Fil d'actualités du 22/06/2018

  • 22/06/2018 - 17:05 : MONDIAL 2018: Nandresy an'i Costa Rica tamin'ny isa 2-0 i Brésil.

  • 22/06/2018 - 15:30 : FANONDRANANA SAFIRA ANTSOKOSOKO: 18 taonina isan-taona amin'ny safira Malagasy no haondrana antsokosoko tsy hanaovana fampahafantarana hampiasana taratasy miendrika ara-dalàna, raha ny tatitry ny Bianco.

  • 22/06/2018 - 15:00 : ASAN-DAHALO: Nahatratra 4000 teo ho eo no maty tao anatin'ny 5 taona farany, ka 3000 ny dahalo ary 100 ny fokonolona, ary 100 eo ho eo ny mpitandro filaminana, hoy ny zandarimariam-pirenena tamin'ny alalan'ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra.

  • 22/06/2018 - 14:30 : FANONDRANANA SAFIRA: 2 taonina isan-taona no voasoratra ofisialy eto amintsika, kanefa 20 taonina no tena mivoaka, araka ny loharanom-baovaonay mikasika ny fanondranana an-tsokosoko, hoy ny lehiben'ny Bianco Jean Louis Andriamifidy.

  • 22/06/2018 - 14:00 : JEAN RAVELONARIVO: Tsy mbola fotoana aloha izao hitondrana fanakianana na fitenenana mahakasika ny zava-misy eto amin`ny Firenena.Fandraisana andraikitra no atao ary izay no antony hirotsahan-kofidiana filoha, hoy izy.

  • 22/06/2018 - 13:45 : TOEKARENA: Tokony hampidirina amin`ny taranja fanofanana ireo tanora eny amin`ny oniveriste ny fanalboarana milina ampiasaina eny anivon`ny orinasa, hoy ny Filohan'ny Sendikan'ny Indostria na ny SIM Freddy Rajanera androany.

  • 22/06/2018 - 13:15 : KAOMININA TALATAMATY: Nisotraka tamin'ny fomba ofisialy androany ny santam-bokatra sy santam-bary, ka ny ben'ny tanana no nanokatra azy.

  • 22/06/2018 - 13:00 : MONDIAL 2018 - FANDAHARAN-DALAO ANIO: - Brésil # Costa Rica amin'ny 3 ora tolakandro - Nigéria # Islande amin'ny 6 ora hariva - Serbie # Suisse amin'ny 9 ora alina

  • 22/06/2018 - 12:45 : BEFANDRIANA AVARATRA: Nampidirina am-ponja noho ny resaka fivarotana lavanila maitso antsokosoko milanja 17kg tratra tao an-tranony ny Ben’ny tanàna.

  • 22/06/2018 - 12:15 : FAMPIANARANA: Tsy hisy fihemorana ny fanadinam-panjakana, hoy ny minisitra Horace Gatien.

Voir plus d'infos...

22/06/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180601

Misongadina

Fifanarahana politika Mbola gidragidra be…

01/06/2018

Tsy nisy tonga teny amin’ny CCI Ivato namaly ny antson’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM na ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina na ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina, saingy nandefa solontena avokoa.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Foloalindahy Malagasy Hijoro rehefa tsy mahavita azy ny mpanao politika

01/06/2018

Namoaka fanambarana tetsy amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena (MFA) tetsy Ampahibe omaly alakamisy 31 mey ny fianakaviamben’ny foloalindahy Malagasy notarihin’ny minisitra, Beni Xavier Rasolofonirina.

Hamaky ny tohiny...

Mpitolona etsy amin’ny 13 mey Misy efa manao tetiandro mihitsy

01/06/2018

Raha aravona dia tokana ny tanjona iraisan’ireo mpitolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey.

Hamaky ny tohiny...

Fisorohana ny savorovoro Ravao ny HCC sy ny CENI, hoy ny SECES

01/06/2018

Iaraha-mahalala fa nisy ny krizy niverimberina teto amintsika satria mivangongo any amin’ny filoham-pirenena avokoa ny fahefana rehetra sy ny fanendrena olona ho tomponandraikitra ambony, anisan’izany ny mpikarakara fifidianana,

Hamaky ny tohiny...

Krizy politika eto Madagasikara Efa misy fiantraikany sahady amin’ny sehatra fizahantany

01/06/2018

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka omaly alakamisy 31 mey ny hetsika International Fair Tourism Madagascar andiany fahafito.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana ADEM Manohana ny fanalana an-dRajao sy ny forongony

01/06/2018

Fikambanana iray misehatra amin’ny asa fanabeazana eto amintsika ny ADEM ( Association pour le Developpement et l’éducation à Madagascar).

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Fanoto sy laona

01/06/2018

Mba mifankatiava tsara re ianareo mivady ry dada Jean ô !! Mba jereo izahay zanakareo ! Izahay anie izao efa eto ambonin’ny tany fa tsy mbola vao hamboarina intsony e e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fitokonan`ny mpiasam-panjakana Raikitra koa ny an`ny INSTAT

01/06/2018

Manomboka mikatso tsikelikely ny fampandehanan-draharaham-panjakana eto amintsika. Araka izany, hafanafana etsy Anosy satria hitokona ny mpiasan’ny ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa (INSTAT) manomboka anio.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Renivohitra Nanao fanadiovana faobe teny Andavamamba-Anosipatrana

01/06/2018

Noho ny fangatahan’ny mponina eny Andavamamba, Ilanivato, Anosipatrana iny, nanao fandaminana sy fanadiovana faobe teny an-toerana omaly ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), notarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.

Hamaky ny tohiny...

Fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy Tsy fantatra mazava ny antontanisa

01/06/2018

Nosoniavina omaly tetsy amin’ny Espace Dera Tsiadana ny fanamafisam-piaraha-miasa eo amin’ny Ecpat, sampandraharaha miady amin’ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy eto amintsika sy ny minisiteran’ny mponina (MPPSPF).

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny piraty Harafitra ny paikady vaovao

01/06/2018

Vory lanona tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha omaly alakamisy 31 mey ny fianakaviamben’ireo mpilalao sy mpanatontosa sarimihetsika Malagasy izay mivondrona ao anaty ofisim-pirenena miandraikitra izany na ny Omaci.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Akany Avoko FFPM Ambohidratrimo Mitohy ny varavarana misokatra lehibe

01/06/2018

Mitohy ny varavarana misokatra lehibe natao hampahafantarana misimisy kokoa ny Akany Avoko FFPM eny Ambohidratrimo izay nosokafana tamin’ny alatsinainy 28 mey lasa teo ka tsy hifarana raha tsy amin’ny zoma 8 jona 2018 izao,

Hamaky ny tohiny...

Sport

Filohan’ny Malagasy Rugby Ligy 9 amin’ny 13 no mangataka ny fialany

01/06/2018

Nambaran’ny filohan’ny ligin’ny rugby eto Analamanga, Ravelojaona Andry La Pie, omaly tetsy amin’ny Malacam Antanimena fa ligim-paritr’ity taranja ity miisa 9 amin’ireo 13 misy no mangataka ny fialan’ny filohan’ny Malagasy Rugby,

Hamaky ny tohiny...

Ligin’ny baolina kitra Amoron’i Mania Ny FC AZ Fandriana no tompondaka 2018

01/06/2018

Tontosa tamin’ny 27 mey 2018 teo ny fiadiana izay ho tompondakan’ny ligin’Amoron’i Mania eo amin’ny baolina kitra ka nihaonan'ny FC Bemaha Soavina sy FC AZ Fandriana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy mba hiova mihitsy ve e ?

01/06/2018

Tsy milamina ny tantara ary vao mainka mihenjana ny tady na toa misy ihany aza ny karazam-pitoniana hafahafa eto amin’ny firenena. Iza ihany no ho praiminisitra ?

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Mpampianatra mpanabe Nitondra valin-kafatra an`i Paul Rabary

01/06/2018

Vory lanona ireo mpampianatra mpanabe nitondra sorabaventy nitokona teo anoloan’ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena indray omaly maraina.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Dadagaby -Tarika Voninavoko Nindaosin’ny fahafatesana omaly maraina

01/06/2018

Nindaosin’ny fahafatesana omaly alakamisy 31 mey maraina tokony ho tamin’ny 5 ora, Rakotomavo Gabriel, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Dadagaby, angady nananana sy vy nahitana ny tarika miangaly ny vakodrazana,

Hamaky ny tohiny...

Ny Andriana Robert “Mila hasandratra ny hasim-pirenena”

01/06/2018

Samy manana ny fahitany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana ny tsirairay, indrindra amin’izao fotoana mafampana eto amin’ny firenena izao. Ho an’ny Andriana Robert, mpiandry ny hasim-piandrianan’Imerina eny amin’ny vohitra Ambohimanga, dia ny hasim-piandrianana no mila haverina hapetraka na hasandratra maika eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fitsaram-bahoaka eto Madagasikara Mankasitraka ny Malagasy 4 amin’ny 10

01/06/2018

Olona miisa 1200 tamina toerana maro samihafa teto Madagasikara no nanaovan’ny Afro baromètre fanadihadiana hahafahana mamoaka antontan’isa momba ny toe-javatra samihafa eto Madagasikara, toy ny resaka fanabeazana, fitsaram-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Posy sy sarety tsy manara-dalàna Miditra “fourrière” avy hatrany

01/06/2018

Mitombo isa isan’andro tato ho ato ireo posy sy sarety mandeha amin’ny ora voarara eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

MANANGANA SAINA FOTSY

01/06/2018

Manangana saina fotsy Rajao dia mifampiraharaha amin’ny fianakaviam-ben’ny mpitandro ny filaminana izay milaza ny hanangana ny fitondràna miaramila raha tsy milamina ny fifanarahana politika izay mandeha omaly.

Hamaky ny tohiny...

Vaovao avy any ivelany

Zinedine Zidane

01/06/2018

Nanambara tao anatin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny ivotoerana fanaovan’ny Real fanazaratena omaly tolakandro ilay mpanazatra Frantsay Zinedina Zidane fa nanapa-kevitra ny tsy hanazatra an’ity ekipa notantanany nanomboka tamin’ny 4 janoary 2016 ity intsony ny tenany amin’ny taom-pilalaovana ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Sitabaomba Ivato Mafotaka indray ny ady tany

01/06/2018

Mitaraina ireo olona rehetra izay mamboly legioma eny amin’ny Sitabaomba Ivato noho ny tsy rariny mahazo azy ireo amin’ny fanapotehana tsotra izao ny volin’izy ireo izay tena miantoka ny fidiram-bolany ataon’ireo hanorina fotodrafitrasa eo amin’ny toerana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana