Fil d'actualités du 19/11/2018

  • 19/11/2018 - 12:30 : MARC RAVALOMANANA: Tonga nisaotra ny vahoaka tany Fenoarivobe ny tenany androany, ary nampanantena fa vonona tanteraka amin'ny fihodinana aharoa.

  • 19/11/2018 - 11:00 : HCC: Rahampitso 20 novambra ny fe-potoana farany hahafahana mametraka fitoriana momba ny fifidianana filoha fihodinana voalohany eny amin'ny HCC, hoy ny eo anivon'ity andrim-panjakana ity.

  • 19/11/2018 - 10:30 : TAOM-PIOTAZANA LODISIA: Misokatra anio 19 novambra ny taom-piotazana lodisia any amin'ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Tsara ny vokatra tamin'ny.

  • 19/11/2018 - 10:00 : LISI-PIFIDIANANA: Ny lisitra nampiasaina tamin'ny fihodinana voalohany ihany no hampiasaina amin'ny fihodinana faharoa fa tsy afaka manokatra izany CENI, hoy ny mpampaka-teny Fano Rakotondrazaka.

  • 18/11/2018 - 14:15 : MARC RAVALOMANANA: Tonga manohana ny Barean'i Madagasikara hifandona amin'i Soudan eny Vontovorona ny tenany izay nandeha angidim-by nakeny an-toerana.

  • 17/11/2018 - 20:00 : Voka-pifidianana filoham-pirenena vonjimaika navoakan'ny CENI: >Andry Rajoelina 39,19% >Marc Ravalomanana 35,29% >Hery Rajaonarimampianina 8,84% >Pasteur Mailhol 1,27%

  • 17/11/2018 - 15:30 : VOKA-PIFIDIANANA: Fanambaran'ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaikan'ny fifidianana Filoham-pirenena novambra 2018 , anio asabotsy 17 novambra amin'ny 6 ora hariva. Alefa mivantana ao amin'ny Televiziona Malagasy sy ny Radio Nasionaly Malagasy.

  • 17/11/2018 - 13:30 : MBOLA RAJAONAH: Namoahana didy fampisamborana ny tenany rehefa tsy namaly ny antson'ny Bianco omaly. Ahiana ho misy ambadika politika ny raharaha.

  • 16/11/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Efa nigadona eto Madagasikara omaly ny ekipam-pirenena Soudanais hiatrika lalao miverina amin'ny Barea de Madagascar, fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2019 any Cameroun.

  • 16/11/2018 - 11:00 : KABARY: Anio 16 Novambra 2018 no Fankalazana ny ivon'ny faha-55 taona ny FIMPIMA izay tanterahina eny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Nandritra ity fankalazana androany ity ihany koa no nanendrena ireo birao foibe FIMPIMA mandritra ny 4 taona ho avy.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180430

Misongadina

Mampihavana ny FFKM Hampihaonina ireo depiote nifamango

30/04/2018

Tontosa omaly tolakandro ny fotoam-bavaka notarihin’ny FFKM teny amin’ny EEM Ambohimanoro nenti-nitondra am-bavaka ny firenena manoloana izao toe-draharaha misy izao. Ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy izay ahitana ny filohan’ny FLM Dr Rakotonirina David,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy hitsabaka amin’io ny vahiny, hoy ny CFM

30/04/2018

Efa nifanatona tamin’ny filohan’ny Repoblika, ny filohan’Antoko, ireo mpifanadrina ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM manoloana izao raharaham-pirenena misavorovoro izao, raha ny nambaran’ny filohany Maka Alphonse omaly teny amin’ny fiangonana EEM Ambohimanoro.

Hamaky ny tohiny...

Michaelle Jean – OIF « Fifampiresahana ihany no hahazoana fitoniana »

30/04/2018

Omaly alahady 29 aprily no tonga teto Madagasikara ny sekretera jeneralin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny Frankofonia (OIF), Rtoa Michaelle Jean.

Hamaky ny tohiny...

Hetsiky ny depiote 73 Miketrika paikady hanalefahana azy ny fitondrana

30/04/2018

Tsy misy intsony ny fanakanana fivoriana na fandehanana amin’ny arabe sy fidirana amina birao na sampandraharaham-panjakana. Tapitra hatreto ny baomba mandatsa-dranomaso, malalaka ny mpanohitra amin’izay ataony sy teneniny.

Hamaky ny tohiny...

Hetsiky ny mpanohitra Fitokonana faobe manomboka anio

30/04/2018

Zavatra roa no nisongadina sy nampiavaka ny hetsiky ny depiote ho an’ny fanovana ny sabotsy lasa teo. Tao ny fahatongavan’ireo ben’ny tanàna HVM nanatevina ny fitakiana.

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hiresaka amin’ireo depiote

30/04/2018

Mitombina hatrany ny hoe atambatry ny finoana sy ny fivavahana ny mpanao politika Malagasy, fa akorontan’ny politika. Mahafinaritra ny mahita azy ireo miray seza sy miara-dalana sy mifandray tanana ary rehefa miresaka dia samy maneho fa zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fihavanana, ka maro no namaly ny antson’ny FFKM tetsy amin’ny EEM Ambohimanoro omaly.

Hamaky ny tohiny...

Krizy politika Governemanta iraisan’ny rehetra no tena vahaolana

30/04/2018

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa ny fananganana governemanta iraisan’ny rehetra ihany no tena vahaolana, aorian’ny fandrodanana ny governemanta misy amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Sendikan’ny mpiasa Hanatevina ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey

30/04/2018

Ho avy hanatevina ny tolona etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ny hetsika tanterahin’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy ny sendikan’ny mpiasa tsy an-kanavaka.

Hamaky ny tohiny...

AOM Tokony ho vaindohan-draharaha ny lalam-pifidianana

30/04/2018

Saika ho isan`andro no misy antoko politika na fikambanana manao fanambarana manoloana ny zava-niseho tamin`ny sabotsy lasa teo. Ho an`ny Antenimieran`ny Olobe manerana an`i Madagasikara (AOM) dia mila manalavitra ny disadisa samihafa izay entina hampisaraham-bazana sy ho fanapotehana indray ny firenena izay efa tafahitsoka lalina ny ankolafin-kery politika rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Midororororoa eo ihany e

30/04/2018

O ry Jean aa ! miha miakatra ihany anie izany dian’ny eny an-kianja izany ee !! Manao ahoana ianao izao ? Dia efa miteny aho izay koa ! Midorororoa eo ihany ! rehefa mipoaka angamba ny sarombilany vao hikoropaka ianareo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Loza amin’atambo Hikatso ny fadintseranana

30/04/2018

Hikatso ny raharaha eny anivon’ny fadintseranana manomboka ny alarobia 2 mey satria nanamafy ny hanampy tosika ny hetsi-pitolomana eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny mpiasa, raha ny nambaran’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ladoany SEMPIDOU, Herizo Andrianavalona ny sabotsy lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Groupe Vidy Varotra Nitohy tany Mantasoa ny fankalazana ny faha-15 taona

30/04/2018

Taorian’ny hetsika niarahana tamin’ireo mpiara-miasa teny amin’ny hotel Carlton ny alarobia 18 aprily lasa teo dia nitohy teny amin’ny Domaine de l’Ermitage – Mantasoa ny sabotsy 28 aprily teo ny fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny “Groupe Vidy Varotra”.

Hamaky ny tohiny...

Fanampiana an’i Eric FOU HEHY Namaly ny antso ny prezidansa

30/04/2018

Voan’ny aretin’ny voa ihany koa i Eric Rakotoarimanana ilay mpanao hatsikana fanta-daza ao amin’ny tarika Fou-Hehy.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Basikety Tompondaka nasionaly N1 B Andro faha-3 ny anio alatsinainy 30 aprily 2018

30/04/2018

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy 28 aprily teo tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018 taranja Basikety Baolina sokajy N1 B izay haharitra hatramin’ny faha-6 mey izao.

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra Analamanga andro faha-15 Ady goavana ny an’ny As Adema sy Fosa Juniors Tanà rahampitso

30/04/2018

Amin’ny maha andro tsy fiasana ny rahampitso talata 1 mey dia hisy ny fanatanterahana ny andro faha-15 eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga taranja baolina kitra.

Hamaky ny tohiny...

Cjsoi Football 2018 Resin’i La Réunion tamin’ny tir aux buts 6-5 i Madagasikara

30/04/2018

Nikatona ny sabotsy 28 aprily teo tany Djibouti ny lalaon’ny CJSOI andiany faha-11.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miaritra kely fa hanana ny soa ve ?

30/04/2018

“Ny hisavorovoroan-kilantoana”, hoy ny fomba fitenintsika Malagasy. Ao anatin’ny savorovo politika tokoa isika amin’izao fotoana, saingy indrisy fa efa mitatao amin’ny sarambabem-bahoaka ny krizy ara-tsosialy.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Voafitaka ny vahoakan’i Faratsiho Tsy hisy indray ny asa fanamboaran-dalana

30/04/2018

Any Ampefy mandalo Soavinandriana sisa amin’izao no lalana hahafahana miditra ao Faratsiho, Faritra Vakinankaratra. Potika tanteraka mantsy ny lalana avy any Sambaina, lalam-pirenena fahafito mihazo an’ity distrika iray ity rehefa tsy nisy fanamboarana an-taonany maro.

Hamaky ny tohiny...

Taksibe 194 Mikolay ireo mpanjifany

30/04/2018

Maro ireo zotra mpitatitra efa nampitaraina fa ny an’ny zotra 194 mampitohy an’Andrainarivo sy Andranomena efa tafahoatra ny tsy fanajana mpandeha sy tsy mety ataony, hoy ny mpanjifa iray.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampiroboroboana ny indostria maitso Fampandrosoana ny toekarena sady fitsinjovana ny ho avy

30/04/2018

Ilaina ny fananganana indostria ary efa fantatra maneran-tany ankehitriny fa dingana iray lehibe tsy azo ihodivirana eo amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboroboana azy.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Che Bel Canto Mahaleo Hafa ihany ny Andrarezina

30/04/2018

“Revy” hatrany no fantatra fa fotoana ifanomezana amin’ny tarika Mahaleo hatramin’izay. Hafa kosa, ary nahafaly ireo mpankafy ny nahafantatra fa hanao ny « Che Bel Canto » ity tarika ity.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

ATAO FITAOVANA POLITIKA

30/04/2018

Ataon’ny mpanao politika fitaovana hatrany ny vahoaka malagasy isaky ny misy tolona. Tsy nisy nahay nandray lesona ny fitondràna izay nisesy fa namerina ny tsy nety teo aloha hatrany.

Hamaky ny tohiny...

TOLON’NY SOLOMBAVAMBAHOAKA

30/04/2018

Solombavambahaoaka efa nisotro ny aleoko maty izahay, ka tsy hiala raha tsy miala ny fitondram-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Vaovao avy any ivelany

Korea Avaratra Hampitsahatra tanteraka ny fikarohana ara-nokleary

30/04/2018

Nanaiky ny hanakatona tanteraka ny toeram-pikarohana sy fanamboarana baomba nokleary i Korea Avaratra raha araka ny nambaran-dry zareo Koreanina Tatsimo omaly.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fikambanana Ahmadiyya Hitsabo maimaimpoana eto Madagasikara

30/04/2018

“Fitiavana ho an’ny rehetra. Tsy fankahalana an’iza na iza.” Io no teny filamatry ny avy eo anivon’ny fikambanana silamo Ahmadiyya.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana