Fil d'actualités du 16/11/2018

  • 16/11/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Efa nigadona eto Madagasikara omaly ny ekipam-pirenena Soudanais hiatrika lalao miverina amin'ny Barea de Madagascar, fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2019 any Cameroun.

  • 16/11/2018 - 11:00 : KABARY: Anio 16 Novambra 2018 no Fankalazana ny ivon'ny faha-55 taona ny FIMPIMA izay tanterahina eny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Nandritra ity fankalazana androany ity ihany koa no nanendrena ireo birao foibe FIMPIMA mandritra ny 4 taona ho avy.

  • 16/11/2018 - 09:00 : MPITANDRO FILAMINANA: Hisy fanambarana lehibe hatao ao amin'ny Toby Ratsimandrava anio maraina.

  • 15/11/2018 - 14:00 : CENI: Hiroso amin'ny fampitahana na "confrontation" an'ireo PV an-tsoratra, ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana anio manomboka amin'ny 3ora tolakandro ka miantso, ireo kandida, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao gazety hanatrika izany.

  • 15/11/2018 - 11:30 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga nijery ireo fanotofana tany tsy aradalana teny Andranomahery ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana androany.

  • 15/11/2018 - 11:00 : FAMPIANARANA AMBONY: Nisokatra androany maraina ary haharitra 2 andro ny fampiratiana momba ny sekoly sy fampianarana ambony tsy miankina na ny "Salon des études supérieurs" karakarain'ny Madajeune, ahitana mpandray anjara manodidina ny 70.

  • 15/11/2018 - 10:45 : CENI 15 NOVAMBRA 2018 10H23 BV 20061 / 24852 (80.72%) MPIFIDY VOASORATRA ANARANA: 8005632 / 9913599 VATO MANAN-KERY: 4003476 TAHAM-PANDRAISANA ANJARA: 54.03% - RAJOELINA Andry Nirina : 1588543 soit 39.68% - RAVALOMANANA Marc: 1424466 soit 35.58% - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 324465 soit 8.10% - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 52063 soit 1.30%

  • 15/11/2018 - 09:30 : BAOLINA KITRA: Manomboka anio amin'ny 10 ora maraina ny fivarotana ny tapakila Tribune Latérale ho an'ny lalao ihaonan'ny Barea de Madagascar amin'ny Sokoor Al Jedian du Soudan ny Alahady 18 Novambra 2018. Izany tapakila izany dia afaka jifaina eny Isoraka amin'ny vidiny 50.000 ariary.

  • 14/11/2018 - 11:30 : PESTA: Mahatratra 12 hatramin'izay no namoy ny ainy noho ny aretina PESTA teto amintsika ho an'ity taona ity.

  • 14/11/2018 - 10:30 : ANTSIRABE: Vato tsy ara-dalana nilanja 667 kg no saron’ny Zandary teo anivon’ny BPR Vakinankaratra ny alatsinainy 12 novambra, tao amin’ny sakana mahazatra tao Anjazafotsy-Betafo.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180427

Misongadina

Hanitra Razafimanantsoa “Ny vahoaka no mibaiko anay”

27/04/2018

Nanizingizina ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa araka ny resaka fohy nifanaovana taminy omaly hariva fa tsy hiresaka amin’ny HVM intsony rehefa avy nihaino ny fitakian’ny vahoaka, izay nambarany fa “Patron” an’ny solombavambahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fandaminana ny krizy politika Mihetsika amin’izay ny FFKM

27/04/2018

Mampiantso ny mpitondra fanjakana, ny mpanao politika isan-tsokajiny, ny firaisamonim-pirenena sy ny olom-pirenena hanatrika ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana atao eny amin’ny Eglizy Anglikanina eny Ambohimanoro ny alahady 29 aprily ho avy izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny FFKM.

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson Miantso ny MFM hijoro

27/04/2018

Fotoana handinihana tsara izao, ary fotoana hanapahan-kevitra ry namako isany, hoy ny hafatra nataon-dRaveloson Constant ho an’ny namany ao anatin’ny MFM manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Tsy hanongam-panjakana aho”

27/04/2018

Tany Mahajanga i Marc Ravalomanana omaly, ka nisy ny fifampiresahana nifanaovany tamin’ny tanora, ny TIM sy ny DISTIM, ny olona avy any amin’ny faritra, ny ben’ny tanàna,...

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Miady irery

27/04/2018

« Raha maty aho, matesa rahavako, raha maty rahavako, … matesa ny omby… », sombiny amin’ny tsilaolaonteny malagasy iray izay mifono ny fahendren’ny Ntaolo mikasika ny atao hoe firaisankina sy fifampitsinjovan’ny mpiray donakafo fahagola io.

Hamaky ny tohiny...

Olon`ny Hasin`ny Tany Hanampy tosika an`ireo depiote ho an`ny fanavotana

27/04/2018

Manoloana ny toe-javatra misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia mijoro ny fikambanana Olona Hasin’ny Tany (OHT) ary milaza fa handray andraikitra amin’ny fanavotana ny firenena. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra rehetra sy ny mpiantsehatra amin’ny raharaham-pirenena mba tsy hisian’ny korontana mety hiteraka olana hanavesatra ny fahasahiranan’ny Vahoaka Malagasy ny OHT.

Hamaky ny tohiny...

Antoko Ava “Tsy tokony hilatsaka mihitsy ny filoham-pirenena”

27/04/2018

Mivoatra hatrany ny toe-draharaham-pirenena ary na ny antoko politika vao niorina vao haingana toy ny Antokom-BAhoaka Malagasy (AVA) aza dia nilaza fa hevitra ny hoe tokony hametra-pialana ny filoham-pirenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanàna eto Analamanga Hifamory handinika ny raharaham-pirenena

27/04/2018

Mijoro hatry ny ela ary efa niasa an- taonany maro ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna avy eto amin’ny distrika valo mandrafitra ny Faritra Analamanga.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Za’Gasy “ Ravao any io CFM io”

27/04/2018

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia naneho ny heviny toy ny rehetra ihany koa ny fikambanana Za’Gasy tarihan’ny filoha

Hamaky ny tohiny...

VONDRON’OLON-TSOTRA Hihaona amin’ny olona rehetra etsy amin’ny tranompokonolona Analakely

27/04/2018

Misokatra ho an’ny olon-tsotra rehetra manomboka anio zoma 30 aprily amin’ny 9 ora sy sasany maraina ny tranompokonolona Analakely mba handraisana torohevitra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Ny vondron’olon-tsotra na ny VOT tarihin’ny filohany Rtoa Sarah Zoe no hitarika izany hanamafisana ny tolom-bahoaka efa misy eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fédération Nationale des Agents de l’Etat Hanao hetsika fitolomana amin’ny alatsinainy

27/04/2018

Nanao fanambarana ny FNAE ny amin’izao toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izao fa mety ho potika sy rava ny fihavanana izay fototry ny soatoavina Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Fampisehoan’ny tarika Exo Ho fanafahana an’i Madagasikara

27/04/2018

Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Le Pave Antaninarenina omaly ny mombamomba ilay fampisehoana hotanterahin’ny mpihira ara-pilazantsara EXO.

Hamaky ny tohiny...

Ankizy voailika amin’ny fianarana Misy ny ezaka ho fampivoarana

27/04/2018

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ilay tetikasa momba ny fampivoarana ny fanabeazana ny ankizy marefo izay voailika anaty rafi-pampianarana eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Akon’ny lalao Cjsoi any Djibouti

27/04/2018

Atletisma Nandrombaka medaly volamena ny atleta zatovovavy Malagasy teo amin’ny taranja atletisma hazakazaka nifampitohy tamin’ny alarobia 25 aprily teo tao amin’ny kianja Gouled.

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra Analamanga Resy fanindroany indray ny As Adema

27/04/2018

Noho ny nanatanterahan’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra ny hetsika « lalaon’Iarivo » tamin’ny farany herinandro teo dia tany amin’ny kianjan’i Carion avokoa no notontosaina ireo lalao tafiditra amin’ny andro faha-13 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga ny faran’ny herinandro lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Aoka hazava !

27/04/2018

Samy miandry izay ho tohin’ity raharaham-pirenena mafana ity hatrany ny rehetra ankehitriny. Ho tonga amin’ny tanjony dia ny fanalana ny filoha amin’ny toerany ve ny Solombavambahoakan’ny fanovana ?

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Mpitatitra etsy amin’ny Fasan’ny Karana Efa nisy ny fifampiraharahana tamin’ny minisitera

27/04/2018

Somary nangingina tato ho ato ilay fitokonan’ny mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena fahafito entin’izy ireo hanehoana ny tsy fahazoany hifindra eny Ambohimanambola.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Profesora Mamy Ravelomanana “Kely ny fanantenana ara-toekarena ho an’i Madagasikara”

27/04/2018

Manoloana ny savorovoro politika misy eto amin’ny firenena izay tsy mahatafarina mihitsy ny toekaren’i Madagasikara dia nanatona an’i Professeur Agregé Mamy Ravelomanana (P.M.R) mpahay toekarena ny gazety Tia Tanindrazana (T.T) ny amin’ny toe-draharaha misy sy izay ho mety vahaolana ara-politika sy ara toekarena mifanandrify amin’izany.

Hamaky ny tohiny...

Fifanakalozana ara-barotra eto Madagasikara Napetraka ny tondrozotra

27/04/2018

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy ny fametrahana ny tondrozotra fanamorana ny fifanakalozana ara-barotry ny samy malagasy sy ny firenen-kafa na ny AFE.

Hamaky ny tohiny...

Foire Internationale de Madagascar Maro ireo mpandraharaha Malagasy efa nahazo tohana taminy

27/04/2018

Hotontosaina ny 3,4,5 ary ny 6 mey ho avy izao indray eny amin’ny zone Forello expo Tanjombato ilay hetsika “Foire International de Madagascar” andiany faha-13 karakarain’ny agence de communication le premiere ligne.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihana mpiasan’ny banky Jiolahy 2 matin’ny UIR teny Ankorahotra

27/04/2018

Lehilahy roa no voatifitry ny polisy tetsy Ankorahotra –Ambanidia manakaiky ny Foibe Taon-tsaritany Malagasy (FTM) omaly vao maraim-be.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihana mpiasan’ny banky Jiolahy 2 matin’ny UIR teny Ankorahotra

27/04/2018

Lehilahy roa no voatifitry ny polisy tetsy Ankorahotra –Ambanidina manakaiky ny Foibe Taon-tsaritany Malagasy (FTM) omaly vao maraim-be.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLISIM-PIRENENA

27/04/2018

Mizara tanteraka ve ny polisim-pirenena ? Raha nanao ny fanambarany mantsy ny sendikan’ny inspektera, brigadier ary agent omaly dia novalian’ny tale jeneralin’ny polisy avy hatrany fa tsy tompon’andraikitra amin’izany ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka. Anio koa anefa dia fantatra fa hanao fihaonana amin’ny mpanao gazety ny « confédération de la police » ary hanao fanambaràna izay mbola tsy fantatra na hanamafy ny sendika na koa hiray feo amin’ny minisitera voakasika.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Loholon`i Madagasikara teo aloha Miantso ny FFKM handamin-dresaka

27/04/2018

Mbola mitana ny sain`ny mpanara-baovao hatrany ny zavatra mety hitranga eo amin`ny tontolo politika amin`ity herinandro ity. Misesisesy, araka izany, ny fanambarana taorian'ny zava-nitranga ny sabotsy 21 aprily lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana