Fil d'actualités du 16/11/2018

  • 16/11/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Efa nigadona eto Madagasikara omaly ny ekipam-pirenena Soudanais hiatrika lalao miverina amin'ny Barea de Madagascar, fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2019 any Cameroun.

  • 16/11/2018 - 11:00 : KABARY: Anio 16 Novambra 2018 no Fankalazana ny ivon'ny faha-55 taona ny FIMPIMA izay tanterahina eny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Nandritra ity fankalazana androany ity ihany koa no nanendrena ireo birao foibe FIMPIMA mandritra ny 4 taona ho avy.

  • 16/11/2018 - 09:00 : MPITANDRO FILAMINANA: Hisy fanambarana lehibe hatao ao amin'ny Toby Ratsimandrava anio maraina.

  • 15/11/2018 - 14:00 : CENI: Hiroso amin'ny fampitahana na "confrontation" an'ireo PV an-tsoratra, ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana anio manomboka amin'ny 3ora tolakandro ka miantso, ireo kandida, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao gazety hanatrika izany.

  • 15/11/2018 - 11:30 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga nijery ireo fanotofana tany tsy aradalana teny Andranomahery ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana androany.

  • 15/11/2018 - 11:00 : FAMPIANARANA AMBONY: Nisokatra androany maraina ary haharitra 2 andro ny fampiratiana momba ny sekoly sy fampianarana ambony tsy miankina na ny "Salon des études supérieurs" karakarain'ny Madajeune, ahitana mpandray anjara manodidina ny 70.

  • 15/11/2018 - 10:45 : CENI 15 NOVAMBRA 2018 10H23 BV 20061 / 24852 (80.72%) MPIFIDY VOASORATRA ANARANA: 8005632 / 9913599 VATO MANAN-KERY: 4003476 TAHAM-PANDRAISANA ANJARA: 54.03% - RAJOELINA Andry Nirina : 1588543 soit 39.68% - RAVALOMANANA Marc: 1424466 soit 35.58% - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 324465 soit 8.10% - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 52063 soit 1.30%

  • 15/11/2018 - 09:30 : BAOLINA KITRA: Manomboka anio amin'ny 10 ora maraina ny fivarotana ny tapakila Tribune Latérale ho an'ny lalao ihaonan'ny Barea de Madagascar amin'ny Sokoor Al Jedian du Soudan ny Alahady 18 Novambra 2018. Izany tapakila izany dia afaka jifaina eny Isoraka amin'ny vidiny 50.000 ariary.

  • 14/11/2018 - 11:30 : PESTA: Mahatratra 12 hatramin'izay no namoy ny ainy noho ny aretina PESTA teto amintsika ho an'ity taona ity.

  • 14/11/2018 - 10:30 : ANTSIRABE: Vato tsy ara-dalana nilanja 667 kg no saron’ny Zandary teo anivon’ny BPR Vakinankaratra ny alatsinainy 12 novambra, tao amin’ny sakana mahazatra tao Anjazafotsy-Betafo.

Voir plus d'infos...

15/11/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180529

Misongadina

Governemanta vaovao Ireo mety hotendrena praiminisitra…

29/05/2018

Adihevitra lehibe eto amin’ny firenena ny ho anaran’izay praiminisitra vaovao, taorian’ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny 25 mey lasa teo, fa tsy maintsy ravana ao anatin’ny 7 andro ny governemanta.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Depiote Ludovic Andriamarotia « Tao amin’ny governemanta ny lesoka. »

29/05/2018

Naneho ny heviny tetsy amin’ny Pavé Antaninarenina mikasika ny fahitany ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny depiote anisan’ireo 79 manohana ny fitondrana HVM, Ludovic Andriamarotia, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Tandroharena “Tsy ampy ny fandravana ny governemanta.”

29/05/2018

Nanamafy ny avy eo anivon’ny fikambanana Tandroharena Madagasikara, izay fikambanana siantifika miompana amin’ny fampanjariana ny harena sy ny vakoka ary lovam-pirenena fa mbola mitohy manohana ny hetsik’ireo depiote miisa 73 etsy amin’ny 13 mey izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Depioten’ny fanovana “Hofongorina tanteraka ity fanjakana ity”

29/05/2018

Mitohy tsy miato ny tolona eny amin’ny 13 mey anio. Tsy mbola tena vita ny tolona, hoy ny depioten’ny fanovana. Maro ny fandresena azontsika, isika no nahavita namaky ny kianjan'ny 13 mey, tsy nahasahy nanilika antsika teto intsony ny mpitandro ny filaminana, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.

Hamaky ny tohiny...

Mpitolona eny amin`ny 13 mey Efa tena masaka ara-poto-kevitra

29/05/2018

Mihevitra an`ny Malagasy ho bado angamba ry zareo HVM fa mbola misehoseho ihany taorian`ny fampisehoan-kery ny sabotsy lasa teo tetsy Atsonjombe.

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Mizotra any amin’ny fitadiavan-tseza

29/05/2018

Namoaka fanambarana izay nanome tsiny mafy ny mpitondra sy ny mpanao politika indray ry zareo avy eo anivon’ny hetsiky ny fiarahamonim-pirenena, Rohy, tetsy amin’ny Cite Ambatonakanga omaly.

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika nifamory tetsy amin’ny Pave Mizarazara ny hevitra

29/05/2018

Na iombonan’izy rehetra aza fa tokony hiala ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina dia hita ho mizarazara ihany ny hevitr’ireo mpanao politika mpivory tato ho ato etsy amin’ny Pave Antaninarenina.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Hifankahita eto a..

29/05/2018

Eny ho aho ry Jean aa..mahay ianareo ee, vita ny fampiakarana an-drenivohitra olona hameno kianja dia raiakitra indray ny fitsidiham-paritra.Tahaka ireny hoe tsy misy olana ireny eto amin’ny tanàna.Ianareo mandoka tena hoe miasa, ny hafa soketainareo hoe manakorontana.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Kardinaly Desiré Tsarahazana Nihaona tamin-dRajaonarimampianina

29/05/2018

Nihaona tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly tolakandro ny Kardinaly vaovaon’ny Eglizy Katolika Romana eto Madagasikara Desiré Tsarahazana.

Hamaky ny tohiny...

Volana masina Ramadany Miantso ny mpino mba hanalavitra hatrany ny ratsy ireo mpitarika

29/05/2018

Efa ho tapitra sahady ny folo andro voalohany hanamarihan’ireo mpino Silamo ny iray volana masina Ramadany. Miantso ny mpino rehetra hanalavitra hatrany ireo zavatra manimba ny fifehezana,

Hamaky ny tohiny...

Sport

Basket School Tournament 3 x 3 Fantatra ireo ekipa tafita tao amin’ny Zone 1

29/05/2018

Taorian’ireo lalao notanterahina tamin’ny sabotsy teo tetsy amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina dia fantatra avokoa ireo ekipa isaky ny sokajy tafita avy amin’ny Zone 1 hiatrika amin’ny dingan’ny famaranana hotontosaina amin’ny 16 jona izao ao amin’ny Kolejy St Michel Amparibe.

Hamaky ny tohiny...

Orange Kitra Inter-Institut Lasan’ny Sekoly IUM ny amboara sy ny 1 tapitrisa ariary

29/05/2018

Nifarana ny sabotsy 26 mey 2018 teo teny amin’ny kianja sentetika Andohalo ny fifaninana kitra lalaovin’olona 6 ny “Orange Kitra Inter-Institut” na ny baolina kitra nifaninanan’ireo sekoly ambony eto an-drenivohitra niisa 19.

Hamaky ny tohiny...

Savate Boxe Française Fantatra ireo tompondakan’i Madagasikara 2018

29/05/2018

Nandritra ny 3 andro, ny zoma 25 sy sabotsy 26 ary alahady 27 mey tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina no nanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018 eo amin’ny taranja Savate Boxe Française nokarakarain’ny FMSBF & DA na Federation Malagasy de Savate Boxe Française & Discipline Associée tarihan’ny filohany,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Vaky fototra

29/05/2018

Efa iaraha-mahita ary miha mazava isan’andro fa mizotra any amin’ny lalan’ny famonoana hatramin’ny fanantenana ankehitriny ny fitondrana Rajaonarimampianina. Na ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana aza nanome ohatra toy ireny Raiamandreny tsy te hianga-janaka ireny.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Mpianatra tsy nianatra noho ny grevy Tsy maintsy hampanaovina “rattrapage”, hoy ny minisitra

29/05/2018

Tsy maintsy hampanaovina “rattrapage” ireo mpianatra tsy afa-nianatra nandritra ny grevy, hoy ny minisitra Paul Rabary, omaly. Tsy hitovy mihitsy mantsy ny fari-pahaizan’ireo mpianatra 1 % tapaka foana sy ireo 99 % izay nanohy hatrany.

Hamaky ny tohiny...

Sekoly ambony UPRIM Havadika ho oniversite nomerika

29/05/2018

Havadika ho oniversite nomerika ny sekoly ambony UPRIM. Efa an-dalam-pametrahana izany ireo tompon’andraikitra rehetra ao aminy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Simon Lee mpanorina ny Openflex Hanome vatsim-pianarana ho an’ny tanora mendrika

29/05/2018

Rehefa nahatsapa ny fahaiza-manaon’ny mpianatra Malagasy i Stilex na i Simon Lee, tompon’ny orinasa Openflex, dia nanapa-kevitra ny hanohana amin’ny alalan’ny « Université pour tous ».

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

CEMEA Madagascar Mpikambana miisa 6 no niofana tany Maorisy

29/05/2018

Fikambanana dimy avy aty amin`ny Ranomasimbe Indiana miampy ireo rafitra anankiroa ao Eoropa novatsian`ny Vondrona Eoropeanina vola amin`ilay tetikasa “Building Bridges” adika hoe manamboatra tetezana.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Asan-dahalo tany Mampikony II Mpanara-dia 1 maty, miaramila 1 naratra

29/05/2018

Malaso iray no lavon'ny balan'ny miaramilan’ny DAS mampandry fahalemana any amin'ny distrikan'i Mampikony ny 26 mey lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

ANDRIMASOM-POKONOLONA VOATIFITRA

29/05/2018

Maty voatifitry ny kalachnikov ny roa tamin’ireo tanora izay nanao andrimasom-pokonolona tao amin’ny fokontany Antoetra ao Isandra (faritra Matsiatra Ambony).

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Mohamed Salah

29/05/2018

Nisento tokana ny Ejypsiana raha nandre avy amin’ireo mpitsabo manara-maso akaiky ny fahasalaman’ilay kintan’ny baolina kitra any aminy,

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Miaramilan`ny firenena mikambana Feno 70 taona

29/05/2018

29 mey 1948-29 mey 2018 : Feno 70 taona anio ny nijoroan’ny miaramilan`ny Firenena mikambana, izay fantatry ny besinimaro hoe “Casques bleus”. Ho fanomezam-boninahitra ny sivily, ny mpitandro ny filaminana ary ny miaramila noho ny fandraisany anjara tamin'ny asan'ny Firenena Mikambana ny fankalazana. Amin' ity taona ity izy ireo dia hanolotra fitaovana tsy manam-paharoa sy manan-danja natokana hanampiana ireo firenena ravan'ny ady, mba hamoronana ny fepetra hahazoana fiadanana maharitra. Fotoana iray ihany koa izao hanomezam-boninahitra sy hahatsiarovana ireo mpiadina mpiaro maherin'ny 3 700 izay namoy ny ainy teo ambany sainan'ny Firenena Mikambana nanomboka tamin'ny taona 1948. Anisan'izany ny lehilahy sy vehivavy miisa 129 tamin'ny taona 2017. Nandritra ny fitopolo taona dia maherin'ny iray tapitrisa ny lehilahy sy ny vehivavy nanompo teo ambany sainan'ny Firenena Mikambana tamin'ny asa fampihorohoroana miisa 71, izay nisy fiantraikany mivantana teo amin'ny fiainan'ny olona an-jatony tapitrisa, miaro ny tsy fahampiana indrindra eto amin'izao tontolo izao ary mamonjy aina tsy tambo isaina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana