Fil d'actualités du 22/06/2018

  • 22/06/2018 - 17:05 : MONDIAL 2018: Nandresy an'i Costa Rica tamin'ny isa 2-0 i Brésil.

  • 22/06/2018 - 15:30 : FANONDRANANA SAFIRA ANTSOKOSOKO: 18 taonina isan-taona amin'ny safira Malagasy no haondrana antsokosoko tsy hanaovana fampahafantarana hampiasana taratasy miendrika ara-dalàna, raha ny tatitry ny Bianco.

  • 22/06/2018 - 15:00 : ASAN-DAHALO: Nahatratra 4000 teo ho eo no maty tao anatin'ny 5 taona farany, ka 3000 ny dahalo ary 100 ny fokonolona, ary 100 eo ho eo ny mpitandro filaminana, hoy ny zandarimariam-pirenena tamin'ny alalan'ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra.

  • 22/06/2018 - 14:30 : FANONDRANANA SAFIRA: 2 taonina isan-taona no voasoratra ofisialy eto amintsika, kanefa 20 taonina no tena mivoaka, araka ny loharanom-baovaonay mikasika ny fanondranana an-tsokosoko, hoy ny lehiben'ny Bianco Jean Louis Andriamifidy.

  • 22/06/2018 - 14:00 : JEAN RAVELONARIVO: Tsy mbola fotoana aloha izao hitondrana fanakianana na fitenenana mahakasika ny zava-misy eto amin`ny Firenena.Fandraisana andraikitra no atao ary izay no antony hirotsahan-kofidiana filoha, hoy izy.

  • 22/06/2018 - 13:45 : TOEKARENA: Tokony hampidirina amin`ny taranja fanofanana ireo tanora eny amin`ny oniveriste ny fanalboarana milina ampiasaina eny anivon`ny orinasa, hoy ny Filohan'ny Sendikan'ny Indostria na ny SIM Freddy Rajanera androany.

  • 22/06/2018 - 13:15 : KAOMININA TALATAMATY: Nisotraka tamin'ny fomba ofisialy androany ny santam-bokatra sy santam-bary, ka ny ben'ny tanana no nanokatra azy.

  • 22/06/2018 - 13:00 : MONDIAL 2018 - FANDAHARAN-DALAO ANIO: - Brésil # Costa Rica amin'ny 3 ora tolakandro - Nigéria # Islande amin'ny 6 ora hariva - Serbie # Suisse amin'ny 9 ora alina

  • 22/06/2018 - 12:45 : BEFANDRIANA AVARATRA: Nampidirina am-ponja noho ny resaka fivarotana lavanila maitso antsokosoko milanja 17kg tratra tao an-tranony ny Ben’ny tanàna.

  • 22/06/2018 - 12:15 : FAMPIANARANA: Tsy hisy fihemorana ny fanadinam-panjakana, hoy ny minisitra Horace Gatien.

Voir plus d'infos...

22/06/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180526

Misongadina

Fanapahan-kevitry ny HCC Vao miha hiteraka krizy

26/05/2018

Nivoaka omaly zoma 25 mey tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tao amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fanapahan-kevitra mitondra ny laharana 18-HCC/D3, valin’ny fitorian’ny depiote nangataka ny fialan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina noho ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana isan-karazany,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Sendikan’ny mpiasan`ny M2PATE Mitaky ny fananganana governemanta teknisianina

26/05/2018

Manoloana ny krizy eto amin`ny firenena dia mbola manamafy hatrany ny fiombonamben`ny mpiasan`ny M2PATE fa mitokona 100% ireo sampandraharaha eo anivon`ity minisitera ity manerana ny Nosy.

Hamaky ny tohiny...

Fitsanganan’ny fitsarana avo Ravalo sy Rajao no ho dosie voalohany

26/05/2018

Nandeha ny feo fa tokony ho tontosa omaly ny fianianan’ireo mpitsara 11 mianadahy hikambana ao anatin’ny fitsarana avo na ny HCJ izay hany rafitra tokana afaka hitsara ireo filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Miaiky fa mahazaka olona ireo depiote 73

26/05/2018

Ben’ny tanàna miisa 1 000 miampy parlemantera 57, ombam-bady aman-janaka sy izay olon-kafa hafarany isam-paritra no hamenoan’ny fitondrana HVM ny Coliseum Antsonjombe anio.

Hamaky ny tohiny...

Tolona ho an’ny fanovana Hihamafy hatrany ny hetsika

26/05/2018

Fanapahan-kevitra politika no azo hilazana ny didin’ny HCC tamin’ny famaliana ny fitorian’ny depioten’ny fanovana mikasika ny fitoriana noho ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana. Anisan’ny nivoitra ny tsy nananganana ny Fitsarana tampony na ny HCJ (Haute Cour de Justice),

Hamaky ny tohiny...

Depiote ho an’ny fanovana Hahazo 5 minitra isan’andro ao amin’ny RNM sy TVM

26/05/2018

Nangotraka ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey omaly, izay nitohy tamin’ny alalan’ny diabe nihazo ny foiben’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM teny Anosy.

Hamaky ny tohiny...

Politika Manomboka mandranitra ady ny olon’ny HVM

26/05/2018

Nikoropaka sy may volon-tratra avy hatrany ny ao an-dapa sy ireo manodidina manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Ahiana hafana ny fifandonana eo amin`ny fitondrana sy ny mpanohitra raha amin`izao fivoaran-draharaha izao.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Alasora Hanao « service minimum » raha miha mafy ny tolona

26/05/2018

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia nilaza ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Alasora,

Hamaky ny tohiny...

Fivondronamben’ny fikambanana ho an’ny fanovana Miantso ny filoha telo tsy hamaly ny fanasan’ny CFM

26/05/2018

Nivondrona anaty vovonana iray ireo fikambanana 40 isa manohana ny tolon’ny fanovana tanterahina eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Nivoaka tamin’ny fahanginany izy ireo omaly ka nambarany fa tsy mahatoky ny fanelanelanana hataon’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy intsony izy ireo (CFM).

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sendikan`ny sampandraharahan`ny hetra Nametraka fitoriana eny amin`ny fitsarana ihany koa

26/05/2018

Nanatitra fitoriana manafoana ny didim-panjakana izay manome alalana ho an`ny orinasa tsy miankina iray hamory ny hetra alaina amin`ny vahiny miditra eny amin`ny fadintseranana ny sendikan`ny sampandraharahan`ny mpiasan`ny hetra omaly.

Hamaky ny tohiny...

CANAL + Madagascar Hampita mivantana ny lalao rehetra amin’ny Mondial 2018

26/05/2018

Nahazo alalana hampita mivantana ny lalao rehetra momba ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny taranja baolina kitra ny Canal + Madagascar. Any Rosia no hanatanteraka izany ny 14 jona ka hatramin’ny 15 Jolay ho avy izao, izany hoe haharitra iray volana.

Hamaky ny tohiny...

Dadagaby Efa mba misy fivoarany ny toe-pahasalamany

26/05/2018

Herinandro katroka anio sabotsy 25 mey no nidiran-dRakotomavo Gabriel na i Dadagaby, filoha mpanorina ny tarika Voninavoko tao amin’ny sampana fameloman’aina etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

Hamaky ny tohiny...

HAFARI Malagasy Hitety faritra hanentana momba ny rafitra fokonolona

26/05/2018

Hitety faritra hanentana momba ny rafitra fokonolona ny fikambanana HAFARI Malagasy. Raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly dia ny fiverenana amin’ny rafitra fokonolona ihany no hahafahana mampandroso ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Ratovolala Claude 50 taona niainana ny sehatry ny ady totohondry

26/05/2018

Mpanao ady totohondry kalaza izay 50 taona niainana tao anatin’ity taranja ity no vahinintsika ao anatin’ny pejin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena anio sabotsy 26 mey 2018 ka hisaorana etoana ny nanekeny niresadresaka fohy tamin’ny gazety Tia Tanindrazana nampahafantafantatra ny mikasika azy.

Hamaky ny tohiny...

Basikety « SCHOOL TOURNAMENT 3x3 » Hanomboka anio sabotsy 26 mey etsy Mahamasina

26/05/2018

Ekipa miisa 80 avy amin’ny fianarana 28 no handray anjara amin’ilay fifaninanana Basikety « School Tournament 3x3 » karakarain’ny Fmbb na ny Federasiona Malagasin’ny Basket-Ball.

Hamaky ny tohiny...

Basikety « SCHOOL TOURNAMENT 3x3 » Hanomboka anio sabotsy 26 mey etsy Mahamasina

26/05/2018

Ekipa miisa 80 avy amin’ny fianarana 28 no handray anjara amin’ilay fifaninanana Basikety « School Tournament 3x3 » karakarain’ny Fmbb na ny Federasiona Malagasin’ny Basket-Ball.

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra - Ligin’Analamanga Hisy indray fanolorana amboara anio sabotsy

26/05/2018

Taorian’ny fiafaran’ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga eo amin’ny baolina kitra sokajy D-1 ka nanolorana niavaka ny amboara hoan’ny ekipan’ny Elgeco Plus tamin’ny sabotsy heriny teo, 19 mey 2018 tetsy

Hamaky ny tohiny...

Champions League UEFA Hotontosaina anio alina any Ukraine ny famaranana

26/05/2018

Anio sabotsy 26 mey 2018 alina manomboka amin’ny 10 ora latsaka fahefany ora eto Madagasikara no hantanterahana any amin’ny kianja olimpikan’i Kiev any

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

International Fair Tourism Madagascar Hampiroborobo hatrany ny sehatra fizahantany

26/05/2018

Omaly zoma 25 mey no nampahafantarina tetsy amin’ny Ofisy Nasionalin’ny fizahantany eto Madagasikara ny hetsika International Fair Tourism Madagascar andiany fahafito izay hotontosaina eny amin’ny Village Voara ny alakamisy 31 mey hatramin’ny alahady 3 jona 2018 ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Mpandraharaha lavanila Tsy ampy matihanina

26/05/2018

Tokony hampiroborobo ny toekarena malagasy ny fandraharahana lavanila eto amintsika, hoy ny tale jeneralin’ny hetra, Louri Garisse Razafindrakoto, saingy olana ny tsy fahampian’ny matihanina eo amin’io seha-pihariana io.

Hamaky ny tohiny...

Sehatra fambolena eto Madagasikara Tsy mahasahana ny 1% amin’ny hetra miditra akory

26/05/2018

Omaly zoma 25 mey no natao ny fanaovana sonia fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Sahanala misy fikambanana 16 ahitana mpamboly lavanila miisa 1700 any amin’ny faritr’i SAVA sy ny NR Consult kabinetra ara-ketra ary ny sampandraharaha momba ny hetra no nanao ny fifanarahana.

Hamaky ny tohiny...

Fampiasana solitany Mamono ny toekarena malagasy

26/05/2018

Maro ireo mpandraharaha mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny angovo nitondra vahaolana mikasika ny tsy fahatomombanany nandritry ny atrikasa mikasika ilay vina IEM natao tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

NY RADO RAFALIMANANA

26/05/2018

Nitory teny amin’ny zandary misahana ny heloka bevava ilay rangahy 52 taona nodarohan’ny mpiambina an’i Ny Rado Rafalimanana. Koa satria io farany dia nanatri-maso sady nanao teny mahery tamin’ilay rangahy,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana