Fil d'actualités du 19/11/2018

  • 19/11/2018 - 12:30 : MARC RAVALOMANANA: Tonga nisaotra ny vahoaka tany Fenoarivobe ny tenany androany, ary nampanantena fa vonona tanteraka amin'ny fihodinana aharoa.

  • 19/11/2018 - 11:00 : HCC: Rahampitso 20 novambra ny fe-potoana farany hahafahana mametraka fitoriana momba ny fifidianana filoha fihodinana voalohany eny amin'ny HCC, hoy ny eo anivon'ity andrim-panjakana ity.

  • 19/11/2018 - 10:30 : TAOM-PIOTAZANA LODISIA: Misokatra anio 19 novambra ny taom-piotazana lodisia any amin'ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Tsara ny vokatra tamin'ny.

  • 19/11/2018 - 10:00 : LISI-PIFIDIANANA: Ny lisitra nampiasaina tamin'ny fihodinana voalohany ihany no hampiasaina amin'ny fihodinana faharoa fa tsy afaka manokatra izany CENI, hoy ny mpampaka-teny Fano Rakotondrazaka.

  • 18/11/2018 - 14:15 : MARC RAVALOMANANA: Tonga manohana ny Barean'i Madagasikara hifandona amin'i Soudan eny Vontovorona ny tenany izay nandeha angidim-by nakeny an-toerana.

  • 17/11/2018 - 20:00 : Voka-pifidianana filoham-pirenena vonjimaika navoakan'ny CENI: >Andry Rajoelina 39,19% >Marc Ravalomanana 35,29% >Hery Rajaonarimampianina 8,84% >Pasteur Mailhol 1,27%

  • 17/11/2018 - 15:30 : VOKA-PIFIDIANANA: Fanambaran'ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaikan'ny fifidianana Filoham-pirenena novambra 2018 , anio asabotsy 17 novambra amin'ny 6 ora hariva. Alefa mivantana ao amin'ny Televiziona Malagasy sy ny Radio Nasionaly Malagasy.

  • 17/11/2018 - 13:30 : MBOLA RAJAONAH: Namoahana didy fampisamborana ny tenany rehefa tsy namaly ny antson'ny Bianco omaly. Ahiana ho misy ambadika politika ny raharaha.

  • 16/11/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Efa nigadona eto Madagasikara omaly ny ekipam-pirenena Soudanais hiatrika lalao miverina amin'ny Barea de Madagascar, fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2019 any Cameroun.

  • 16/11/2018 - 11:00 : KABARY: Anio 16 Novambra 2018 no Fankalazana ny ivon'ny faha-55 taona ny FIMPIMA izay tanterahina eny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Nandritra ity fankalazana androany ity ihany koa no nanendrena ireo birao foibe FIMPIMA mandritra ny 4 taona ho avy.

Voir plus d'infos...

19/11/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180514

Misongadina

Pastera Mailhol Hosamborina ato ho ato ?

14/05/2018

Mandeha ny feo fa hosamborina ny pastera Mailhol, mpitarika ny fikambanana Apokalipsy eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mihantsy ady ny filoha Tsy hitsitsy ny depioten’ny fanovana

14/05/2018

Raikitra indray ny fihantsian’adin’ny HVM. Vao mainka mampiaka-pofona sy mahatezitra ny depioten’ny fanovana ny amboletran’ny filoha nampanan-kery ireo lalàna fehizoro misahana ny fifidianana ny alin’ny zoma teo.

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Mety ho ratsy fiafara

14/05/2018

Anisan'ny nampirodana an'i Robert Mugabe, filohan’i Zimbabwe teo aloha teo amin'ny fitondrana ny fitsabahan'i Grace Mugabe tamin'ny raharaha politika.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Tinoka Roberto Nampitandrina ny Praiminisitra

14/05/2018

“Ho an’ny praiminisitra … izao ny hafatray aminao hoe fantatray fa novidianao daholo ny tanàna eny Ambohibao Ivato, izay nanaovana Villa miisa 5 amin’izao, ka ianareo Bianco miantso anareo aho hijery hoe ohatrinona loatra ny karaman’ny praiminisitra ka hahavidianany villa 5”, hoy ny depiote Tinoka Roberto, teny amin’ny 13 mey ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Olana fototry ny krizy Tsy misy sahy mampiharihary

14/05/2018

Hatramin’ny taona 1972 no ho nankaty dia tsy mbola nety nivaha ihany ny krizy eto Madagasikara ary vao mainka aza miha mafy hatrany.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny kolikoly ataon’ny VTTFM ONG maromaro manerana ny nosy no manohana ny hetsika

14/05/2018

Nivoaka tamin’ny fahanginana ihany koa ny faran’ny herinandro teo ny Vondron’ny Tia Tanindrazana ho an’ny Fanorenana an’i Madagasikara ( VTTFM).

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Kolikoly tsy hita pesimpesenina Ho avy amin-dRajao ny mafaitra

14/05/2018

Voizina sy hamavoina ho fanonganam-panjakana hatrany ny tolon’ny depioten’ny fanovana, izay tsy mivaona amin’ny lalàmpanorenana hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Depiote, mpanao gazety hiakatra fampanoavana Atao fitaovana politika indray ny fitsarana ?

14/05/2018

Mivoaka indray ny resaka amin’izao fotoana fa miala any ny lisitra mainty ahitana anarana depiote, mpanao gazety ary olon-tsotra, ampangaina fa mpamatsy vola ny hetsika eny amin’ny kianjan’ny 13 mey,

Hamaky ny tohiny...

Vondrona Eoropeanina Manampy an’i Madagasikara amina sehatra maro

14/05/2018

Mafonja ny fiaraha-miasan’ny Vondrona Eoropeanina sy i Madagasikara, ary misandrahaka amina lafin-javatra maro mifototra amin’ny fampandrosoana, hoy ny fanehoan-kevitr’i Antonio Benedito Sanchez nandritra ny famaranana ny herinandron’i Eoropa teny amin’ny Tour Zital Ankorondrano ny sabotsy 12 mey teo.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanamben’ny zanak’Atsimo Atsinanana Tsy manaiky ny handrobana ny fananany

14/05/2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany taorian’ny fandinihan’izy ireo ny toe-draharaha ara-politika misy eto amin’ny firenena, noho ny fifanolanana misy eo amin’ny Hvm an-daniny sy ireo depiote mpanohitra mivondrona ao amin’ny depioten’ny fanovana an-kilany, ny fikambanamben’ny zanak’Atsimo Atsinanana na “AGSE” ny zoma antoandro tao amin’ny foiben’ny fikambanan’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

“Zone Rouge” arantiranty Manomboka mikoropaka ny fitondrana HVM

14/05/2018

Tsikaritra tamin`iny herinandro lasa teo iny fa manomboka mipetraka ny kofehy mena hamantarana fa “zone rouge” ny faritra iray, indrindra manoloana ireny lapa-panjakana sy toby miaramila ireny.

Hamaky ny tohiny...

Ahmad - filohan’ny CAF Olona faha 15 to teny indrindra aty Afrika

14/05/2018

Mahatsapa ny mpanara-baovao aty Afrika, indrindra fa ireo mpankafy ny fanatanjahantena sy ny taranja baolina kitra, araka ny vaovao navoakan’ny gazety boky Jeune Afrique fa manomboka hita mivaingana ny fanatsarana nentin’ny filohan’ny CAF Ahmad momba ity taranja iray be mpankafy indrindra eto ambonin’ny tany ity.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fanelanelanan’ny FFKM Mbola henjana ny lalao

14/05/2018

Tsy mbola voafaritra mazava ny vahaolana mahomby sy azo antoka amin’izao toe-draharaha misy eto amintsika izao. Mihamafy hatrany ny hetsika fitakiana ataon`ny depiote ho an`ny fanovana izay efa miparitaka manerana an’i Madagasikara, eny hatrany ivelany ihany koa aza.

Hamaky ny tohiny...

Fiangonana FJKM Niala voly tao anatin’ny fitoriana ny filazantsara

14/05/2018

Mitohy hatrany ny asa tanterahin’ny fiangonana Fjkm ho fanavotana ny fanahin’ny mpiara-belona rehetra ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : vontosy filazantsara i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Open pétanque Boss-Elite Lasan’i Yves sy Lesakely ny 2.000.000 ariary

14/05/2018

Lasan’i Yves sy Lesakely ireo amboara lehibe 2 sy ny vola 2.000.000 ariary tamin’ny fifaninanana tsipy kanetibe “Open pétanque Boss-Elite” nokarakarain’ny CBT, nahazo tohana mavitrika tamin’ny Orinasa Sbs, tetsy amin’ny Boulodrôme Cbt etsy Mahamasina ny sabotsy 12 sy omaly alahady 13 mey 2018.

Hamaky ny tohiny...

Hetsika 35 taonan’ny 3Fai rugby Ny Uscar boaty sy Tfma Flesy kartie no tafita voalohany

14/05/2018

Natomboka omaly alahady 13 mey tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny hetsika fanamarihan’ny fileovana 3Fai rugby ny faha-35 taona niorenany. Fantatra fa ny ekipan’ny Uscar eo amin’ny boaty sy ny Tfma Flesy Ankasina eo amin’ny kartie no tafita voalohany avy amin’ny lalao famaranana rehefa samy nandresy avy ny Uasc (37-35) sy ny XV Family (21-11) teo amin’ny lalao 1/2-dalana.

Hamaky ny tohiny...

Orange kitra Inter-Instituts Nafanafana teny Andohalo

14/05/2018

Notontosaina omaly alahady 13 mey 2018 teny amin’ny kianja sentetikan’Andohalo ny andro faha-2 amin’ny lalao baolina kitra lalaovin’olona 6 ka hifaninanan’ireo sekoly ambony isan-tsokajiny eto Antananarivo ary karakarain’ny ligin’Analamanga sy ny orinasa Orange Madagascar miaraka.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Efa avy fadiranovana ?

14/05/2018

Miandry, miandry lava izao hatrany no ampanaovin’ireo manampahefana ny Malagasy mitaky ny hivoahana haingana amin’ny fahantrana lalina mahazo azy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Tanora mpikaroka momba ny harem-pirenena « Efa mipoaka ny tolon’ny fokonolona ! »

14/05/2018

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia namoaka fanambarana koa ry zareo avy eo anivon’ny fikambanan’ireo tanora mpiaro sy mpampanjary ny harem-pirenena na ny Tandroharena Madagasikara fa sarotra ny tsy hiteny amin’izao toe-draharaha mitranga izao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena mifototra amin’ny ranomasina Handresy haingana ny fahantran’ny Malagasy

14/05/2018

Mbola mangingina ny resaka toekarena mifototra amin’ny ranomasina (économie bleue) eto Madagasikara. Maro anefa ny firenena efa lasa lavitra tamin’ny fampandrosoana io sehatra io. Anisan’ireny ny nosy Maorisy sy Seychelles izay tena nanao ho zava-dehibe ny fampandrosoana miainga amin’ny fitrandrahana mitodika amin’ny ranomasina.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Tarika ‘Zay Nahafinaritra ny seho na dia tara fanombohana aza

14/05/2018

Feno 22 taona izao no nisian’ny tarika ‘Zay ary mbola no porofoiny hatrany ny mampiavaka azy hatramin’izay tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Tombola tamin’ ny FIM Olona telo no nitsikian’ny vintana

14/05/2018

Betsaka ireo olona voasarika hitsapa vintana amin’ireny karazana tombola ireny ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Tranon’i Maurice Tsihavonana Nisy nanafika, olona iray no maty

14/05/2018

Hita faty tao an-tranon’i Maurice Tsihavonana mpanao famakafakana politika ao amin’ny On Air Radio 100.8 Fm teny Ambatobe ny mpiambina azy iray.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

14/05/2018

Taksibrosy iray no nidaboka tamin’ny sisin’arabe teo amin’ny 10km hiditra an’i Manerinerina RN4 omaly tokony ho tamin’ny 3 ora. Raha nisy kely dia nivarina tany an-kady. Tsy nisy maty fa naratra kosa ny olona miisa telo.

Hamaky ny tohiny...

TSY MANDRAY ANDRAIKITRA

14/05/2018

Ireo olona misafidy ny hangina sy tsy maneho hevitra mihitsy (majorité silencieuse) no tena tompon'antoka amin'ny tsy fahombiazan'ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fihitaran’ny grevy Hisy akony amin’ny vidim-piainana

14/05/2018

Hatreto aloha dia kely hatrany ny fanantenana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Analamahitsy Nihetsika ireo mpivarotra amoron-dalana

14/05/2018

Noraran’ny kaomisarian’ny polisy ao amin’ny boriborintany faha-8 eny Analamahitsy tsy hivarotra ny sabotsy 12 mey teo ireo mpivarotra amoron-dalana miainga eo amin’ny fivarotan-tsolika Total ka hatreny amin’ny sampanana hidina any amin’ny Cité sy ny Jirama Analamahitsy iny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana