Fil d'actualités du 24/07/2018

  • 24/07/2018 - 18:00 : FAMPIANARANA: Milaza ny hampianatra ireo ankizy mpianatra amin’ny sekolim-panjakana izay hanao fanadinana ny mpampianatra izay mivondrona ao amin’ny APELM na ny fikambanan’ny mpampianatra tsy miankina eto Madagasikara.

  • 15/07/2018 - 21:00 : MONDIAL 2018: Ilay Frantsay Kyliam Mbappé no voahosotra ho mpilalao tanora mendrika indrindra.

  • 15/07/2018 - 20:30 : MONDIAL 2018 - BALLON D'OR: I Luka Modric, mpilalaon'i Croatie no mpilalao mendrika indrindra , ka nahazo ny "ballon d'or".

  • 15/07/2018 - 20:00 : MONDIAL 2018: Voahosotra ho tompondaka ny Frantsay rehefa nandresy 4-2 an'i Croatie, ka azony izany ny amboara lehibe 20 taona aty aoriana satria ny taona 1998 izy no nibata ny amboara farany.

  • 15/07/2018 - 18:00 : MONDIAL 2018: Manomboka amin'izao ora izao ny lalao famaranana hifanandrinan'i Lafrantsa sy Croatie.

  • 15/07/2018 - 17:00 : RAZAFIMILY CONSTANCE: Raha ny vaovao azo dia noho ny fahatapahan’ny lalan-drà no nahatonga no nahafaty azy.

  • 15/07/2018 - 16:00 : RAZAFIMILY CONSTANCE: Nodimandry tany Farafangana androany ity solombavambahoaka voafidy tao Vangaindrano izay mpikambana ao amin’ ny antoko Leader Fanilo ity.

  • 14/07/2018 - 19:00 : MONDIAL 2018: Tapitra ny lalaon'i Belgique sy Angleterre. Tafiditra laharana faha-3 ny Belza rehefa nandavo 2-0 an-dry zareo Anglisy.

  • 14/07/2018 - 11:00 : TIM AMBOHIDRATRIMO: Mitsangatsangana any amin'ny Karibotel Manerinerina Ambohibao ny mpikatroka Tiako I Madagasikara Ambohidratrimo anio sabotsy 14 jolay izao.

  • 14/07/2018 - 10:00 : 14 JOLAY: Marihina anio ny fetim-pirenena Frantsay, ka misy ny lanonana mifandraika amin'izany eny Masoivohon'i Lafrantsa.

Voir plus d'infos...

13/07/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180628

Misongadina

Grevy etsy sy eroa Mikatso ny firenena

28/06/2018

Nitokona ary mbola mety hanohy izany ny mpitatitra. Mitohy ny fitakiana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Vina IEM sy Fisandratana 2030 “Patron” mitovy no ao ambadika ?

28/06/2018

Toa mitovitovy fomba fiteny sy firesaka i Andry Rajoelina sy i Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Fitorian-dry Depiote Hanitra Nolavin’ny Filankevi-panjakana

28/06/2018

Nisy ny fitoriana sy fangatahana nataon’ny Solombavambahoaka sady mpahay lalàna Hanitra Razafimanantsoa miaraka amin’ireo mpiara-dia aminy eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny 17 jona amin’ny tokony handravana ny didim-panjakana nanendrena ireo mpikamban’ny governemanta Ntsay Christian.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Minisiteran’ny Fitsarana Tompon’andraikitra maro no nosoloina

28/06/2018

Anisan’ny nisongadina nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly alarobia 27 jona ankoatra ny toromarika isan-karazany avy amin’ny filoham-pirenena ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony maro.

Hamaky ny tohiny...

Fakon’Antananarivo taorian’ny fety Nahafeno fiarabe 4 mahazaka 4 taonina

28/06/2018

Fako sy loto no nameno ny tanàna taorian’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Betsaka tamin’ireo mponina avy eny anivon’ny faritra manodidina no tonga namalifaly ny ankohonany teto an-dRenivohitra toy ny teny Analakely sy Anosy.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Mondial 2018 Raraka i Alemana, tafakatra i Brezila

28/06/2018

Votsotra teo am-pelatanan’ny Mannschaft Alemana ny amboara eran-tany azony 4 taona lasa izay satria resin’i Korea Atsimo 2-0 be izao ry zareo

Hamaky ny tohiny...

Thb Champion’s League Malagasy Niraradraraka ny baolina maty tany Mahajanga

28/06/2018

Niraradraraka ny baolina maty tany Mahajanga teo amin’ny andro faha-3 amin’ny dingana voalohan’ny Thb Champion’s League Malagasy. Ny Cnaps Sport Itasy 7 – 0 Jaolahin’i Iharana SAVA ; Fc Metal DIANA 7 – 0 Fc Maeva Betsiboka ; Fosa Juniors Boeny 6 – 0 Tam Port Berger Sofia.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Manajà tena raha hendry e !

28/06/2018

Tsy misy mandeha amin’izay laoniny intsony eto amin’ny firenena amin’izao na ara-tsosialy na ara-toekarena, indrindra ny ara-politika. Fanamaivanan-dresaka no ataon’ny fanjakana.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fitakian’ny mpitatitra Mbola tsy voavaha ny olana

28/06/2018

Fijaliana ho an’ny vahoaka ny fitokonana nataon’ny Vondron’ny mpitatitra an-tanàn-dehibe na ny UCTU omaly alarobia 27 jona 2018. Niasa kosa ny mpitatitra ao anatin'ny FMA na ny (Fitaterana Mendrika eto Antananarivo) ahitana ny 109, 163, 194, 192, 165, 143,164,…

Hamaky ny tohiny...

Taksibe nitokona Tsy nitovy hevitra ny UCTU sy ny UCTS

28/06/2018

Olana iraisan’ny taksibe rehetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny fahataran’ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana omena azy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fitokonana sy fitakiana Hikatso tanteraka ny ladoany ?

28/06/2018

Omaly alarobia 27 jona no nivory sy nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety ny sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana sy ny hetra. Mitohy ary hihamafy ny tolona noho ny tsy fihainoana sy ny tsy fahazoana valiny mahafa-po nandritra ny roa volana.

Hamaky ny tohiny...

FIER MADA andiany faha-20 Hanehoana ny maha sompitra ara-tsakafo an’i Madagasikara

28/06/2018

Hotanterahina ny 1 ka hatramin’ny 5 aogositra ho avy izao etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ilay hetsika “Fier Mada” andiany faha-20 entina hanomezan-danja ireo karazam-bokatra sy sakafo mampalaza ny faritra 22 eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Tikanto Tafaray Hampatsiahy an-kira ny taona 80 hatramin’ny 2000

28/06/2018

Nandritry ny fifaninanan-kira natao ho an’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny kaominin’Antananarivo no nahatsikaretana ny feo manga sy ny fahaizan-dry Nandrianina sy Rivo ary Rinah mozika.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FIARAMANIDINA NITONDRA FITAOVAM-PIADIANA

28/06/2018

Fiaramanidina miaramila Rosiana no tonga tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny alatsinainy teo ary niala ny alin’iny ihany.

Hamaky ny tohiny...

TANORA SY NY HERISETRA

28/06/2018

Nosokafana omaly tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ny seminera momba ny politikam-panjakana mikasika ny tanora sy ny fisorohana hatrany ifotony ny herisetra iainan’ny tanora.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Foloalindahy Malagasy Tokony hohamafisina ny sampana fanangonam-baovao

28/06/2018

Mampitondra faisana ny vahoaka Malagasy ny asan-dahalo ary tsy misy faritra na iray aza tsy misy azy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana