny Meeh

23/04/2018

Tontosa ny sabotsy 21 sy omaly alahady 22 aprily 2018 teny Mahamasina ny Jeux Corporatifs “Lalaon’Iarivo” andiany voalohany nokarakarain’ny Kaominin’Antananarivo-Renivohitra. Ireto avy ny ekipa nibata ny amboara :

Hamaky ny tohiny...

Basket Tompondaka rejionalin’Analamanga Lavon’ny Dream Team Analamanga ny Ecbba Atsimondrano

23/04/2018

Noho ny praograman’asa voasoritry ny ligy izay tantanako amin’ny fanatanterahana ny fanapariahana ny lalao basikety any amin’ny seksiona manodidina, hoy ny filohan’ny ligin’ny basikety eto Analamanga, Rasolomalala Fidy,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Loza ity

23/04/2018

Loza ity! Niseho indray iny ny rà mandrika sy ny korontana noho ny adilahy politika.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fidiran’ny mpianatra amin’ny novambra Tsy misy atahorana na dia propagandy aza, hoy ny ministera

23/04/2018

Niteraka fanehoan-kevitra maro tao anatin’ny tambajozatram-pifandraisana facebook ny faran’ny herinandro teo ny fivoahan’ilay tetiandrom-pampianarana amin’ny taom-pianarana vaovao 2018-2019 ho avy io.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Fampisehoan’ny tarika MAGE 4 Feno ny lapa, nafana ny ambiansy

23/04/2018

Fahombiazana tanteraka ny fampisehoana notanterahan’ny tarika Mage 4 tetsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy fanatanjahantena tetsy Mahamasina omaly alahady izay fanamariihana ny faha 25 taona nijoroany.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Hetsika tetsy Analakely Nanararao-paty ny mpangarom-paosy

23/04/2018

Tsy kely làlana ny ratsy. Maro hatrany ireo nitaraina ho very entana nandritra ny famoriam-bahoaka tetsy Analakely ny asabotsy lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

ALAIN ANDRIAMISEZA

23/04/2018

Tsy tokony natokana ho an`ny fitondrana irery ihany ny RNM sy TVM hoy ity mpanao politika ity ary mihevitra ny tenany fa tsy hahafantatra izay mitranga eto an-toerana ny any amin`ny faritany amin`izao fotoana. Isan`ny zavatra tsy nankasitrahiny mihitsy izany hatramin`izay.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana