Fil d'actualités du 22/06/2018

  • 22/06/2018 - 17:05 : MONDIAL 2018: Nandresy an'i Costa Rica tamin'ny isa 2-0 i Brésil.

  • 22/06/2018 - 15:30 : FANONDRANANA SAFIRA ANTSOKOSOKO: 18 taonina isan-taona amin'ny safira Malagasy no haondrana antsokosoko tsy hanaovana fampahafantarana hampiasana taratasy miendrika ara-dalàna, raha ny tatitry ny Bianco.

  • 22/06/2018 - 15:00 : ASAN-DAHALO: Nahatratra 4000 teo ho eo no maty tao anatin'ny 5 taona farany, ka 3000 ny dahalo ary 100 ny fokonolona, ary 100 eo ho eo ny mpitandro filaminana, hoy ny zandarimariam-pirenena tamin'ny alalan'ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra.

  • 22/06/2018 - 14:30 : FANONDRANANA SAFIRA: 2 taonina isan-taona no voasoratra ofisialy eto amintsika, kanefa 20 taonina no tena mivoaka, araka ny loharanom-baovaonay mikasika ny fanondranana an-tsokosoko, hoy ny lehiben'ny Bianco Jean Louis Andriamifidy.

  • 22/06/2018 - 14:00 : JEAN RAVELONARIVO: Tsy mbola fotoana aloha izao hitondrana fanakianana na fitenenana mahakasika ny zava-misy eto amin`ny Firenena.Fandraisana andraikitra no atao ary izay no antony hirotsahan-kofidiana filoha, hoy izy.

  • 22/06/2018 - 13:45 : TOEKARENA: Tokony hampidirina amin`ny taranja fanofanana ireo tanora eny amin`ny oniveriste ny fanalboarana milina ampiasaina eny anivon`ny orinasa, hoy ny Filohan'ny Sendikan'ny Indostria na ny SIM Freddy Rajanera androany.

  • 22/06/2018 - 13:15 : KAOMININA TALATAMATY: Nisotraka tamin'ny fomba ofisialy androany ny santam-bokatra sy santam-bary, ka ny ben'ny tanana no nanokatra azy.

  • 22/06/2018 - 13:00 : MONDIAL 2018 - FANDAHARAN-DALAO ANIO: - Brésil # Costa Rica amin'ny 3 ora tolakandro - Nigéria # Islande amin'ny 6 ora hariva - Serbie # Suisse amin'ny 9 ora alina

  • 22/06/2018 - 12:45 : BEFANDRIANA AVARATRA: Nampidirina am-ponja noho ny resaka fivarotana lavanila maitso antsokosoko milanja 17kg tratra tao an-tranony ny Ben’ny tanàna.

  • 22/06/2018 - 12:15 : FAMPIANARANA: Tsy hisy fihemorana ny fanadinam-panjakana, hoy ny minisitra Horace Gatien.

Voir plus d'infos...

22/06/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180606

Misongadina

Depiote ho an’ny Fanovana “Tsy mbola vita ny tolona”

06/06/2018

Nangotraka ny adihevitra teny an-kianja omaly noho ny tsy fitoviam-pijery tamin’ny fomba nanendrena ny praiminisitra. Tsy nazava ny resaka fanolorana ny anarana, izay nambaran’ny TIM ny takarivan’ny alatsinainy fa tsy nakana ny heviny.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mpanaraby tolom-bahoaka Hiara-kisitraka ny tombony ihany anefa avy eo

06/06/2018

Tsy vaovao maneran-tany ary efa nitranga teto Madagasikara hatrany koa ny fisiana mpanaraby sy mpanatsatso ny tolom-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Hanapitra fe-potoam-piasana sisa

06/06/2018

Azo antoka 90% fa tsy ho anisan’ireo kandida hifaninana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana eo intsony ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, raha ny tsiliam-baovao heno ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian Hotohanan’ny Firenena Mikambana hatrany

06/06/2018

“Nous Restons ensemble” na hoe miaraka foana isika. Izay no namaranan-dRamatoa Violet Kakyomya ny teny fohy nataony tao amin’ny kaonty “facebook”ny omaly raha namintina ny fivoriana farany niarahan’ireo solontenan’ny

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Hanandratra jiolahy ny marimaritra iraisana »

06/06/2018

« Initiative pour l’émergence des mafieux » na fanandratana jiolahy no hitranga eto fa tsy « Initiative pour l’émergence de Madagascar », hoy ny filohan’ny antoko Teza, Jean Louis Rakotoamboa, raha mbola hitohy amina fitadiavana « consensus » na marimaritra iraisana eto foana isika.

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka sy ny AREMA Maika hanangana tetezamita ?

06/06/2018

Aoka isika rehetra samy hanana fanetren-tena ary hanompo ny fahamarinana izay dradradradraina, fahatsorana,… hoy ny Amiraly Didier Ratsiraka teny amin’ny CCI Ivato nandritra ny fanasan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM ny 31 mey teo.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny mpivarotra Diso fanantenana amin’ny praiminisitra vaovao

06/06/2018

Nanantena fanovana izahay saingy gaga kely nahita ilay praiminisitra nivoaka, hoy ry zareo avy eo anivon’ny Fikambanan’ny Mpivarotra Mitovy Fijery (FMMF) omaly raha nanambara ny fahadisoam-panantenan’izy ireo tetsy amin’ny Railovy Analakely.

Hamaky ny tohiny...

Kolonely Lylison Nipoitra amin’izay

06/06/2018

Manomboka miparitaka ny sarin’ny kolonely Lylison amin’izao fotoana izao, ary re fa afaka soa aman-tsara tamin’ny fanenjehan’ny fanjakana HVM azy izy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mitohy ny tantara

06/06/2018

Praiminisitra natolotra sa ve notendrena ? Tena mangarahara sa politika avo lenta ? Tena fanina aho Ramalagasy fa mba hazavao. Dia ahoana ilay tsianjery hoe Miala Rajao ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sainam-pirenena 2.500 Ar ny mora indrindra, tsy mbola misy mpividy

06/06/2018

Na dia efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana jona teo aza no fotoana tokony hananganana ny sainam-pirenena eny anivon’ny biraom-panjakana, ny orinasa, ny trano tsirairay avy dia mbola mangina tanteraka izany ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fanisana ny mponina sy ny toeram-ponenana Ilaina amin’ny fampandrosoana ara-toekarena

06/06/2018

Mitohy hatrany ny fanisana fahatelo ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH3) manerana an’i Madagasikara ary tsiahivina fa ho tapitra amin’ny 10 jona ho avy izao izany. Isaky ny 10 taona amin’ny ankapobeny no tokony hatao ny fanisana ny mponina sy ny toeram-ponenan’ny firenena tsirairay.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Razafindrasata Tsito Mamiratra any amin’ny Cosafa Cup 2018

06/06/2018

Na dia vao voalohany aza no nivoahany niaro ny voninahi-pirenena amin’ny maha mpilalon’ny Barean’i Madagasikara azy miaraka amin’ny rahalahiny Razafindrasata Tsiry dia mamiratra tanteraka hatreto ilay mpilalao tanora vao 22 taona monja (teraka tamin’ny taona 1996),

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy mbola afa-bela e !

06/06/2018

Antomotra indray ity ny 26 jona hanamarihana ny faha-58 taona nahazoantsika ny fahaleovan-tena. Manana ny fiandrianam-pirenentsika isika, mahaleotena i Madagasikara, masi-mandidy amin’ny taniny ny Malagasy …

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Olona mamono, mandatsak’aina, Azo lazaina ho marary saina feno, hoy ny manampahaizana

06/06/2018

Tranga tsy nampoizina maro no niseho teny anivon’ny fiarahamonina tato ho ato.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

QMM Tolagnaro Nitsahatra ny barazy nanakana ny mpiasa

06/06/2018

Nitsahatra nanomboka ny andron’ny alatsinainy teo ny fitokonana nentina nanakanana ny fidiran’ny mpiasa tao amin’ny Orinasa mpitrandraka fasimainty ao Tolagnaro dia ny QMM, raha ny vaovao azo avy any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Harom-paosy any anaty taksibe Anosibe, Analakely ary 67 ha no tena faritra mena

06/06/2018

Tranga nampitaraina ny maro teto an-drenivohitra tato ho ato ny firongatr’ireo mpangarom-paosy any anaty taksibe.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

Be vaovao mirija Toekarena

06/06/2018

Ry zareo avy eo anivon’ny Aedecoua na ny fikambanan’ireo mpianatra mandalina ny toekarena eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo dia nitondra ny anjara birikiny ho fankalazana ny andro maneran-tany momba ny tontolo iainana omaly.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana